Ondrilahy (antokon-kintana): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-1:
[[Sary:Aries constellation map-fr.png|vignette|308x308px|Ny antokon-kintan'ny Alahamady]]
Ny '''Alahamady''' na '''Ondrilahy''' dia [[Antokon-kintana|antokon-kintan]]'ny zodiaka izay andalovan'ny [[masoandro]] amin'ny 19 Avrily hatramin'ny 14 Mey. Eo anelanelan'ny antokon-kintan'ny [[Alohotsy (antokon-kintana)|Alohotsy]] (Trondro) eo andrefany sy ny an'ny [[Adaoro (antokon-kintana)|Adaoro]] (Ombilahy) eo atsinanana izy. Ny Alahamady, izay atao hoe ''Aries'' amin'ny [[Fiteny latina|teny latina]], dia iray amin'ireo antokon-kintana miisa valo amby efapolo hitan'i Ptolemeo. Amin'ny [[Fiteny frantsay|teny frantsay]] dia atao hoe ''Belier'' io antokon-kintana io.
 
Ny teny hoe ''Alahamady'' dia avy amin'ny anaran'ny [[antokon-kintana]] amin'ny teny arabo hoe االحمل / ''Al-Hamal'' izay midika hoe "ondrilahy". Amin'ny faritra maro eto Madagasikara dia atao hoe ''Alahamaly'' io teny io. Atao hoe Aries izy amin'ny teny latina sy anglisy fa Bélier kosa amin'ny teny frantsay. Amin'ny teny grika izy dia ata hoe ''Κριός'' / ''Krios''. Amin'ny [[fiteny soahily]] dia atao hoe ''Hamal'' na ''Kondoo'' io antokon-kintana io. Amin'ny [[Fiteny malay|teny maley]] kosa dia atao hoe ''Hamal'' na ''Biri-biri''ihany koa izy.
 
Rehefa nampiasaina amin'ny [[Fanandroana|fanandrana]] ny antokon-kintana dia nanome ny iray amin'ireo [[Evan'ny zodiaka|evan'ny zodiaka mikisaka]] ho anarany io anaran'antokon-kintana io nefa amin'izao fotoana izao dia efa tsy mifanandrify amin'ny fotoana fandalovan'ny masoandro amin'ny fari-danitry ny antokon-kintana Alahamady ny fotoana andalovan'ny masoandro ao amin'ny [[Alahamady|evan'ny Alahamady]] izay manomboka eo amn'ny 21 Marsa ka miafara amin'ny 20 Avrily.