Matoanteny: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Nanovona
Andalana faha-1:
Ny [[matoanteny|'''matoanteny''']] dia teny ([[sokajin-teny]]) izay ampiasaina ao amin'ny [[fehezanteny]] na [[fehezankevitra]] mba hilazana asa na toetra na fifandraisana na fisehoan-javatra ka mety miovaova endrika maneho [[Filazam-potoana (fitsipiteny)|fotoana]], [[Fiendrika|fiendrika,]] [[Filaza (fitsipiteny)|filaza]], [[Fanehoan-javatra (fitsipiteny)|fanehoan-javatra]] sns. araaraka ny fiteny, nefa misy koa ny fiteny tsy manova ny endriky ny matoanteny mihitsy. Ny isan'ireo antom-piovan'endriky ny matoanteny ireo dia miovaova araka ny [[fiteny]]. Mety hifandray amin'ny endriky ny teny mifandray aminy mivantana izany fiovan'endriky ny matoanteny izany ka isan'izany ny maha [[Filaza isa (fitsipiteny)|tokana na maro]] na ny maha [[Kilahivavy|kandahy na kambavy]] ny mpandray anjara ([[Lazaina (fitsipiteny)|lazaina]], [[Fameno (fitsipiteny)|fameno]], sns), sns. Ireto misy matoanteny amin'ny fiteny malagasy: ''mihinana, mandehana, nifampijerena'', sns.
 
== Ny endrika ara-pitsipitenin'ny matoanteny ==
Andalana faha-8:
Ny [[Filaza (fitsipiteny)|filaza]] dia toetra ara-pitsipiteny izay maneho ny fomba fihevitry ny mpiteny momba ny votoatin'ny zavatra lazainy (asa na toetra) ka mety ho filazana fisiana marina na ahiahy na fahafahana mitranga izany. Ny [[fiteny malagasy]] dia ahitana ny filaza tsotra sy ny [[filaza mandidy]].
 
Ohatra, tsy mitovy endrika ny matoanteny malagasy ''manapaka'' sy ''manapaha'' satria tsy mitovy filaza: ny voalohany amin'ny filaza tsotra fa ny fafaroa amin'ny filaza mandidy.
 
Ireto koa ny filaza sasany mety ho hita amin'ny fiteny hafa: ny [[filaza ifampiankinana]] sy ny [[filaza mihonohono]] (na mifampiankina) ary ny [[filaza mirary]]. Amin'ny voambolan'ny fitsipiteny eoropeana dia isaina ho filaza koa ny endri-matoanteny toy ny [[Filaza tsy mitanisa|endrika tsy mitanisa]] sy ny [[ova-matoanteny]] ary ny [[Filaza toe-javatra|filaza toe-javatra]].