Fanjakan' i Israely (mitambatra): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
Rohy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Andalana faha-1:
[[Sary:Kingdom of Israel 1020 map.svg|vignette|512x512px|Ny Fanjakan'i Israely mitambatra araka ny Baiboly hebreo mitantara ny vanimpotoana nanjakan'i Saoly sy i Davida (soratana mena ireo firenena resy)]]
Ny [[Fanjakan'i Israely (mitambatra)|'''Fanjakan'i''' '''Israely''' ('''mitambatra''')]] na [[Fanjakan'i Israely (mitambatra)|'''Fanjakana''' '''mitambatr'i''' '''Israely''' '''sy''' '''i''' '''Jodà''']] dia fanjaka-mpanjaka naorin'ny Israelita tamin'ny taona 1050 tal. J.K. any ho any. Nandimby ny vanim-potoan'ny [[mpitsaran'i Israely]] io fanjakana io ka i [[Saoly]] (na [[Saola]]) no mpanjaka voalohany nanapaka azy.
 
Araka ny [[Boky voalohan'i Samoela|Boky voaolohan'i Samoela]] ao amin'ny Baiboly dia vokatry ny fanirian'ny [[Zanak'i Israely]] hanana mpanjaka sahala amin'ireo firenena hafa izay neken'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny mpaminany [[Samoela]] no nampisy io fanjakana io (1Sam. 8).
Andalana faha-8:
=== Ny fanjakan'i Saoly ===
[[Sary:Ernst Josephson. - David och Saul.JPG|vignette|''I Davida sy i Saoly'' - nataon'i Ernst Josephson - 1878]]
Araka ny [[Baiboly]] dia isan'ny [[fokon'i Benjamina]] i [[Saoly]] (na [[Saola]]). Tamin'ny taona 1020 tal. J.K. hatramin'ny taona 1010 tal. J.K. no nitondrany ny Fanjakan'i Israely mitambatra ka izy no voatendrin'Adriamanitra ho mpanjakan'ny firenen'i Israely voalohany araka ny teny nampitondrainy ny mpaminany [[Samoela]]. Natambatr'i Saoly ny [[Fokon'i Israely|foko roa ambin'ny folon'i Israely]]. Ny fanafihana ara-miaramila no tena nimasoany ka ny [[Filistina]] no fahavalo malaza tamin'ireo nifanandrina taminy. Nahazo baiko avy amin'Andriamanitra ny hanapotika ny firenen'i [[Amaleka]] izy tamin'ny teny nentin'i Samoela nefa nitsimbina ny mpanjaka [[amalekita]] izy ka izany no nahatonga azy haongana tsy ho eo amin'ny fitondrana, araka ny didin'Andriamanitra. Nandimby azy i [[Davida (mpanjaka)|Davida]] tamin'ny nahafatesany.
 
=== Ny fanjakàn'i Davida ===
Andalana faha-15:
 
=== Ny fanjakàn'i Solomona ===
Nanomboka tamin'ny taona 970 tal. J.K. ka hatramin'ny taona 931 tal. J.K. no nanjakan'i [[Solomona]] (na [[Salômôna]]). Niady fitondrana taminy ny zanak'i Davida hafa talohan'ny tena handraisany ny fitondrana izy, sady izy rahateo no notendren'i Davida handimby azy.
[[Sary:Jerusalem temple3.jpg|vignette|259x259px|Ny Tempolin'i Solomona]]
Nahatratra ny famirapiratana fara tampony ny Fanjakan'i Israely tamin'ny fanapahan'i Solomona tamin'ny alalan'ny fanangonana harena sy ny fifanakalozana ara-barotra nifanaovany tamin'ny manodidina azy. I Solomona no nanamboatra ny [[Tempolin'i Jerosalema]] voalohany, izay fantatra amin'ny anarana hoe Tempolin'i Solomona. Naharitra fito taona ny fanamboarana izany tempoly izany, ka i Hirama mpajakan'i Tiro no nanampy azy tamin'ny fanomezana ny mpanamboatra trano sy ny hazo hanamboarana izany.
 
Tamin'ny faramparan'ny fotoana nitondrany dia nitaraina noho ny fitakiana hetra be loatra ny vahoaka. I Jeroboama no nandimby azy tamin'ny nahafatesany nefa nivaky roa ny fanjakana tamin'ny nanjakan'ity mpanjaka ity noho ny fihoamfihoa-pampan'ny hetra notakina sy ny habibiana hafa koa. Teraka noho izany ny [[Fanjakan'i Jodà]] sy ny [[Fanjakan'i Israely (Samaria)|Fanjakan'i Israely]] (na [[Fanjakan'i Samaria]]).
 
== Jereo koa: ==