Adizaoza: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitsy
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
k Tsipelina
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Andalana faha-1:
[[Sary:Gemini.svg|vignette|205x205px|Ny evan'ny Adizaoza]]
Ny '''Adizaoza''' no vintana fahatelo ao amin'ny fanandroana manaraka ny zodiakan-kintana na ny zodiaka mihetsikamikisaka. Ny [[Adaoro]] no eo alohany ary ny [[Asorotany]] no manaraka azy.
 
== Fiavian'ilay teny ==
Andalana faha-6:
Avy amin'ny anaran'[[Antokon-kintana|antokon-kintan']]<nowiki/>ny [[zodiaka]] amin'ny [[Fiteny arabo|teny arabo]] hoe اجوزاء / ''Al-Djuza'' ("kambana") ny hoe ''Adizaoza''. Amin'ny faritra sasany eto Madagasikara dia atao hoe ''Alijoza'' na ''Alizoza'' io teny io.
 
Manondro ny antokon-kintana atao amin'ny [[Fiteny latina|teny latina]] sy [[Fiteny anglisy|anglisy]] hoe ''Gemini'' na amin'ny [[Fiteny frantsay|teny frantsay]] hoe ''Gémaux.'' ny hoe ''Adizaoza''. Amin'ny [[fiteny soahily]] dia atao hoe ''Jauza'' na ''Mapacha'' io antokon-kintana io. Amin'ny [[Fiteny malay|teny maley]] dia atao hoe ''Jauza'' na ''Kembar'' ihany koa izy.
 
== Ny antokon-kintana Adizaoza sy ny zodiaka ==
Andalana faha-34:
== Ao amin'ny fanandroana malagasy ==
[[Sary:MBA Lyon Exposition Claude - Cruche.jpg|vignette|167x167px|Sinibe]]
Ao amin'ny [[fanandroana malagasy]] dia vintana fahatelo koa ny Adizaoza ka ny tapany atsimo amin'ny rindrin-trano antsinanana no toerana omena azy. Araka ny finoan-drazana malagasy dia vintana mahery ny Adizaoza ka ny olona ateraka aminy dia "miozanozana" na "sahozanina" raha tsy alam-bintana. Ny [[Alakaosy]] no mifandratra amin' ny Adizaoza. Eo amin' ny Adizaoza no fitoeran'ny sinibe ao an-trano. Izay olona mikasa hampaka-bady, na hanorin-trano, sns., nefa sendra mifandratra amin'ny vintany (tsy ny Adizaoza) ireo lazaina fa andro tsara fanaovana izany, dia ny Adizaoza no tokony hofidiny, fa io tsy mihetsiketsika tahaka ny sinibe, ka hampateza ny zavatra kasaina hatao.
 
Misy amin'ny Malagasy ny mandray ny volana Adizaoza ho volana fahatelo amin'ny taona ao amin'ny [[tetiandro malagasy]] (raha ny Alahamady no ataony volana voalohany).