Prôtestantisma eto Madagasikara: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-15:
 
==== Faha Ranavalona I ====
[[Sary:Ranavalona I.jpg|vignette|278x278px|Ranavalona I]]
Nampitsahatra ny fifandraisana amin’nyamin'ny avy any ivelany sy nanenjika ny Kristiana ny mpanjaka [[Ranavalona I]] (nanjaka teo anelanelan’ny taona 1828 sy 1861), izay nandimby an-dRadama I. Nanjaka ny habibiana sy ny finoanoam-poana ary ny fankahalana vahiny. Ny LMS dia afaka nandika ny [[Baiboly amin'ny teny malagasy|Baiboly tamin'ny teny malagasy]] tamin'ny 01 Janoary 1827 ka ny toko voalohany no vita voalohany. Efa ao anatin'ny fisedrana ny fiangonana teto Madagasikara tamin'izany fotoana izany. Vita dika ny [[Testamenta Vaovao]] tamin'ny taona 1830. Vita dika manontolo ny [[Baiboly]] tamin'ny taona 1835. Vitan'i Baker sy Kitching fanontana printy ny Baiboly malagasy tamin'ny 21 Jona 1835.
 
Tamin'ny taona 1835 dia nambaran'ny mpanjaka [[Ranavalona I]] ny tsy fanekeny ny fisian’ny fivavahana kristiana. Maro anefa ireo Malagasy mbola niaina tamin'ny maha kristiana azy ka niharan'ny fampijaliana sy famonoana ho faty. Voarara ny fananana Baiboly sy ny fanaovana [[batisa]] ary noroahina hody ny misionera.
[[Sary:First Malagasy bible.png|vignette|232x232px|Baiboly malagasy voalohany]]
 
Tamin'ny taona 1837 dia novonoina ny vehivany atao hoe Rasalama noho ny tsy fivadihany tamin'ny finoany. Izy no martiora kristiana voalohany. Maro koa ny Kristiana hafa novonoina noho ny finoany. Tamin'ny taona 1849 no tena nafana ny fanenjehana ireo Kristiana ka ao ny nodorana velona, ny notapahin-doha sy ny navarina amin'ny hantsana.
 
Ligne 27 ⟶ 28 :
 
==== Faha Rasoherina ====
Nandimby an-dRadama II vadiny izay nisy namono [[Rasoherina]] (nanjaka teo anelanelan’ny taona 1863 sy 1868) tamin'ny taona 1863 ka amin'ny ankapobeny dia nihatsara hatrany ny fifandraisana amin'ny vahiny, isan'izany ny misionera. Tsy dia nankasitrahany anefa ny fifandraharana tamin'i [[Frantsa]]. Tonga teto tsy nisy mpanakantsakana ny misionera protestanta anglisy tao amin’ireoamin'ireo fikambanana toa:
 
* ny Misiona anglikana, dia ny ''Church Missionary Society'' (CMS) sy ny ''Society for the Propagation of the Gospel'' (SPG) izay tonga taminny taona 1864;
Ligne 34 ⟶ 35 :
 
==== Faha Ranavalona II ====
[[Sary:Ranavalona II.jpg|vignette|309x309px|Ranavalona II]]
Namoaka didy momba ny famerenana ny fivavahana kristiana ny mpanjakavavy [[Ranavalona II]] (nanjaka teo anelanelan'ny taona 1883 sy 1896), izay nandimby an-dRasoherina. Natao [[batisa]] tamin'ny taona 1869 izy rehefa avy niova finoana ho protestanta ka tsy nekeny ny fivavahan-drazana sady nataony fivavaham-panjakana ny protestantisma.
 
Ligne 52 ⟶ 54 :
Lasa zanatanin'i Frantsa i [[Madagasikara]] tamin'ny taona 1897 nefa tsy nanohana ny misiona katolika i Galliéni na dia tsy nanavakavaka fivavahana.
 
Tsy nahomby nihoatra ny Protestanta ny Katolika noho ny antony maro: tsy fahafahan'ny Malagasy katolika mamaky Baiboly<ref><small>Tsy tena nilaina ny hamakiana izany satria tsy neken'ny Papa ho vakina; tsy mbola voadika amin'ny teny malagasy rahateo ny Baiboly; ny toriteny na ny vakiteny dia nataon'ny misionera katolika ho tsara kokoa raha atao amin'ny teny latina na dia tsy tafita amin'ny Malagasy aza izany.</small></ref>. Sahirana ny Protestanta tamin'ny fotoana nanombohan'ny fanjanahan-tany noho ny nataon'ireo Zezoita (frantsay: ''Jésuites'') izay nampifangaro ny raharaha politika sy ny raharaham-pivavahana ka nanao ny Protestanta ho sakaizan'ny Anglisy sy ho fahavalon'ny Frantsay. Nandefa iraka ny misiona protestanta avy any Parisy, dia ny ''Mission Protestante Française'' (MPF) na ''Société des Missions Evangéliques de Paris'' (SMEP) tamin'ny taona 1897 noho ny fitadiavana fanampiana nataon’ny LMS. Ny misoneran’nymisoneran'ny MPF tonga tamin’izay dia i Lauga sy i Kruger ary i Benjamin Escandre<ref><small>Tantaran'ny Fiangonana, p.69</small></ref>.
 
Maro ireo mpino protestanta niala amin’ny fiangonany noho ny tahotra. Betsaka koa ny trano fiangonana protestanta nalain’ny misionera katolika ho azy na narodana. Naverina tamin’ny Protestanta ihany izy ireo taty aoriana afa-tsy ny fiangonana tao amin'ny faritr'Ambatomanga<ref><small>Tantaran'ny Fiangonana, p.70.</small></ref>.
 
==== Fotoan'ny fahalalahana (1905-1946) ====
Teraka ny fiombonan’nyfiombonan'ny fiangonana protestanta izay atao hoe Komity Intermisionera iraisan'ny misiona protestanta enina (ny ''[[London Missionary Society]]'', ny ''Friends of Foreign Mission Association'', ny ''Mission Protestante Française'', ny ''[[Norwegian Missionary Society|Norvegian Missionary Society]]'', ny ''Lutherian Church of America'', ny ''Lutherian Board of Mission'')<ref name=":2"><small>''Tantaran'ny Fiangonana'' p.71</small></ref> izay hatao hoe Fiombonan'ny Fiangonana Protestanta eto Madagasikara (FFPM) aty aoriana (englisy: ''Federation of the Protestante Churchs in Madagascar'') tamin'ny taona 1913 nefa ny Anglikana tsy niditra ao<ref><small>Raminosoa Marcel (Mpandridra), ''Inona moa ny FFPM ?,'' Antananarivo, 2003, p. 1.</small></ref>. Tamin’io taona 1950 io dia niova anarana ny Komity Intermisonera ka lasa Komitin'ny Protestanta.
 
Nisongadina tamin'ny fanoherana ny mpanjana-tany ny Protestanta. Ireo avara-pianarana malagasy, indrindra ny mpitsabo sy ny pastora, dia nivondrona tanaty fikambanana talohan'ny taona 1920, dia ny ''Vy, Vato, Sakelika'' (VVS). Protestanta ny ankamaroany. Nisy koa antoko politika izay nitaky ny fizakantena sy ny fahaleovantenan'i Madagasikara, dia ny ''[[Mouvement démocratique de la rénovation malgache|Mouvement Démocratique de la Rénovation Malgache]]'' (MDRM) izay niorina tamin’ny 22 Septambra 1946, dia nahitana mpikambana protestanta koa.