Tetiandro manara-bolana sy masoandro: Fahasamihafan'ny versiona

tsy misy ambangovangom-panovana
(Pejy momba ny fotoana)
 
Aucun résumé des modifications
Ny '''tetiandro manara-bolana sy masoandro''' dia [[tetiandro]] anitana [[Volana (fotoana)|volana]] mitovy faharetana (isan'ny andro) amin'ny tsingerim-pihodinan'ny Volana amin'ny tany (29 na 30 andro) araka ny hitan'ny maso, sady ahitana volana miisa roa ambin'ny folo, nefa misy fampifanandrifiana ny tsingerin-taona amin'ny tsingerim-pihodinan'ny [[Tany]] amin'ny [[Masoandro]] na amin'ny tsingerin'ny [[fizaran-taona]].
 
Ny maro amin'ny tetiandro atao hoe manara-bolana sy masoandro. Ireto avy ireo tetiandro manara-bolana sy masoandro fantatra indrindra: ny [[tetiandro hebreo]], ny [[tetiandro samaritana]], ny [[tetiandro sinoa]], ny [[tetiandro tibetàna]] ary ny [[tetiandro hindoa]]. Ny tetiandro manara-bolana sy masoandro ny an'ny [[Hebreo (mponina)|Hebreo]] sy ny [[Sina|Sinoa]] dia ampiasaina hamaritana ny andro hanaovana firavoravoam-pivavahana na ara-pomban-drazana.
 
Misy 12 volana ny iray taona nefa indraindray dia mitombo 13. Mba hanakekezana kokoa ny tsingerim-pihodinan'ny [[Tany]] amin'ny [[Masoandro]], izay tsapa amin'ny alalan'ny tsingerin'ny [[fizaran-taona]] sy ny toeran'ny antokon-kintana eny amin'ny lanitra, dia anatsofohana iray volana fanampiny (volana faha-13) isaky ny telo taona eo ny tetiandro manara-bolana sy masoandro. Noho izany misy ireo tetiandro ampiasana ny fifandraisan'ny telo taona amin'ny 37 volana na ny 19 taona amin'ny 235 volana (ity no atao hoe "Tsingerin'i Metona").
35 129

modifications