Sokajin-teny: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-4:
 
=== Ny reniteny ===
Ny [[reniteny]] dia teny azo sarahina amin'ny namany ka afaka mahaleo tena sady manana hevitra mazava na dia tsy misy teny hafa milaza ny anjara asany sady tsy natao hilaza ny anjara asan'ny teny hafa koa izy. Sokajin-teny maromaro no voasokajy ho reniteny, dia ny [[anarana]], ny [[mpamari-toetra]], ny [[tambinteny]], ny [[matoanteny]], sns. Miovaova arakaraka ny fiteny ny lisitry ny sokajin-tenin'ny reniteny. Ny mampiavaka ireo teny ao amin'ity vondron-tsokajin-teny ity dia izy ireo maro dia maro, manana halava miovaova, azo foronina, azo soloan'ny [[Mpisolo tena (fitsipiteny)|mpisolo tena]] ny sasany aminy.
 
==== Ny anarana ====
Andalana faha-10:
 
==== Ny matoanteny ====
Ny [[matoanteny]] dia teny ampiasaina ao amin'ny fehezanteny na fehezankevitra hilazana asa na toetra na fifandraisana na fisehoan-javatra ka mety miovaova endrika maneho fotoana, fiendrika, filaza, fanehoan-javatra sns. matetia izy dia misahana ny anjara asa [[entimilaza]] na vara.
 
==== Ny mpamari-toetra ====
Ny [[mpamari-toetra]] dia teny ampiraisina amin'ny anarana na atao entimilaza mba hanambaràna ny toetran'ny zavatra tondroina amin'ilay anarana (olona, biby, zavatra sns) na ny toetran'ny zavatra tondroina amin'ny [[Lazaina (fitsipiteny)|lazaina]]. Zana-tsokajin'ny mpamaritra ny mpamari-toetra.
 
==== Ny tambinteny milaza fomba ====