28 745
modifications
(Nanitatra kely) Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday |
Aucun résumé des modifications |
||
Ny [[Mpisolo tena (fitsipiteny)|'''mpisolo''' '''tena''']] dia [[teny]] enti-manondro ireo sokaji-mpandray anjara telo ara-pitsipiteny ao amin'ny fifampiresahana, dia ny miresaka sy ny iresahana ary ny resahina. Ny fiteny rehetra dia ahitana ny [[sokajin-teny]] mpisolo tena avokoa fa ny isany sy ny endriny ary ny fampiasana azy no tsy mitovy. Zana-tsokajy ao amin'ny [[Mpisolo (fitsipiteny)|mpisolo]] ny mpisolo tena.
Ao amin'ny fiteny malagasy, ny mpisolo tena ampiasain'ilay miresaka mba hanondrony ny tenany na mahafaoka azy dia ny hoe ''izaho'' na ''isika'' na ''izahay''; ny mpisolo tena anondroan'ilay miresaka ny olona na zavatra iresahany dia ny hoe ''ianao'' na ''ianareo''; ny mpisolo tena ampiasain'ilay miresaka hanondroany ny olona na zavatra ivelan'io firesahana io nefa resahina dia ny hoe ''izy''.
Miova endrika ny teny arakaraka ny [[Anjara asa (fitsipiteny)|anjara asa]] sahaniny ao amin'ny fehezanteny ([[Endrika araka anjara asa|endrika araka anjara asa]]). Miova endrika arakaraka ny isan'ny olona na zavatra tondroina aminy koa izy ireo ([[Filaza isa|filaza isa]]). Mety miova koa ny endriny arakaraka ny toetra ara-pitsipiteny ananan'ilay teny soloany ([[kilahivavy]] sns).
== Jereo koa: ==
|
modifications