Filaza (fitsipiteny): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-1:
Ny [[Filaza (fitsipiteny)|filaza]] dia toetra ara-pitsipiteny izay maneho ny fomba fihevitry ny mpiteny momba ny votoatin'ny zavatra lazainy (asa na toetra) amin'ny alalan'ny teny ([[matoanteny]] matetika) ka mety ho ahiahy na filazana fisiana marina na ny fahafahana mitranga izany. Amin'ny alalan'ny fiovaovan'ny endriky ny teny milaza izany asa na toetra izany no isehoan'ny filaza ka miteraka fahamaroan'endriky ny fitanisana matoanteny na teny hafa afaka misahana izany raha miampy ny fiovan'endrika vokatry ny [[fiendrika]] sy ny [[Filazam-potoana (fitsipiteny)|filazam-potoana]]. Ny [[fiteny malagasy]] dia ahitana ny [[Filaza tsotra (fitsipiteny)|filaza tsotra]] sy ny [[filaza mandidy]]. Ireto koa ny filaza sasany mety ho hita amin'ny fiteny hafa: ny filaza ifampiankinana sy ny filaza mihonohono (na mifampiankina) ary ny filaza mirary. Amin'ny voambolan'ny fitsipiteny eoropeana dia isaina ho filaza koa ny endri-matoanteny toy ny [[endrika tsy mitanisa]] sy ny [[ova-matoanteny]] ary ny [[endri-matoanteny toejavatra]].
 
== Filaza fahita matetika ==
 
=== Filaza tsotra ===
Ahitana ny [[filaza tsotra]] avokoa ny fiteny rehetra. Ho an'ireo fiteny tsy manana afa-tsy filaza vitsy dia mahasolo ny filaza tsy ananany ny filaza tsotra ka amin'ny alalan'ny fampiasana rafitra manokan'ny fehezanteny na fampiasana teny natokana hanambaràna ny hevitr'ilay filaza tsy ananana no anatanterahana izany.
 
Ohatra:
 
Malagasy: ''<u>Hanatrika</u> ny fampisehoana izahay''.
 
''Frantsay: Nous <u>assisterons</u> au spectacle''. ("Hanatrika ny fampisehoana izahay")
 
=== Filaza mandidy ===
Maro ny fiteny ahitana ny [[filaza mandidy]] ka isan'iany ny fiteny malagasy. Ho an'ireo fiteny tsy manana afa-tsy filaza vitsy dia mety mahasolo ny filaza tsy ananany ny filaza mandidy ka amin'ny alalan'ny fampiasana rafitra manokan'ny fehezanteny na fampiasana teny natokana hanambaràna ny hevitr'ilay filaza tsy ananany no anatanterahana izany.
 
Ohatra:
 
Malagasy: ''<u>Manatreha</u> ny fampisehoana ianareo''.
 
Frantsay: ''<u>Assistez</u> au spectacle''. ("Manatreha ny fampisehoana ianareo")
 
=== Filaza mihonohono ===
Tsy ny fiteny rehetra no ahitana ny filaza mihonohono (na mifampiankina). Na ny fiteny latina na ny fiteny grika dia tsy ahitana azy io. Ny fiteny eoropeana taty aoriana no ahitana azy, indrindra ny [[fiteny romana]] na italika izay nateraky ny [[fiteny latina]]. Ny [[fiteny jermanika]] toy ny fiteny anglisy sy ny fiteny alemàna dia ahitana azy koa.
 
Ohatra:
 
Frantsay: ''Jean <u>mangerait</u> s'il avait faim.'' ("(Ho) nihinana i Joany raha noana").
 
Italiana: ''Giovanni <u>mangerebbe</u> se avesse fame.'' ("(Ho) nihinana i Joany raha noana").
 
Portogey: ''João <u>comeria</u> se estivesse com fome.'' ("(Ho) nihinana i Joany raha noana").
 
Espaniola: ''Juan <u>comería</u> si tuviera hambre.'' ("(Ho) nihinana i Joany raha noana").
 
Anglisy: ''John <u>would eat</u> if he were hungry.'' ("(Ho) nihinana i Joany raha noana").
 
=== Filaza ifampiankinana ===
Ny filaza ifampiankinana dia filaza hita amin'ny fiteny sasany toy ny fiteny latina sy ireo fiteny nipoitra avy aminy ary fiteny hafa koa. Ahitana azy koa ny fiteny alemàna sy ny fiteny rosiana. Matetika dia mifampisolo amin'ny filaza mihonohony izy, indrindra ao amin'ireo fiteny romana toy ny fiteny frantsay sns. Ny filaza ifampiankinana dia matetika hita ao amin'ny fehezankevitra miakina ka izany dia miankina koa amin'ny teny sasany (matoanteny na teny hafa toy ny [[mpampiankina fehezankevitra]] sasany) izay hita ao amin'ny fehezankevitra iakinana. Ny fiteny anglisy dia tsy dia ahitana firy ny fampiasana io filaza io sady tsy manana endrika miavaka tsara amin'ny filaza tsotra, na raha ny tena marna ny [[Endrika tsy mitanisa|endrika tsy mitanisa,]] izy ao amin'io fiteny io.
 
Ohatra:
 
Anglisy: ''It is necessary that he <u>see</u> a doctor'' ("Tokony hanatona mpitsabo izy")
 
Alemàna: ''Es lebe der König!'' ("Ho ela valona anie ny mpanjaka !")
 
Frantsay: ''Qu'ils vivent jusqu'à leur vieillesse'' ("Ho velona mandra-pahantitra anie izy")''.''
 
=== Filaza mirary ===
Ny filaza mirary dia filaza hita amin'ny fiteny sasany ka entina ilazana ny firariana (tsara na ratsy). Tsy ny fiteny rehetra no ahitana azy io. Ahitana azy ny fiteny grika taloha, ny fiteny persana taloha, ny fiteny sanskrita, ny fiteny albaney, ny fiteny japoney, ny fiteny finoa ary ny fiteny torka.
 
Ohatra:
 
Finoà: ''Älköön ketään pidätettäkö mielivaltaisesti'' ("Tsy tokony hisy olona gadraina tsy amin'antony")
 
Japoney: W''atashi wa asoko ni ikitai'' ("Te hankany aho").
 
Torka: ''Sinemaya gidelim'' ("Ndeha ho any amin'ny sinema").
 
Albaney: ''U bëfsh 100 vjeç!'' ("Hahatratra 100 taona anie ianao !")
 
Grika taloha: <u>''Γένοιτό''</u> ''μοι κατὰ τὸ ῥῆμά σου''. ("Ho tanteraka amiko araka ny teninao anie iany") (Liokoa 1.38).
 
== Endri-matoanteny lazaina fa filaza koa ==
Ny endri-matoanteny toy ny endrika tsy mitanisa sy ny ova-matoanteny ary ny endri-matoanteny toejavatra dia lazaina ao amin'ny fitsipitenin'ny fitey eoropeana ho isan'ny filaza koa.
 
=== Endrika tsy mitanisa ===
Ny [[endrika tsy mitanisa]] dia endriky ny matoanteny tsy miova na tsy dia misy fiovana firy ka matetika afaka mitana ny anjara asa sahanin'ny sokajin-teny anarana.
 
=== Ova-matoanteny ===
Ny [[ova-matoanteny]] dia endriky ny matoanteny izay sady azo ampiasaina amin'ny maha matoanteny azy no afaka misahana ny anjara asan'ny mpamari-toetra.
 
=== Endri-matoanteny toejavatra ===
Ny [[endri-matoanteny toejavatra]] dia endriky ny matonteny izay matetika afaka mitana ny anjara azan'ny fameno toejavatra.
 
== Jereo koa: ==