Dalila: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanovona
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
 
Andalana faha-3:
 
== Ny anaran'i Dalila ==
Atao hoe דְּלִילָה / ''Delilah'' io anarana io amin'ny [[Fiteny hebreo|teny hebreo]] ka midika hoe "mpitari-dalana", fa amin'ny [[Fiteny arabo|teny arabo]] kosa dia دلیله / ''Dalilah'' izay midika hoe "jejojejo". Amin'ny [[teny grika]] izy dia atao hoe Δαλιδά / ''Dalida.''
 
== Ny fitantarana ao amin'ny Baiboly ==
Tao amin'ny lohasahan'i Soreka no nahitan'i Samsona an'i Dalila izay naharaiki-pitia azy. Ny andrianan'ny Filistina fahavalon'i Israely dia nampanantena sekely volafotsy zato sy arivo an'i Dalila raha hitany ny tsiambaratelon'ny hery lehibe ananannananan'i Samsona. Intelo i Dalila no nangataka tamin'i Samsona ny mba hahalala ilay tsiambaratelo tamin'i Samsona izay nadainga taminy hatranihatrany. Tamin'ny faninefany dia nambaran'i Samsona azy ilay tsiambaratelon'ny heriny izay mitoetra ao amin'ny volony tsy notapahina hatramin'ny fahaterahany noho izy natokana ho [[nazira]] ho an'Andriamanitra.
[[Sary:SamsonDelilahcaravaggio.jpg|vignette|''Noharatan'i Dalila ny lohan'i Samsona'', sary nataon'i Caravaggio, taonjato faha-17.]]
Namadika an'i Samsona amin'izay i Dalila ka naniraka tany amin'ireo andriandahy filistina mba hilaza amin'izy ireo fa efa fantany ny tsiambaratelon'ny herin'i Samsona. Nomen'izy ireo an'i Dalila amin'izay ireo vola nampanantenaina. Nampatorin'i Dalila teo amin'ny lohaliny i Samsona avy eo notapahiny ireo tokom-bolony fito voarandrana. Niala tamin'i Samsona amin'izay ny heriny sy ny fanampian' [[Andriamanitra (tokana)|Andriamanitra]] azy. Tonga ny Filistina ka nisambotra azy sy nanapotsitra ny masony roa ary nanipy azy tao an-tranomaizina tany Gaza.