Advento: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Andalana faha-1:
[[Sary:Adventskranz-1.Advent.jpg|vignette|274x274px|Satroboninahitry ny Advento]]
Ny '''[[Advento]]''' na [[Advento|'''Fiaviana''']] dia fotoana maharitra efatra herinandro mialoha ny [[Noely]] na [[Krismasy]] manomboka amin'ny andro [[Alahady]] manodidina ny 30 Novambra. Fotoana fiomanana alohan'ny fankalazana ny [[Fahaterahan'i Jesoa|nahaterahan'i Jesoa Kristy]] izany. Fiangonana kristiana maro no mitandrina sy mankalaza ny Advento amin'ny maha andro fiandrasana ny fankalazana ny nahaterahan'i Jesoa Kristy (dia ny [[Noely]] na [[Krismasy]]) sy ny [[Fiaviana fanindroany|fiaviany fanindroany]] ety an-tany azy.
 
Ny Advento no fanombohan'ny [[taom-piangonana]] tandrefana sady manomboka amin'ny Alahady fahefatra alohan'ny Noely na Krismasy, izay atao hoe Alahadin'ny Advento, dia ny Alahady manakaiky ny 30 Novambra (ao amin'ny [[Fiangonana katolika romana|Katolika romana]], ny [[Ortodoksa tandrefana]], ny [[Anglikanisma|Anglikana]], ny [[Loteranisma|Loterana]], ny Moraviana, ny [[Presbiterianisma|Presbiteriana]], ny [[Metodisma|Metodista]]). Raha maharitra efatra herinandro ny fotoam-piandrasana ho an'ny Fiangonana katolika sy Protestanta dia enina herinandro kosa ny fari-potoan'ny Advento ho an'ny Fiangonana ortodoksa noho izy ireo mankalaza ny nahaterahan'i Jesoa amin'ny andron'ny [[Epifania]].
 
Fotoana manetriketrika ny Advento izay anombohan'ny taom-piangonana. Tsy manao fanamasinam-panambadiana ny [[Fiangonana katolika]] mandritra io fari-potoan'ny Advento na Fiaviana io<ref name=":0"><small>"Avent", ''Microsoft Encarta'' 2009. 1993-2008 Microsoft Corporation.</small></ref>. Ny volomparasy no loko litorjika ampiasain'ny Fiangonana katolika sy ny ankabetsahan'ny Fiangonana protestanta, nefa ny Fiangonana anglikana sy ny Fiangonana loterana dia mampiasa ny manga.
 
== Fiforonan-teny ==
Avy amin'ny [[Fiteny latina|teny latina]] hoe ''Adventus'' ny hoe ''Advento'' ka midika hoe "fiaviana" na "fahatongavana". Fotoana fanombohan'ny [[taom-piangonana]] ny Advento. Ny teny latina hoe ''Adventus'' dia nandikana ny [[Fiteny grika|teny grika]] hoe ''parousia'' izay ampiasaina hilazana ny [[Fiaviana fanindroany|Fiavian'i Kristy Fanindroany]].
 
== Ny lohahevitra amin'ny Alahady efatra ==
Andalana faha-16:
Amin'ny Alahady voalohany dia miompana amin'ny Fiavian'i Kristy Fanindroany ny lohahevitra. Arehitra ny labozia voalohany amin'io andro io. Ireto ny vakiteny fanao amin'izany:
 
*[[Bokin'i Isaia|Isaia]] 2.1-5; [[Bokin'ny Salamo|Salamo]] 121 (na 122 amin'ny Baiboly sasany); [[Epistily ho an'ny Romana|Romana]] 13.11-14; [[Filazantsara araka an'i Matio|Matio]] 24.37-44.
* Isaia. 63.16 - 64.7; Salamo 79.2 (na 80.2 amin'ny Baiboly sasany); [[Epistily voalohany ho an'ny Korintiana|1Korintiana]] 1.3-9; [[Filazantsara araka an'i Marka|Marka]] 13. 33-37.
*[[Bokin'i Jeremia|Jeremia]]. 33.14-16; Salamo 24.4 (na 25.4 amin'ny Baiboly sasany); [[Epistily voalohany ho an'ny Tesaloniana|1Tesaloniana]] (na 1Tesalonisiana) 3.12 - 4.9; [[Filazantsara araka an'i Lioka|Lioka]] 21.25-36.
 
==== Alahady faharoa ====
[[Sary:Brueghel l'Ancien - La Prédication de Saint Jean-Baptiste.jpg|vignette|247x247px|''Ny toritenin'i Joany Batista'', nataon'i Pieter Bruegel der Ältere]]
Amin'ny Alahady faharoa dia mampahatsiahy ny toritenin'i [[Joany Batista]] (na [[Jaona mpanao batisa]]), izay tonga "nanamboatra mialoha ny lalan'nyi [[Iahveh]] (na TompoJehovah)", ny famakiana ny [[Filazantsara]] na ny Evanjely. Ny vakiteny hafa dia samy manana ny lohahevitra entiny avy koa. Arehitra ny labozia faharoa amin'io andro io. Ireto ny vakiteny fanao amin'izany:
 
* Isaia 11.1-10; Salamo 71 (na 72); Romana 15.4-9; Matio 3.1-12.
* Isaia 40.1-11; Salamo 84 (na 85); 2[[Epistily voalohany nosoratan'i Petera|2Petera]] (na 2Piera) 3.8-14; Marka 1.1-8.
*[[Bokin'i Baroka|Baroka]] 5.1-9; Salamo 125 (na 126); [[Epistily ho an'ny Filipiana|Filipiana]] 1.4-11; Lioka 3.1-6.
 
==== Alahady fahatelo ====
Amin'ny Alahady fahatelo dia mbola mikasika an'i Joany Batista ihany ny famakiana ny Evanjely, ireo vakiteny hafa dia momba ny fifaliana vokatry ny fiavian'ny Mpamonjy. Arehitra ny labozia fahatelo amin'io andro io. Ireto ny vakiteny fanao amin'izany:
 
* Isaia (na Izaia) 35.1-6a, sy 10; Salamo 145.7-10 (na 146.7-10); [[Epistily nosoratan'i Jakoba|Jakoba]] 5.7-10; Matio 11.2-11.
 
* Isaia (na Izaia) 61.1-2a, sy 10-11; Lioka 1.46-50, sy 53-55; Tesalonisiana (na Tesaloniana) 5.16-24; [[Filazantsara araka an'i Jaona|Joany]] (na Jaona) 1.6-8, sy 19-28.
*[[Bokin'i Zefania|Zefania]] (na Sôfônia) 3.14-18a; Isaia (na Izaia) 12.2 sy 4-6; Filipiana 4.4-7; Lioka 3.10-18.
 
==== Alahady fahefatra ====
[[Sary:Gerard Seghers 001.jpg|vignette|244x244px|''Ny nofin'i Josefa'', nataon'i Gerard Seghers, taona 1625-1630.]]
Amin'ny Alahady fahefatra dia mifantoka amin'ny ny zava-nitranga momba an'i [[Maria (renin'i Jesoa)|Maria]] sy i [[Josefa (vadin'i Maria)|Josefa]] izay mitarika mivantana ho amin'ny [[Fahaterahan'i Jesoa|fahaterahan'i Jesoa]], ary ireo vakiteny hafa dia momba izany ihany koa. Arehitra ny labozia fahefatra amin'io andro io. Ireto ny vakiteny fanao amin'izany:
 
* Isaia (na Izaia) 7.10-16; Salamo 23.1-6 (na 24.1-6). Romana 1.1-7; Matio 1.18-24.
*[[Boky faharoan'i Samoela|2Samoela]] 7.1-5 sy 8b-12 ary 14-16; Salamo 88.4-5 sy 25-30 (89. 4-5 sy 25-30); Romana 16.25-27; [[Filazantsara araka an'i Lioka|Lioka]] 1.26-38.
*[[Bokin'i Mikà|Mikà]] (na Mikea) 5.1-4a; Salamo 79.2-3 sy 15-16 ary 18-19 (na 80. 2-3 sy 15-16 ary 18-19); [[Epistily ho an'ny Hebreo|Hebreo]] (na Hebrio) 10.5-10; Lioka 1.39-45.
 
== Ny labozia sy ny satroboninahitry ny Advento ==
Andalana faha-48:
==== Ny isa sy ny lokon'ny labozia ====
[[Sary:Adventkranz andrea.JPG|vignette|247x247px|Satroboninahitry ny Advento sy labozia fanao any Kanada]]
Fanao amin'ny fiangonana toy ny any [[Alemaina]] sy amin'ny faritra sasany ao [[Eoropa]] ny manantona ilay atao hoe "satrobolinahitry ny Advento" na "satroboninahitry ny Fiaviana" izay ametrahana labozia iray isan-kerinandro mandra-pahatongany ho efatra amin'ny andron'ny [[Noely]] (na [[Krismasy]])<ref name=":0" />. Matetika dia miloko mena ireo labozia ireo nefa misy ny mampiasa loko hafa toy ny manga, ny mavokely, ny volomparasy sns.
 
Ao [[Soeda]] dia jiro miloko fotsy no ampiasaina izay mariky ny fahadiovana ary ny satroboninahitra dia atokana ho an'ny fetin'i ''Sankta Lucia'' (Mb. Losia) amin'ny 13 Desambra. Ao [[Kanada]] dia labozia volomparasy telo sy labozia mavokely iray no ampiasaina amin'ny satroboninahitry ny Advento ka ny mavokely tsy arehitra raha tsy amin'ny Alahady fahatelo sady manambara ny fifaliana amin'ny fahataperan'ny fiandrasana. Any [[Aotrisy]] kosa dia miloko volomparasy ny labozia izay mariky ny fivalozana<ref><small>[https://diocese92.fr/faq/fetes_avent_traditions.htm "Traditions de l'Avent"], Diocèse de Nanterre [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2F92.catholique.fr%2Ffaq%2Ffetes_avent_traditions.htm tahiry]]</small></ref>.
 
Ny [[Fiangonana ortodoksa tatsinanana|Fiangonana ortodoksa]] dia mampiasa labozia miisa enina indraindray noho ny fotoam-pankalazany ny Fiaviana maharitra enina herinandro.
 
==== Ny hevitry ny satroboninahira sy ny labozia ====