Sanedrina: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
Sora-matevina
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Andalana faha-1:
 
Ny [[Sanedrina|'''sinedriona''']] na [[sanedrina|'''sanedrina''']] dia ny antenimiera mpanao lalàna sy fitsarana tampony jiosy izay mivory ao Jerosalema nandritra ny fanjanahan-tany romana sady nanam-pahefana tamin'ny [[Jiosy]] tao Palestina sy tany am-pielezana. Voalaza ao amin'ny [[Filazantsaran'i Matio]] ao amin'ny [[Baiboly]] fa notsarain'ny sanedrina iray manontolo i [[Jesosy]] alohan'ny hanomboana azy tamin'ny hazo fijaliana (Mat. 26.66).
 
Ilay mpahay tantara jiosy [[Flavio Josefa]] dia miresaka ny sanedrina matetika ao amin'ny boky nosoratany atao hoe ''Antiquitates Judaicae.'' Na dia rava aza ny Fanjakana jiosy tamin'ny taona 70 tal. J.K. dia nisy ihany ny sinedriona izay nafindra tamin'ny tanàna lehibe sasany. NiahanaNisahana ny raharaham-pitsarana sy ny raharaham-pivavahana jiosy ny sinedriona. Misy lahatsoratra ao amin'ny Mishna izay mamaritra ny fahefana sy ny fiasan'ny sinedriona. Neken'ny Fanjakana romana ny fitsarana nataony momba ny raharaha anatiny amin'ny samy Jiosy hatramin'ny taona 425.
 
Olonkendry manam-pahaizana momba ny lalàna jiosy miisa 71 no mikambana ao aminy. Ny mpisoronabe no nitarika azy. Nisy ny atao hoe ''sinedriona kely'' na ''sanedrina kely'' izay nahitana fara-fahavitsiny mpikambana 25 ny isan-tanana lehibe. Efa nisy ny sanedrina tamin'ny fotoana nanapahan'i Antiokosy Lehibe na Antiokosy III (242-187 tal. J.K.), nefa ny teny hoe sanedrina na sinedriona dia tsy fandre raha tsy tamin'ny taonjato voalohany taor. J.K. Rehefa tsy nisy intsony ny sanedrina dia ny fitsaranan'ny raby no nisolo azy ireo.