Ôtniela: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-2:
I [[Otniela]] na [[Otniela|Hôtniela]] dia mpitsara israelita. Isan'ireo atao hoe mpitsara lehibe izy. ''Otniel Ben Knaz'' (עתניאל בן קנז) no anarany feno amin'ny teny hebreo, izay azo gasina hoe ''Otniela zanak'i Kenaza''. (Mpit. 3.8-11). Mety hidika hoe "Heriko Andriamanitra" na "Namonjy ahy Andriamanitra" ny hevir'i anarana io<ref><small>Jack M. Sasson (20 May 2014). [https://books.google.com/books?id=25ezAwAAQBAJ&pg=PA146 ''Judges 1-12: A New Translation with Introduction and Commentary'']. Yale University Press. p. 146. <nowiki>ISBN 978-0-300-19033-5</nowiki>.</small></ref>. I Kosama-Riseataima, mpanjakan'i Arama no nifanandrina taminy. Tamin'ny androny dia nandry fehizay tanatin'ny 40 taona i Israely. Izy no mpitsara voalohany tao Israely ary i [[Ehoda]] no nandimby azy.
 
Isan'ny [[Fokon'i Jodà|fokon'i Joda]] izy ary i Kenaza izay zandrin'i Kaleba no rainy. Izy no mpitsara voalohany nandimby an'i [[Josoa]] (na Josoe). Ao amin'ny [[Bokin'i Josoa]] sy ny [[Bokin'ny Mpitsara]] (Mpits. 1 sy 3) no ahitana ny tantarany.
 
Nandresy an'i Hebrona teo akaikin'i Beni-Anaka i Kaleba tao atsimo, izay avy amin'ny fokon'i Joda. Naka ny tananàna Kiriata-Seferay ny zana-drahalahiny atao hoe Otniela, zanak'i Kenaza. Izy koa dia niady amin'ny Edômita. Niditra tao amin'ny tany [[Kanaana (faritra)|Kanana]] i Kosama-Riseataima, mpanjaka avy any amin'ny faritr'i Eofrata, mba hanafika sy haka koa an'i Ejipta. Resin'i [[Farao]] anefa izy ka nanao taridositra nitondra ny tafika sady nandroba ny firenena izay nolalovany. Nahangona tafika i Otniela ka afaka nanenjika sy nandroaka azy.
 
== Jereo koa : ==