Fanandroana malagasy: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-39:
 
==== Alahamady ====
Ny Alahamady no volana sy vintana voalohany amin'ny fanandroana sy [[Tetiandro malagasy|tetiandro malagasy]]. Avy amin'ny anaran'antokon-kintana amin'ny fanandroana arabo hoe ''Al-Hamal'' ny teny hoe ''Alahamady''. Ny zoro avaratra-atsinana amin'ny trano no toerana omena azy. Io zoro io dia atao hoe zorofirarazana koa. Inoana ho vintan'[[andriana]] sady vintana maha mpanjaka ny Alahamady.
 
Inoana ho vintan'[[andriana]] sady vintana maha mpanjaka ny Alahamady. Ny Alahamady no vintana mahery indrindra<ref name=":0"><small>Jobily Rakotoson, "L'art divinatoire, parole d'un sage" in ''Madagascar fenêtres'', 2002, p.95.</small></ref>. Mibaby ny Alohotsy sy mitrotro ny Adalo ny Alahamad fa mifandratra amin'ny Adimizana nefa ny mitanila eo amin'ny Asombola sy Alakarabo izay iandrianany sy iarenany ny izy.
 
==== Adaoro ====
Ny Adaoro no vintana sy volana faharoa. Avy amin'ny anaran'antokon-kintana amin'ny fanandroana arabo hoe ''Ath-Thur'' ny hoe ''Adaoro''. Ny tapany avaratra amin'ny rindrin-trano atsinanana no toerana omena azy. Inoana ho andron'afo na andro "mandoro" ny Adaoro. mifandratra amin'ny Alakarabo sady mihataka miarina eo amin'ny Adimizana ny Adaoro.
 
==== Adizaoza ====
Vintana sy volana fahatelo ny Adizaoza. Avy amin'ny anaran'antokon-kintana amin'ny fanandroana arabo hoe ''Al-Djuza'' ny hoe ''Adizaoza''. Ny toerana omena azy dia ny tapany atsimo amin'ny rindrin-trano antsinanana. Vintana mahery ny Adizaoza ka ny olona ateraka aminy dia "miozanozana" raha tsy alam-bintana. Ny Alakaosy no mifandratra amin' ny Adizaoza. Eo amin' ny Adizaoza no fitoeran'ny sinibe ao an-trano. Izay olona mikasa hampaka-bady, na hanorin-trano, sns., nefa sendra mifandratra amin'ny vintany ireo andro tsara fanaovana izany, dia ny Adizaoza no tokony hofidiny, fa io tsy mihetsiketsika tahaka ny sinibe, ka hampateza ny zavatra kasaina hatao.
 
==== Asorotany ====
Vintana sy volana fahefatra ny Asorotany. Avy amin'ny anaran'antokon-kintana amin'ny fanandroana arabo hoe ''As-Saratan'' ny hoe ''Asorotany.'' Ny zoron-trano atsimo-atsinana no toerana omena azy. Andro mahery koa, araka ny finoan-drazana malagasy, ny Asorotany.
 
==== Alahasaty ====
Ny Alahasaty no vintana sy volana malagasy fahadimy. Avy amin'ny anaran'antokon-kintana amin'ny fanandroana arabo hoe ''Al-Asad'' ny hoe ''Alahasaty.'' Ny tapany atsinanana amin'ny rindrin-trano atsimo no toerana omena azy. Lazaina ho vinta-mpamosavy sy andron'ody ny Alahasaty. Mifandratra amin'ny Adalo s miarina eo amin' ny Adijady ny vintana Alahasaty.
 
==== Asombola ====
Andalana faha-59:
 
==== Adimizana ====
Ny Adimizana no vintana sy volana fahafito. Avy amin'ny anaran'antokon-kintana amin'ny fanandroana arabo hoe ''Al-Mizan'' ny hoe ''Adimizana.'' Ny zoron-trano atsimo-andrefana no toerana omena azy. Vintana mahery ny Adimizana nefa mety ho tsara na hahafaty mbola kely an'izay ateraka aminy. Mitrotro ny Alakarabo sy mibaby ny Asombola ny Adimizana. Ny Adimizana dia mifandratra amin'ny Alahamady sady mitanila sy miarina eo amin'ny Alohotsy sy ny Adaoro.
 
==== Alakarabo ====