Bokin' i Nehemia: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Rohy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Andalana faha-1:
[[Sary:PikiWiki Israel 14284 Jerusalem Wall.jpg|vignette|271x271px|''Ny mandan'i Jerosalema,'' sary avy amin'ny PikiWiki Israel, taona 2011.]]
Ny '''Bokin’i Nehemia''' dia boky ao amin’ny [[Tanakh]] (Baiboly hebreo) sy ao amin’ny [[Testamenta Taloha]] ao amin’ny [[Baiboly]] kristiana. Mitantara ny fikasan’i [[Nehemia]] hanangana ny manda efa nirodana indray ny boky. Araka ny voasoratra ao dia nanendry an’i Nehemia ho governoran’i Joda i [[Artakserksesy]], mpanjakan'i [[Persia]], mba hahatanterahany ny faniriany nefa nisy ny tsy nankasitraka izany, dia [[Jiosy]] (na Jody) sasany sy ireo governoran’ny tanàna nifanakaiky taminy. Vita ihany ny manda. Nanao fanarenana ara-tsosialy sy ny ara-pivavahana i Nehemia. Tanatin’ny roa ambin’ny folo taona no nanatanterahany izany rehetra izany. Rehefa niverina tao Jerosalema indray izy dia nahita fa nikorosy fahana ny fiainan’ny Jiosy tamin’ny fanambadiana vehivavy [[Jentilisa|hafa firenena]], ka nitoetra tao Jerosalema i Nehemia mba hampihatra indray ny Lalàn’i [[Mosesy]].
 
== Ny anaran'ny boky ==
Andalana faha-57:
 
== Ny mpanoratra ==
Ny [[lovantsofina]] dia milaza fa i [[Nehemia]] no nanoratra ny boky. Ho an’ireo mpikaroka momba ny Baiboly kosa, ny Bokin’i Nehemia dia nosoratan’ilay nanoratra ny [[Bokin'ny Tantara|Bokin’ny Tantara]], atao hoe "ilay Mpitantara", izay mpisorona na [[Levita]] niaina tamin’ny taonjato faha-4 tal. J.K. izay nanovo tao amin’ny ''Raki-pitadidian’i Nehemia'' nosoratan'i Nehemia hoan’ny mpanjakan’i Persia sy ho an’ny firaketana tao Jerosalema. Fa ny toko faha-8 sy faha-9 kosa dia nalainy avy ao amin’ny ''Raki-pitadidian’i Ezra''.
 
== Ny fizaràn’ny boky ==
Andalana faha-73:
Nifankahita tamin’i Nehemia indray i Hanany, izay mety ho rahalahiny, izay nitantara taminy ny zava-misy ao Jerosalema taorian’ny [[Fahababoana tany Babilona|Fahababoana]]. Nampalahelo an’i [[Nehemia]] ny zavatra henony ka nangataka alalana tamin’ny mpanjaka Aratakserksesy mba ho any Jerosalema izy hanangana ny mandan’i Jerosalema izay voarodana. Voatendry ho governoran’i Joda i Nehemia ka nandresy lahatra ny vahoaka tao Jerosalema hanangana ny manda. Nisy ny fanoherana nataon’ireo governora manodidina sy ny fiampangana tsy marina an’i Nehemia ho manomana fikomiana amin’ny mpanjaka. Nanendry mpiambina ny manda sy ny vavahady i Nehemia. Vita tanatin’ny 52 andro ny manda.
 
Mba hiadiana amin’ny fanararaotan'ireo [[Jiosy]] nanan-karena avy any [[Babilona]] ny mahatra, dia nanao fanavaozana ara-tsosialy i Nehemia, ka noraràna ny fampitrosana misy zanabola be loatra sady nofoanana ny tsosan’ireotrosan’ireo mahantra ary naverina amin’ny tompony ny fananana natao antoka.
 
=== Fanavaozana ara-pivavahana (8 – 10). ===
Nofaritan’i Nehemia niaraka amin’i [[Ezra]] (na Esdrasa) ny fomba tokony ho famakiana ny [[Torah|bokin’ny lalàn’i Mosesy]]. Natomboka ny fankalazana ny Fetin’ny Tabernakely (na Sokota; hebreo: ''חַג הַסֻּכּוֹת I'' ''Hag haSoukkot''). Nisy ny fotoam-pifonan’ny vahoaka Jiosyjiosy tamin’Andriamanitra noho ny fahotan’izy ireo. Nataon’i [[Nehemia]] ny hahatonga an’i Jerosalema honenan'ny Jiosy maro. Nisy koa ny fepetra noraisiny mba hikarakarana ny Tempoly sy ny [[Levita]] miasa ao.
 
=== Fanadiovana ny tanàna (11 – 13) ===
Nanao fanadiovana ny tanàna sy nanohy ny fanavaozana ara-pivavahana koa i Nehemia: fandroahana ireo tsy Jiosy avy ao amin’ny fiangonan’Andriamanitra, fandraràna ny fanaovan-draharaha amin’ny andro [[Sabata (jiosy)|sabata]], fandraràna ny fanambadiana olana hafa firenena.
 
Niverina any Sosa i Nehemia ka nahazo alalana indray hiverina any Jerosalema. Nitsidika an’i Jerosalema fanindroany i Nehemia 12 taona taty aoriana ka hitany fa niverina amin’ny fanaony taloha indray ny Jiosy tao Jerosalema.