Fanekem-pinoana nikeana: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanisy zana-pizaràna
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
Ffkm
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Andalana faha-130:
==== Fanekem-pinoana nikeana-konstantinopolitana ao amin'ny FJKM ====
"Isika mino an'Andriamanitra Iray, Ray Tsitoha, Mpanao ny lanitra sy ny tany ary ny zavatra rehetra na ny hita na ny tsy hita. Ary an'i Jesoa Kristy Tompo Iray, Zananilahy Tokan'Andriamanitra nateraky ny Rainy talohan'izao rehetra izao, ny Mazava avy amin'ny Mazava. Andriamanitra tokoa avy amin'Andriamanitra nateraka fa tsy natao, miray amin'ny Ray amin'ny zavatra rehetra. Izy no nahariana izao tontolo izao. Noho ny amintsika olombelona sady ho famonjena antsika dia nidina avy tany an-danitra Izy, ary nataon'ny Fanahy Masina nofo avy tamin'i Maria Virijiny, dia tonga olona Izy. No homboana tamin'ny hazofijaliana ho fanavotana antsika, tamin'ny nanapahan'i Pontio Pilato Izy; nijaly Izy ka nalevina. Nitsangana tamin'ny maty tamin'ny andro fahatelo araka izay voasoratra Izy. Niakatra ho any an-danitra Izy, ary mipetraka ao an-tànana ankavanan'ny Ray; avy any no hiaviany indray amin'ny voninahitra hitsara ny velona sy ny maty, ary mandrakizay ny Fanjakany. Isika mino ny Fanahy Masina, Tompo sady mpanome aina. Izay avy amin'ny Ray sy ny Zanaka ka itsaohana sy ankalazaina miaraka amin'ny Ray sy ny Zanaka; Izy dia niteny tamin'ny vavan'ny mpaminany. Isika mino ny Fiangonana Iray, miorina amin'ny fanambaran'ny Apostoly ary manerana izao tontolo izao. Isika manaiky ny batisa iray ho famelan-keloka sady manantena ny fitsangan'ny maty ary nyy fiainana mandrakizay. Amena".
 
Fiekem-pinoana tany Nikea, an'ny FFKM
 
"Izaho mino an'Andriamanitra tokana, Ray Tsitoha, nahary ny lanitra sy ny tany ary ny zavatra rehetra, na ny hita na ny tsy hita.
 
Izaho mino an'i Jesoa-Kristy Tompo tokana, Zanaka Lahitokan'Andriamanitra, teraky ny Ray talohan'izao rehetra izao, Andriamanitra avy amin'Andriamanitra, Fahazavana avy amin'ny Fahazavana, Andriamanitra marina avy amin'Andriamanitra marina, nateraka fa tsy natao, iray fomba amin'ny Ray.
 
Izy no nahariana izao rehetra izao, nidina avy any an-danitra ho antsika olombelona sy ho famonjena antsika, ary tonga nofo tao amin'i Maria Virijina noho ny herin'ny Fanahy Masina, ka tonga olombelona nohomboana tamin'ny hazofijaliana ho antsika tamin'ny andron'i Pontio Pilato, nijaly ary nalevina, nitsangana velona tamin'ny andro fahatelo araka ny Soratra Masina niakatra any an-danitra, mipetraka eo an-kavanan'ny Ray ary ho avy indray amim-boninahitra hitsara ny velona sy ny maty ka tsy hanam-pahataperana ny Fanjakany.
 
Izaho mino ny Fanahy Masina Tompo sy Mpamelona avy amin'ny Ray sy ny Zanaka, itsaohana sy omem-boninahitra miaraka amin'ny Ray sy ny Zanaka, ary niteny tamin'ny vavan'ny mpaminany.
 
Izaho mino ny Fiangonana iray, Masina, manerana izao rehetra izao, araka ny fanorenan'ny Apostoly.
 
Izaho manaiky ny Batisa iray ho famelan-keloka, ary miandry ny fitsanganan'ny maty sy ny fiainana ho avy. Amena.
 
== Jereo koa: ==