Levy (zanak' i Jakôba): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Andalana faha-1:
[[Sary:Levi LACMA M.88.91.296b.jpg|vignette]]
I '''Levy''' (hebreo: לֵּוִי‎ / ''Levi'' na ''Lewi'') dia olona resahina ao amin'ny [[Baiboly|Baiboly,]] ao amin'ny [[Bokin'ny Genesisy|Genesisy]]. Zanakahahy fahatelon'i [[Jakoba]] izy. I [[Lea (vadin'i Jakoba)|Lea]] no anaran-dreniny (Gen. 29.31-34). Ny taranak’i Levy no atao hoe [[fokon'i Levy]] na [[Levita]] izay nisahana ny asam-pisoronana tao amin’ny [[Zanak'i Israely|Zanak’i Israely]].
 
Zafin’i [[Abrahama]] sy i [[Isaka]] i Levy. Nizara ho fianakaviana telo ny taranak’i Levy tamin’ny andron’ny fahandevozana tao Ejipta, dia ny fianakavian’i Gersona sy ny an’i Kehaty (na Kohaty) ary ny an’i Merary. I Levy no rain’i Iokebeda (vehivavy) izay niteraka an’i Miriama sy i [[Mosesy]] ary i [[Arona]] tamin’i Amrama (zafin’i Levy). I [[Robena]] sy i [[Simeona (zanak'i Jakoba)|Simeona]] sy i [[Joda (zanak'i Jakoba)|Joda]] sy i [[Isakara]] ary i [[Zebolona]] no rahalahiny iray reny aminy ary i [[Dina]] no anabaviny iray reny aminy.
 
Nandray anjara tamin’ny famonoana ireo lehilahy tao an-tananan-dry Sikema (na Sekema), noho ity farany nandry an-keriny tamin’i Dina, izy niaraka tamin’i Simeona (Gen. 34.25-26) ka nozonin-drainy noho izany (Gen. 49.7).[[Sary:The Phillip Medhurst Picture Torah 171. Simeon and Levi slay Hamor and Shechem. Genesis cap 34 vv 25-26. Hoet.jpg|vignette|253x253px|''Mamono an'i Hamora sy i Sekema i Levy sy i Simeona,'' nataon'i Phillip Medhurst.]]Nisahana ny anjara asa mpisorona sy ny fitsarana sy ny fampitana ny fahalalana (indrindra ny fahalalana ny [[Torah]]) amin’ny Israelita rehetra ny Levita ka miaro azy ny foko 11 sisa.
 
I [[Mosesy]] no Levita fantatra indrindra teo amin’ireo [[Hebreo (mponina)|Hebreo]]; rahalahiny I [[Arona]] izay nanjary Mpisoronabempisoronabe voalohany teo amin’i Israely.
 
I Levy no lohan’ny fianakavian’ny mpisorona ka noho izany dia tsy nahazo anjara tany manokana tamin’ny fizarana tany tao [[Kanaana|Kanana]] ny fokon’i Levy (ny [[Levita]]). Nisy tanàna miisa 48 anefa nonenany sy nananany fahefana ara-politika sy ara-toekarena eran’ny tanin’i Israely. Nanana tombotsoa manokana ny Levita ka hita hatrany amin’ny fanompoana ao amin’ny [[sinagoga]] mandraka ankehitriny izany.
 
== Jereo koa: ==