Matoanteny: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-20:
 
==== Ny filazam-potoana ====
Ny [[Filazam-potoana (fitsipiteny)|filazam-potoana]] dia toetra ara-pitsipiteny izay manampy amin'ny fahafantarana ny fotoana nisehoan'ny asa na ny toetra amin'ny alalan'ny fiovan'endrika, ka izany fotoana izany dia mety ho ny iray amin'ireto telo ireto: [[Filazam-potoana ankehitriny|ankehitriny]] sy [[Filazam-potoana lasa|lasa]] ary [[Filazam-potoana hoavy|hoavy]]. Tsy ny fiteny rehetra no manana fomba ara-pitsipiteny hilazany fotoana, ary amin'izay manana izany dia ao ireo tsy mizara afa-tsy fotoana roa ([[Lasa (fitsipiteny)|lasa]] ''vs'' [[Tsy lasa (fitsipiteny)|tsy lasa]], [[Hoavy (fitsipiteny)|hoavy]] ''vs'' [[Tsy hoavy (fitsipiteny)|tsy hoavy]]), ary ao ireo mizara izany mihoatra ny telo.
 
Ohatra, tsy mitovy endrika ny matoanteny malagasy ''manapaka'' sy ''nanapaka'' ary ''hanapaka'' satria tsy mitovy filazam-potoana: ny voalohany amin'ny filazam-potoana ankehitriny, ny faharoa amin'ny filazam-potoana lasa ary ny fahatelo amin'ny filazam-potoana hoavy.