Anarana: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-22:
 
=== Toetra ara-pitsipitenin'ny anarana ===
Ankoatry ny mety maha teny tokana na andian-teny ny anarana dia misy koa toetrany ara-pitsipiteny izay miankina amin'ny zavatra tondroiny na ny fampiasana azy anaty [[fehezanteny]].
 
==== Filaza isa ====
Mety hiovaova endrika na handray marika arakaraka ny isan'ny zavatra tondroina aminy ny anarana (tokana, maro, sns) nefa tsy ny teny rehetra no ahitana izany. Izany no atao hoe [[Filaza isa (fitsipiteny)|filaza isa]]. Amin'ny fiteny sasany dia ilaina amin'ny fifehezana ny fampiasana azy ny mahafantatra ny endrika milaza tiokana sy ny endrika milaza maro sns. Ohatra, ao amin'ny fiteny frantsay dia milaza tokana ny anarana hoe ''cheval'' ("soavaly iray") fa milaza maro kosa ny hoe ''chevaux'' ("soavaly maro"). Ao amin'ny fiteny sasany toy ny [[fiteny bretona]], ny [[fiteny litoaniana]], ny [[fiteny slovena]], ny [[fiteny soràba]], ny [[Fiteny sanskrity|fiteny sanskrita]], ny [[Fiteny hebreo|fiteny hebreo]], ny [[Fiteny arabo|fiteny arabo]] dia ahitana koa ny endrika milaza roa. Misy aza ny fiteny ahitana ny endrika milaza telo na milaza efatra.
 
==== Filaza sokajin-javatra ====
Mety hiovaova endrika na handray marika araka ny sokajin-javatra tondroiny ([[Kilahivavy|kandahy]], [[Kilahivavy|kambavy]], tsy kandahy tsy kambavy; olona, zavatra, sns) nefa tsy ny teny rehetra no ahitana izany. Ao amin'ny [[Fiteny frantsay|fiteny frantsay]] ohatra dia kandahy ny anarana hoe ''prince'' ("andriandahy") fa ny hoe ''princesse'' ("andriambavy") kosa dia kambavy.
 
Ao amin'ireo [[Fiteny banto|fiteny banto]] dia ahina ny atao koe kilasin'anarana izay mamondrona ny anarana anaty sokajy izay fantatra amin'ny fisian'ny mari-tsokajy ([[hasin-teny]]) izay mikambana amin'ny anarana. Ny [[fiteny soahily]] dia ahitana kilasin'anarana 15, ny [[fiteny sesoto]] ahitana18, ary ny [[fiteny loganda]] ahitana 19 ka ao ny milaza olona, ny milaza biby, ny milaza toerana sns.
Andalana faha-35:
 
==== Endrika araka anjara asa ====
Mety miovaova [[Endrika araka anjara asa|endrika]] na handray marika arakaraka ny [[Anjara asa (fitsipiteny)|anjara asa]] sahaniny ao amin'ny [[fehezanteny]] ny anarana ka mety koa hanovaova araka izany ny endriky ny [[mpamari-toetra]] na ny [[matoanteny]] miaraka aminy (raha mitana anjara asa [[Lazaina (fitsipiteny)|lazaina]] na [[Fameno (fitsipiteny)|fameno]] na hafa izy, arakaraka ny fiteny). Ao amin'ny [[fiteny indo-eoropeana]] toy ny [[Fiteny grika|grika]] sy ny [[Fiteny latina|latina]] ohatra dia miova endrika ny fiafaran'ny anarana arakaraka ny sokajin'anjara asa sahaninny ao amin'ny tarika na ny feheanteny.
 
Ny [[Fiteny indô-eoropeanina|fiteny indo-eoropeana]] toy ny [[fiteny sanskrita]], ny [[fiteny slava]] ([[fiteny rosiana]] sns), ny [[fiteny latina]], ny [[fiteny grika]], ny [[fiteny islandey]], ny [[fiteny feroiana]] ary ny [[Fiteny alemana|fiteny alemàna]]. Ny anarana amin'ny [[Fiteny romainina|fiteny romana]] toy ny fiteny fratsay sy ny [[fiteny espaniola]] sns dia tsy ahitana an'izany koa. Ny [[fiteny semitika]] toy ny [[fiteny akadiana]] sy ny [[fiteny arabo]] dia ahitana izany koa. Ny anarana amin'ny [[fiteny hebreo]] dia tsy ahitana izany na dia isan'ny [[Fiteny semitika|fiteny semitika]] aza. Ny anarana ao amin'ny fiteny maro dia tsy ahitana izany endrika araka anjara asa izany izay tsy hita afa-tsy ao amin'ireo mpisolo tena (amin'ny fiteny malagasy: ''izaho'' raha lazaina, ''ahy'' raha fameno, sns; amin'ny fiteny frantsay: ''il/elle'' raha lazaina: ''le/la'' raha fameno mivantana; ''lui'' raha fameno tsy mivantana; ''se'' raha fameno mitampody sns).
 
==== Fiovan'endrika noho ny antony hafa ====
Mety hiovaova endrika na handray marika araka ny antony hafa toy ny [[Filazam-potoana (fitsipiteny)|filazam-potoana]] ny anarana, nefa tsy ny teny rehetra no ahitana izany. Ny anarana ao amin'ny endrika sasany amin'ny[[Fiteny malagasy|fiteny malagasy]] dia metyafaka miovamadray endrika manaraka ny filazammari-potoana. Ao amin'ny fiteny malagasy dia ao: asiana mari-potoana hoavy ny anarana nefa tsy mila [[Matoanteny andry|matoanteny andry]] (ohatra: ''olona'' vs ''ho olona'').
 
=== Fiforonan'ny anarana ===
Andalana faha-49:
 
==== Anarana sampateny ====
Raha sampan-teny izy dia mety miforona avy amin'ny [[sokajin-teny]] hafa ka ilazana ny anaran'ny asa na ny anaran'ny fitaovana na ny anaran'ny mpanao na ny anaran'ny toetra sns. Izany sokajin-teny nisampanany izany dia mety ho matoanteny, na mpamaritoetra na hafa. Mety ho amin'ny alalan'ny [[FanovonanaTovona (tenyfitsipiteny)|fanovonana]] na [[FanovananaTovana (tenyfitsipiteny)|fanovanana]] na [[Fanatsofohana (teny)Tsofoka|fanatsofohana]] [[tsirinteny]] izany.
 
==== Anarana kamban-teny ====
Mety anarana samy anarana no akambana na anarana sy teny avy amin'ny sokajy hafa. Tsy misy eto na fanovonana na fanovanana na fanofohanafanatsofohana tsirinteny.
 
==== Anarana avy amin'ny fiovana sokajinteny ====
Mety hampiasaina ho anarana ny teny iray tsy isan'ny sokajy anarana na dia tsy nasampana aza. Mety ho [[matoanteny]] na mpamaritoetra[[mpamari-toetra]] na sokajin-teny hafa izany.
 
=== Fandrafetana andian-teny misy anarana ===
Andalana faha-69:
 
=== Anjara asan'ny anarana ===
Misy ny [[Anjara asa (fitsipiteny)|anjara asa]] anaty feheanteny ary ao koa ny anjara asa anaty tarika.
 
==== Anjara asa am-pehezanteny ====
Ao amin'ny fehezanteny, amin'ny lafiny endrika dia mety hisahana anjara asa [[Lazaina (fitsipiteny)|lazaina]] na [[Fameno (fitsipiteny)|fameno]] na [[entimilaza]] koa aza ny anarana. Amin'ny lafiny hevi-teny dia afaka misahana anjara asa ([[Tsinjara asa (fitsipiteny)|tsinjara asa]]) [[Mpanao (fitsipiteny)|mpanao]] na [[Iharana (fitsipiteny)|iharana]] na [[Toe-javatra (fitsipiteny)|toe-javatra]] sns ny anarana. Amin'ireo fiteny tsy mila [[matoanteny andry]] dia afaka misahana anjara asa [[entimilaza]] avy hatrany ny anarana.
 
==== Anjara asa anaty tarika ====
Ao anaty [[Tarika (fitsipiteny)|tarika]] dia mety ho loha-tarika ny anarana ka ahaoanaahazoana [[Tarika anarana|tarika anarana,]] na mety ho famenon'ny teny hafa (anarana, [[mpamari-toetra]], [[tambinteny]], [[mpampiankin-teny]], [[matoanteny]], sns).
 
== Jereo koa: ==