Sokajin-teny: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-29:
 
==== Ny zanateny mpamaritra ====
Ny zanateny mpamaritra dia teny akambana amin'ny anarana ao tarika iray ahafahana mampiasa io anarana io ao anaty fehezanteny ka mety miaraka amin'ny fanondroana ny kilahivavy, ny lahara-mpandray anjara am-pehezanteny, ny filaza isa sns izy. Isan'ny zanateny mpamaritra ny mpamaritra isa, ny mpamaritra manondro, nympamaritra manontany, ny mpamaritra mampifandray, ny mpamaritra tompon-javatra.
 
==== Ny mpisolo ====
Ny '''mpisolo''' dia teny maka ny toeran'ny anarana na ny tarika anarana na ny fehezankevitra na fehezanteny iray manontolo koa. Isan'ny sokajin'ny mpisolo ny mpisolo tena, ny mpisolo manondro, ny mpisolo manontany, ny mpisolo mampifandray, ny mpisolo tompon-javatra, sns.
 
==== Ny mpampitohy ====
Ligne 41 ⟶ 42 :
==== Ny kianteny ====
Ny kianteny dia teny kely tsy miova endrika manana anjara asa tsy mitovy amin'ny an'ny tambinteny na ny mpampiankina na ny mpampitohy. Ny fiteny tsirairay dia samy manana ny kianteniny ary ny mpahay teny tsirairay dia samy manana ny zavatra ao amin'ny fiteny iray izay ataony hoe ''kianteny''.
 
=== Olan'ny fanasoajiana ho reniteny na zanateny ===
Misy ny teny sarotra sokajina ho reniteny na zanateny. Isan'izany ny tenim-piontanana.
 
==== Ny tenim-piontanana ====
Ny tenim-piontanana dia teny azo ampiasaina mitokana mba hanehoana fihetseham-po (vokatry ny hafaliana, ny hatezerana, ny alahelo, ny fahatairana, ny fanaintainana sns), na hampitana hafatra amin'ny fomba tsy mampiasa teny maro (fiarahabana, fanekena, fandavana, fisalasalana, fonontaniana, baiko sns), na hakana tahaka feon-javatra (feom-biby, fipoahana sns).
 
=== Olan'ny fanasoajiana ho reniteny na zanateny ===
 
== Ny sokajin-teny ao amin'ny fiteny sasany ==
Ligne 51 ⟶ 53 :
 
=== Ny sokajin-teny ao amin'ny fiteny malagasy ===
Ao amin’ny [[fiteny malagasy]], ohatra, dia ahitana ireto sokajin-teny ireto: ny anarana (oh.: ''osy, tanana, rano, olona, Rakoto, Rasoa''), ny matoanteny (oh.: ''mihinana, andehanana, ifampijerena''), ny mpisolo (''izaho, eto, izany, iza, indro''), ny mpanampy (''te, tokony, aoka, samy''), ny mpampitohy teny (oh.: ''sy, ary''), ny mpampiankina (oh.: ''amina, ana, noho, toy''), ny mpampiankina [[fehezankevitra]] (oh.: ''satria, rehefa, raha''), ny tambinteny (oh.: ''tokoa, mihitsy, angamba, indrindra''), ny tenim-piontanana (oh.: ''endrey, hanky''), ny [[mpanoritra]] (oh.: ''ny, i, ra'') sns.
 
=== Ny sokajin-teny ao amin'ny fiteny frantsay ===
Ligne 59 ⟶ 61 :
 
=== Fizaràn'ny sokajin-teny ===
Ny sokajin-teny tsirairay dia mety hahitana fizaràny roa na maro. Ireto misy ohatra ny amin’izany ao amin’ny teny malagasy: Ny sokajin’ny mpamaritra dia mizara ka ahitana ny [[mpamaritra milaza toetra]] (oh.: ''tsara, mainty, mafana''), ny [[mpamaritra milaza isa]] (oh.: ''roa, fahefatra''), ny [[mpamaritra manondro]] (oh.: ''itsy, io, izany'') sns. Ny sokajy anarana dia mizara roa ka ahitana ny [[anarana iombonana]] (oh.: ''kisoa, trano, sakafo'') sy ny [[anaran-tsamirery]] (oh.: ''Rakoto, Rasoa, John, Antananarivo'').
 
=== Fifandraisan'ny sokajin-teny ao amin'ny fiteny samy hafa ===
Ny teny iray ao amin’ny sokajy iray ao amin’ny fiteny iray dia mety tsy hahitana izay teny mitovy hevitra sy sokajy aminy ao amin’ny fiteny iray hafa. Raisina ohatra amin’izany ny tambinteny frantsay hoe ''vite'' izay tsy misy teny malagasy sady mitovy hevitra no mitovy sokajy aminy fa ny [[mpamaritra milaza mpamari-toetra]] hoe ''haingana'' no mitovy hevitra aminy. Maro amin’ny [[mpampiankin-teny]] ao amin’ny teny frantsay no tsy misy teny tokana mitovy hevitra aminy fa matoanteny na andian-teny ahitana [[mpisolo milaza toerana]] arahina mpamaritra milaza toetra matetika no ampiasaina (oh.: fr.: ''devant'' = mg.: ''manoloana'' ; fr.: ''sur'' = mg.: ''eo ambony''). Ny teny hoe ''ici'' dia tambinteny ao amin’ny [[fitsipi-pitenenana]] frantsay nefa ny hoe ''eto'', izay mitovy hevitra aminy, dia voasokajy ho mpisolo toerana ao amin'ny fiteny malagasy.
 
=== Tsy fisian'ny sokanjin-teny sasany amin'ny fiteny iray ===