Tenim-pinoana: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Pejy momba ny fivavahana
(Tsy misy mahasamihafa)

Endrik'io pejy io tamin'ny 3 Janoary 2019 à 17:44

Ny tenim-pinoana na dôgma (soratana koa hoe dogma) dia petra-kevitra tsy azo iverenana hamboarina indray momba ny foto-papianaram-pinoana izay ambara fa fahamarinana tsy azo ovana momba ny finoana.

Ny tenim-pinoana dia mety ho vokatry ny fanambaràn'Andriamanitra ao amin'ny Soratra masina na avy amin'ny lovam-pinoana (na lovantsofina) sady ambaranan'ny fahefam-piangonana tsy azo lavina. Amin'ny ankapobeny dia tamin'ireo fifandirana momba ny fampianaram-pinoana no nandraiketana ny ankamaroan'ny tenim-pinoana ka nenti-nanorina ny atao hoe fampianarana marina sady nanoherana ireo atao hoe fampianaran-diso na herezia.

Jereo koa: