Fahababoana tany Babilôna: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-2:
Ny [[fahababoana tany Babilona]] na [[Fahababoana tany Babilona|fahababoana babiloniana]] na [[Fahababoana tany Babilona|sesitany tany Babilona]] dia fotoana teo amin'ny tantaran'ny Jiosy izay nanaovana sesitany olona maro avy amin'ny [[Fanjakan'i Jodà]] rava ho any Babilona.
 
Taorian'ny ady nifanaovana tao Karkemisa tamin'ny taona 605 tal J.K., ny mpanjakan'i Babilona, Nebokadnetsara, dia nanao fahirano an'i Jerosalema, ka nampandoa "hetra" ny mpanjaka [[Joiakima]] (na Joakima)<ref><small>Coogan, Michael (2009). ''A Brief Introduction to the Old Testament''. Oxford: Oxford University Press.</small></ref>. Nanda ny hanome haja an'i Nebokadnetsara i Joiakima tamin'ny faha-4 taona nitondran'i Nebokadnetsara, ka niteraka fahirano vaovao tamin’ny faha-7 taona nitondran'i Nebokadnetsara, izay nahafaty an'i Joiakima sy ny fanaovan-tsesitany ny mpanjaka Jekonia[[Joiakina]] (na Joasina) sy ny tandapany ary ny hafa koa. Ny mpandimby an'i JekoniaJoiakina, dia i Zedekia, sy ny hafa koa dia nasesitany tamin'ny faha-18 taona nanjakan'i Nebokadnetsara; nisy koa ny fanaova-tsesitany taty aoriana tamin'ny faha-23 taona nitondran'i Nebokadnetsara. Ny daty sy ny isan'ny fanaovan-tsesitany ary ny isan'ny natao sesitany voalaza ao amin’ny Baiboly dia viovaova<ref><small>Moore, Megan Bishop; Kelle, Brad E. (2011). ''[https://books.google.co.uk/books?id=Qjkz_8EMoaUC&pg=PA357&dq=babylonian+deportations+are+dated&hl=en&sa=X&ved=0CCcQ6AEwAWoVChMIrsTls8mHxgIVJlrbCh1e5ADA#v=onepage&q=babylonian%20deportations%20are%20dated&f=false Biblical History and Israel S Past: The Changing Study of the Bible and History]''. Wm. B. Eerdmans Publishing. pp. 357–58. <nowiki>ISBN 0802862608</nowiki>.</small> </ref>. Ireo sesitany ireo dia niseho voalohany tamin'ny taona 597 tal. J.K. ka narakarahin’ny hafa tamin’ny taona 587.586 tal. J.K. ary tamin'ny taona 582/581 tal. J.K.<ref><small>Dunn, James G.; Rogerston, John William (2003). ''Eerdmans Commentary on the Bible''. Wm. B. Eerdmans Publishing. p. 545. <nowiki>ISBN 978-0-8028-3711-0</nowiki>.</small></ref>.
 
Taorian'ny fandavoan'ny mpanjakan'i [[Persia, dia i]] (Kirosy Lehibe,) an'i Babilona tamin'ny taona 539 tal. J.K. dia nahazo alalana hiverina any Jodà ireo Jiosy nasesitany<ref><small>Jonathan Stökl, Caroline Waerzegger (2015). ''Exile and Return: The Babylonian Context''. Walter de Gruyter GmbH & Co. pp. 7–11, 30, 226.</small></ref> <ref><small>''Encyclopaedia Judaica''. 3 (2nd ed.). p. 27.</small></ref>. Araka ny [[Bokin'i Ezra]] (na Bokin'i Esdrasa) dia nanomboka tokony ho tamin'ny taona 537 tal. J.K. ny fanamboarana indray ny [[Tempolin'i Jerosalema]]. Izany zava-nitranga rehetra izany dia heverina ho zava-dehibe eo amin'ny tantara sy ny kolontsaina jiosy sady nisy vokany lehibe tamin'ny fivoaran'ny fivavahana jiosy.
 
Misy fikarohana arkeolojika izay naneho fa tsy ny mponin'i Jodà rehetra tsy akory no nasesitany ary na dia noravana tanteraka aza i Jerosalema, nisy ampahany amin'i Jodà izay nonenan'olona nandritra ny fotoan'ny fahababoana<ref><small>Stern, Ephraim (November–December 2000). "The Babylonian Gap". ''Biblical Archaeology Review''. 26 (6).</small></ref>. Ny fiverenana avy any am-pahababoana dia niandalana fa tsy indray mandeha, ary maro ireo olona nasesitany na ny taranany izay tsy niverina tany Jodà ka lasa razamben'ireo Jiosy irakiana.