Testamenta Taloha: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Aucun résumé des modifications
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Andalana faha-1:
[[Sary:Creation of Light.png|vignette|319x319px|''Ny famoronana ny mazava'' - Gustave Doré]]
Atao hoe '''Testamenta taloha''' ny fitambaran'ny boky ao amin'ny [[Baiboly]] voasoratra talohan'i [[Jesosy|Jesoa Kristy]]. Ny [[Kristianina|Kristiana]] dia mampiasa an'io teny io hanondroany ny tapany voalohany amin'ny Baiboly, izay voasoratra talohan'i Jesoa Kristy sady antsoin'ny Jiosy hoe [[Tanakh]]. Ny Vavolombelon'i Jehovah dia miantso ny Testamenta Taloha hoe "''Soratra HebroHebreo sy Aramianina"''.
 
== Fiforonan-teny ==
Ny andian-teny hoe ''Testamenta'' ''Taloha'' dia fanagasiana ny teny latina hoe ''Vetus Testamentum''. Io andian-teny io indray dia fandikàna ny teny grika hoe ''Παλαιὰ Διαθήκη'' / ''Palaià Diathêkê.'' Ny hoe ''palaià'' (grika) sy ny hoe ''vetus'' (latina) dia samy azo adika hoe "antitra", "taloha" na "tranainy" ary ny hoe ''testamentum'' (latina) na ''diathêkê'' (grika) dia midika hoe "fanekena", "fifanarahana", "fanekem-pihavanana". Ny Testamenta Taloha izany dia ny Baibolin'ny Jiosy na Jody, izay antsoina hoe ''[[Tanakh]]'' na ''Thanak''.
 
Ho an'ny [[Kristianina|Kristiana]], ny Testamenta Taloha sy ny [[Testamenta Vaovao]] diano mitambatra ho Baiboly kristiana.
 
== Boky ao amin'ny Testamenta Taloha ==
Misokajy efatra ny boky ao anatin'ny Testamenta Taloha, dia ny [[Pentateoka]] (atao hoe koa Boky dimin'i Mosesy), ny bokin-tantara (na boky ara-tantara), ny bokim-pahendrena (na bokin'ny Olon-kendry), ary ny bokin'ireo Mpaminany. Manampy an'azy ireo ireo boky sokajina amin'ny atao hoe [[Boky deoterokanonika|Deoterôkanônika]] izay tsy tafiditra ao amin'ny Tanakh sy ao amin'ny [[Baiboly protestanta]]. Marihina fa telo fotsiny ny fizaràna ny [[Tanakh|Baiboly hebreo]] fa tsy efatra.{{Testamenta Taloha}}
=== Ny boky dimin'i Mosesy ===
Ireo atao hoe "[[Boky dimin'i Mosesy]]", na Boky dimin'i Môizy na Pentateoka (avy amin'ny teny grika ''pente'': "dimy" sy ''teukhos'': "horonana"), izay antsoina koa hoe Lalàna (Lalàn'i Mosesy), ataon'ny Jiosy hoe [[Torah]], dia ny ''[[Bokin'ny Genesisy|Genesisy]]'' (na ''Jenezy''), ny ''[[Bokin'ny Eksodosy|Eksodosy]]'' (na ''Eksaody''), ny ''[[Bokin'ny Levitikosy|Levitikosy]]'', (na ''Levitika''), ny ''[[Bokin'ny Nomery|Nomery]]'' (na ''Fanisana''), ary ny ''[[Bokin'ny Deoteronomia|Deoteronomia]]'' (na ''Deoterônômy'').
 
=== Ny bokin-tantara ===
Ny [[Boky ara-tantara (Baiboly)|bokin-tantara]] na boky ara-tantara dia ny ''[[Bokin'i Josoa|Josoa]]'' (na Jôsoe), ny ''[[Bokin'ny Mpitsara|Mpitsara]]'', ny ''[[Bokin'i Rota|Rota]]'', ny [[Boky voalohan'i Samoela|''Samoela'' ''voalohany'']], ny [[Boky faharoan’i Samoela|''Samoela'' ''faharoa'']], ny [[Boky voalohan'ny Mpanjaka|''Mpanjaka'' ''voalohany'']], ny [[Boky faharoan'ny Mpanjaka|''Mpanjaka'' ''faharoa'']], ny [[Boky voalohan'ny Tantara|''Tantara'' ''voalohany'']], ny [[Boky faharoan'ny Tantara|''Tantara'' ''faharoa'']], ny ''[[Bokin'i Ezra|Ezra]]'' (na ''Esdrasa'') ny ''[[Bokin'i Nehemia|Nehemia]]'' ary ny ''[[Bokin'i Estera|Estera]].'' Ny Baiboly katolika dia ahitana boky fanampiny: ny ''[[Bokin'i Tobia|Tobià]]'', ny ''[[Bokin'i Jodita|Jodita]]'' ary ny [[Boky voalohan'ny Makabeo|''Makabeo'' voalohany]] sy [[Boky faharoan'ny Makabeo|faharoa]] izay atao hoe ''deoterôkanônika'' (izany hoe "boky kanônika faharoa") nefa ataon'ny Protestanta hoe ''[[Apokrifan'ny Baiboly|apokrifa]]'' ("miafina").
 
=== Ny bokim-pahendrena ===
Ny [[Bokim-pahendrena (Baiboly)|bokim-pahamasinana]], atao hoe koa Hagiografa, dia ny ''[[Bokin'i Joba|Joba]]'' (na ''Jôba''), ny ''[[Bokin'ny Salamo|Salamo]]'', ny ''[[Bokin'ny Ohabolana|Ohabolana]]'', ny ''[[Bokin'ny Mpitoriteny|Mpitoriteny]]'' (na ''Kôhelety''), ary ''[[Tononkiran'i Solomona]]'' (''Tononkira dia Tononkira'' na ''Tononkira Fanaperana''). Ny Baiboly Katolika dia mbola ahitana ny ''[[Bokin'ny Fahendrena|Fahendren'i Salômôna]]'' (na ''[[Bokin'ny Fahendrena|Fahendrena]]'') sy ny ''[[Bokin'ny Ekleziastika|Ekleziastika]]'' (na ''[[Bokin'ny Ekleziastika|Siràka]]'') izay boky deoterôkanônika na apôkrifa.
 
=== Ny bokin'ny mpaminany ===
Ny [[Bokin'ny mpaminany (Baiboly)|bokin'ny mpaminany]] dia misy sokajy roa, dia ireo bokin'ny mpaminany lehibe sy ny bokin'ny mpaminany madinika.
 
==== Mpaminany lehibe ====
Efatra ny mpaminany lehibe, dia ny ''[[Bokin’i Isaia|Isaia]]'' (na ''Izaia''), ny ''[[Bokin'i Jeremia|Jeremia]]'', ny ''[[Bokin'i Ezekiela|Ezekiela]]'', ny ''[[Bokin'i Daniela|Daniela]]'', manampy azy ireo ny [[Bokin'ny Fitomaniana|Bokin'ny ''Fitomaniana'']]. Atao hoe "mpaminany lehibe" izy noho izy nanoratra lava miohatra amin'ny sasany izay atao hoe "mpaminany madinika". Ny Baiboly katolika dia ahitana koa ny ''[[Bokin'i Baroka|Baroka]]'' izay boky deoterôkanônika na apokrifa.
 
==== Mpaminany madinika ====
Roa ambin'ny folo ny mpaminany madinika, dia : ny ''[[Bokin'i Hosea|Hosea]]'' (na ''Ôsea''), ny ''[[Bokin'i Joela|Joela]]'' (na ''Jôela''), ny ''[[Bokin'i Amosa|Amosa]]'' (na ''Amosy'' na ''Amôsa''), ny ''[[Bokin'i Obadia|Obadia]]'' (na ''Abdiasa''), ny ''[[Bokin'i Jona|Jona]]'' (na ''Jônasa''), ny ''[[Bokin'i Mika|Mika]]'' (na Mikea), ny ''[[Bokin'i Nahoma|Nahoma]]'', ny ''[[Bokin'i Habakoka|Habakoka]] (na Habakòka)'', ny ''[[Bokin'i Zefania|Zefania]]'' (na ''Sôfônia na Tsefania''), ny ''[[Bokin'i Hagay|Hagay]]'' (na Akjea), ny ''[[Bokin'i Zakaria|Zakaria]]'' ary ny ''[[Bokin'i Malakia|Malakia]]'' (na ''Malaký''). Atao hoe "mpaminany kely" izy ireo noho izy nanoratra kely.
 
Ireo boky fanampiny ao amin'ny Baiboly Katolika no ataon'ny Katolika hoe Deoterôkanônika ("kanôna faharoa") na ataon'ny Protestanta hoe Apokrifa ("miafina"). Ireo boky ireo dia tsy hita ao amin'ny Baiboly hebreo ([[Tanakh]]) sy ny Baiboly Protestanta. Manampy azy ireo ny toko fanampiny amin'ny ''Estera'' sy ny ''Daniela''.
 
== Jereo koa ==