Prôtestantisma eto Madagasikara: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
Ny [[Protestantisma eto Madagasikara|protestantisma]] dia efa tonga teto Madagasikara tamin'ny vanim-potoana faha mpanjaka ka laharana faha-2 manaraka ny katolisismaizykatolisisma izy raha ny isan'ny mpino ao aminy no jerena. Ny protestantisma eto Madagasikara dia misy fiangonana maro ka ny roa voalohany tonga teto Madagasikara dia ny [[loteranisma]] sy ny [[kalvinisma]] (na presbiterianisma) izay npoiran’ny [[Fiangonana Loterana Malagasy]] (FLM) sy ny [[Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara]] (FJKM) izay mikambana ao amin'ny [[Fiombonan'ny Fiangonana Protestanta eto Madagasikara]] (FFPM). Tsy ireo ihany no endrika isehoan'ny protestantisma eto Madagasikara amin'izao fotoana izao fa ao koa ireo fiangonana hafa izay tsy dia mahazatra ny Malagasy ny miantso azy hoe "protestanta" na tsy te hatao hoe "protestanta".
 
== Tantarany ==
Andalana faha-6:
 
==== Faha Radama I ====
Tamin'ny faramparan'ny taonjato faha-18 no nidiran'ny fivavahana protestanta eto Madagasikara. Ny fihetsiketsehana momba ny fitoriana ny Filazantsara sy nisahana koa fikarakarana ny maha olona nanomboka teo anelanelan’nyanelanelan'ny taona 1792 sy 1818, izay nipoitra avy amin'ny protestantisma britanika, no nanana tanjona hitory ny Filazantsara amin'ny olona ivelan'i Eoropa. Isan'ireo fikambanana ireo ny [[London Missionary Society|''London Missionary Society'']] (LMS) izay nitondra ny protestantisma teto Madagasikara.
 
Tany amin'ny morontsiraka atsinanan'i Madagasikara any amin'ny faritra betsimisaraka no nivahinian'ireo misionera nalefan'ny LMS tamin'ny 18 Aogositra 1818 -, avy eo izy ireo nankany afovoan-tany. I David Jones sy i Thomas Bevan no nanomboka nitory ny Filazantsara tamin'ireo toerana manodidina an'i Toamasina. Nanorina ny sekoly protestanta voalohany tao Manangareza izy ireo tamin'ny taona 1818.
 
Maty vady ama-janaka ireo misionera ireo ka i David Jones irery no sisa nefa narary koa izy ka nandao an'i Madagasikara ho any [[Maorisy]] mba hitsabo tena tamin'ny taona 1820. Niverina tao Toamasina izy tamin'ny volana Septambra 1820 avy eo nankany Antananarivo niaraka tamin'i Hastie tamin'ny volana Oktobra 1820 fony nanjaka [[Radama I]]. Nanokatra sekoly tao Antananarivo i David Jones tamin'ny volana Desambra 1820.
 
Nankasitraka ny fifandraisana amin'ny vahiny avy any ivelan'i Madagasikara ny mpanjaka [[Radama I]] (nanjaka teo anelanelan’ny taona 1810 sy 1828) ka nahafahan'ny misionera britanika nanorina sekoly sy nampiditra ny fivavahana kristiana teto amin'ny Nosy.
 
==== Faha Ranavalona I ====
Nampitsahatra ny fifandraisana amin’ny avy any ivelany sy nanenjika ny Kristiana ny mpanjaka [[Ranavalona I]] (nanjaka teo anelanelan’ny taona 1828 sy 1861), izay nandimby an-dRadama I. Nanjaka ny habibiana sy ny finoanoam-poana ary ny fankahalana vahiny. Ny LMS dia afaka nandika ny [[Baiboly amin'ny teny malagasy|Baiboly tamin'ny teny malagasy]] tamin'ny 01 Janoary 1827 ka ny toko voalohany no vita voalohany. Efa ao anatin'ny fisedrana ny fiangonana teto Madagasikara tamin'izany fotoana izany. Vita dika ny [[Testamenta Vaovao]] tamin'ny taona 1830. Vita dika manontolo ny [[Baiboly]] tamin'ny taona 1835. Vitan'i Baker sy Kitching fanontana printy ny Baiboly malagasy tamin'ny 21 Jona 1835.
 
Tamin'ny taona 1835 dia nambaran'ny mpanjaka [[Ranavalona I]] ny tsy fanekeny ny fisian’ny fivavahana kristiana. Maro anefa ireo Malagasy mbola niaina tamin'ny maha kristiana azy ka niharan'ny fampijaliana sy famonoana ho faty. Voarara ny fananana Baiboly sy ny fanaovana [[batisa]] ary noroahina hody ny misionera.
 
Tamin'ny taona 1837 dia novonoina ny vehivany atao hoe Rasalama noho ny tsy fivadihany tamin'ny finoany. Izy no martiora kristiana voalohany. Maro koa ny Kristiana hafa novonoina noho ny finoany. Tamin'ny taona 1849 no tena nafana ny fanenjehana ireo Kristiana ka ao ny nodorana velona, ny notapahin-doha sy ny navarina amin'ny hantsana.
Andalana faha-27:
 
==== Faha Rasoherina ====
Nandimby an-dRadama II vadiny izay nisy namono [[Rasoherina]] (nanjaka teo anelanelan’ny taona 1863 sy 1868) tamin'ny taona 1863 ka amin'ny ankapobeny dia nihatsara hatrany ny fifandraisana amin'ny vahiny, isan’izanyisan'izany ny misionera. Tsy dia nankasitrahany anefa ny fifandraharana tamin'i [[Frantsa]]. Tonga teto tsy nisy mpanakantsakana ny misionera protestanta anglisy tao amin’ireo fikambanana toa :
 
* ny Misiona anglikana:, dia ny ''Church Missionary Society'' (CMS) sy ny ''Society for the Propagation of the Gospel'' (SPG) : izay tonga tamin’nytaminny taona 1864;
* ny Misiona loterana norveziana:, dia ny ''Norvegian Missionary Society'' (NMS) (norveziana: ''Norsk Misjonsselskap''): tamin’nytamin'ny taona 1866, ka isan'ny misionera tonga teto ny misionerai John Engh sy i Niels Nilsen;
* ny Misiona frenjy, : ''Friends of Foreign Mission Association'' (FFMA) tamin’ny taona 1867.
 
==== Faha Ranavalona II ====
Namoaka didy momba ny famerenana ny fivavahana kristiana ny mpanjakavavy [[Ranavalona II]] (nanjaka teo anelanelan’nyanelanelan'ny taona 1883 sy 1896), izay nandimby an-dRasoherina. Natao [[batisa]] tamin'ny taona 1869 izy rehefa avy niova finoana ho protestanta ka tsy nekeny ny fivavahan-drazana sady nataony fivavaham-panjakana ny protestantisma.
 
Nifanohana ny Protestanta anglisy sy ny Protestanta frantsay ka nandroso lavitra ny protestantisma teto Madagasikara raha mitaha amin'ny katolisisma na dia nampian'ny fanjakana frantsay aza. Ny ankamaroan'ny mpino protestanta anefa dia mpanara-drian-drano, "mpanao rebik'ondry".
 
==== Faha Ranavalona III ====
Tamin'ny taona 1883 dia efa nanomboka niatrika ady amin’i Frantsa ny tafika malagasy. Nitombo tanjaka hatrany anefa ny Protestanta tamin’ny nahatongavan’nynahatongavan'ny misionera loterana avy amin'ny ''Lutherian Church of America'' (LCA) tamin’ny taona 1888 sy ny ''Lutherian Board of Mission'' (LBM) tamin'ny taona 1890. Nanenika ny Nosy ny fitorian'ny Protestanta ny Filazantsara ka ny Norveziana sy ny Amerikana nankany amin'ny tapany atsimon'ny Nosy fa ny Anglisy kosa nijanona tao afovoan-tany sy tany amin'ny morontsiraka atsinanana.
Tamin'ny taona 1883 dia efa nanomboka niatrika ady amin’i Frantsa ny tafika malagasy.
 
Nitombo tanjaka hatrany anefa ny Protestanta tamin’ny nahatongavan’ny misionera loterana avy amin'ny ''Lutherian Church of America'' (LCA) tamin’ny taona 1888 sy ny ''Lutherian Board of Mission'' (LBM) tamin'ny taona 1890. Nanenika ny Nosy ny fitorian'ny Protestanta ny Filazantsara ka ny Norveziana sy ny Amerikana nankany amin'ny tapany atsimon'ny Nosy fa ny Anglisy kosa nijanona tao afovoan-tany sy tany amin'ny morontsiraka atsinanana.
 
Resy ny tafika malagasy tamin'ny taona 1986 ka niandry izay hataon'ny Vazaha nahazo fahefana ny Kristiana malagasy mbamin'ireo misionera ary ny Malagasy hafa rehetra.
Ligne 47 ⟶ 45 :
Nankahery ara-panahy ny mpino protestanta ny fiorenan'ny tobim-pifohazan'i Soatanàna tamin'ny taona 1894 notarihin-dRainisoalambo.
 
Nisy ny fiampangana ny misionera heverina ho mpiray tsikombakomba tamin'ny Frantsay (fiampangan'ny Malagasy) na tamin'ny Anglisy (fiampangan'ny Frantsay). Maty nisy namono ny misionera toa an-dry William sy Lucy ary Bloson Johnson tany Arivonimamo tamin'ny taona 1895<ref name=":0"><small>Tantaran'ny FJKM: http://fjkmrenneslaval.com/sp-vfa37/tantaranny-fjkm/</small></ref>.
 
=== Vanimpotoan'ny fanjanahan-tany (1896-1960) ===
Ligne 59 ⟶ 57 :
 
==== Fotoan'ny fahalalahana (1905-1946) ====
Teraka ny fiombonan’ny fiangonana protestanta izay atao hoe Komity Intermisionera iraisan'ny misiona protestanta enina (ny ''London Missionary Society'', ny ''ny Friends of Foreign Mission Association'', ''ny ''Mission Protestante Française'', ny ''Norvegian Missionary Society'', ny ''Lutherian Church of America'', ny ''Lutherian Board of Mission'')<ref><small>''Tantaran'ny (TFFiangonana'' p.71)</small></ref> izay hatao hoe Fiombonan’nyFiombonan'ny Fiangonana Protestanta eto Madagasikara (FFPM) aty aoriana (englisy: ''Federation of the Protestante Churchs in Madagascar'') tamin'ny taona 1913 nefa ny Anglikana tsy niditra ao<ref><small>Raminosoa Marcel (Mpandridra), ''Inona moa ny FFPM ?,'' Antananarivo, 2003, p. 1.</small></ref>. Tamin’io taona 1950 io dia niova anarana ny Komity Intermisonera ka lasa Komitin'ny Protestanta.
 
Nisongadina tamin'ny fanoherana ny mpanjana-tany ny Protestanta. Ireo avara-pianarana malagasy, indrindra ny mpitsabo sy ny pastora, dia nivondrona tanaty fikambanana talohan'ny taona 1920, dia ny ''Vy, Vato, Sakelika'' (VVS). Protestanta ny ankamaroany. Nisy koa antoko politika izay nitaky ny fizakantena sy ny fahaleovantenan'i Madagasikara, dia ny ''Mouvement Démocratique de la Rénovation Malgache'' (MDRM) izay niorina tamin’ny 22 Septambra 1946, dia nahitana mpikambana protestanta koa.
Ligne 71 ⟶ 69 :
 
==== Fotoana nanombohan'ny fampitambarana ny fiangonana ====
Tamin'ny taona 1950 dia niforona ny komitin'ny firaisana niarahan'ny Malagasy sy ireo misiona britanika (ny LMS sy ny FFMA ary ny MPF)<ref><small>Tantaran'ny FJKMname=":0" <nowiki>http://fjkmrenneslaval.com/sp-vfa37/tantaranny-fjkm/</nowiki></small></ref>. Tamin'io taona io ihany dia nitambatra ny fiangonana nentin'ireo misionera norveziana (ny ''Norwegian Missionary Society'') sy amerikana (ny ''American Lutheran Church'' sy ny ''Lutherian Board of Mission'') ka nitondra ny anarana hoe [[Fiangonana Loterana Malagasy]] (FLM) ka efa nanana sinodam-paritany enina.
 
Tamin'ny taona 1958 dia niova anarana amin'ny teny malagasy ny fiangonan'ny misionera anglisy sy frantsay ka ny FFMA niova ho Fiangonana Frenjy Malagasy (FFM) tamin'ny taona 1958, ny MPF niova ho Fiangonana ara-Pilazantsara eto Madagasika (FPM) tamin'ny taona 1960, ny LMS niova ho Fiangonan'i Kristy eto Madagasikara (FKM) tamin'ny taona 1962 <ref name=":1"><small>FJKM Rennes-Laval "Tantaran'ny FJKM: 45 taona"</small></ref> <ref><small>Fjkm-ambalavaoisotry "Tsiahy ny tantaran'ny FJKM"</small></ref>.
 
Nandritra ny fanjanahan-tany dia ny LMS sy ny FFMA (ny ''Quakers'' na ''Frends'') no misiona tena natanjaka ka nitambatra tamin'ny misiona protestanta frantsay sy ny misiona loterana izy ireo talohan'ny taona 1960 ka nanangana ny ''Fédération des Églises Protestantes de Madagascar'' (FFPM).
 
==== Amin'izao fahaleovan-tenam-pirenena izao ====
Tamin'ny taona 1968 dia tonga Fiangonana iray nomena ny anarana hoe [[Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara]] (FJKM) ny fikambanan'ny fiangonana telo nohavaozina, dia ny Fiangonana Frenjy Malagasy sy ny Fiangonana ara-Pilazantsara eto Madagasika ary ny Fiangonan'i Kristy eto Madagasikara<ref><small>FJKM Rennes-Laval name="Tantaran’ny FJKM:1" 45 taona"</small></ref>. Niforona koa ny fiangonana anglikana, dia ny [[Eklesia Episkopaly Malagasy]] (EEM) tamin’ny taona 1969.
 
== Ny protestantisma eto Madagasikara amin'izao fotoana izao ==
 
=== Ny sampan'ny protestantisma eto Madagasika ===
 
* Fiangonana loterana: ny [[Fiangonana Loterana Malagasy]] (FLM);
* Fiangonana nohavaozina: ny [[Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara]] (FJKM), ny [[Misiona Evanjelika Teratany eto Madagasikara]] (METM), ny [[Fiangonana Malagasy Tranozozoro Antranobiriky]] (FMTA), ny [[Fiangonana Protestanta Vaovao eto Madagasikara]] (FPVM);
* ny Fiangonana anglikana: ny [[Eklesia Episkopaly Malagasy|Eklesia Episkopaly Malagasy (Anglikana)]] (EEM);
* ny Fiangonana adventista: ny [[Fiangonana Adventista Mitandrina ny Andro Fahafito eto Madagasikara|Fiangonana Adventista Mitandrina ny Andro Fahafito]];
* ny Fiangonana batista: [[Fiangonana Batista Biblika eto Madagasikara]];
* ny Fiangonana pentekotista: [[Fiangonana Pentekotista Mitambatra (Madagasikara)|Fiangonana Pentekotista Mitambatra]].
 
=== Ny fikambanana sy ny fiombonana ===
Mikambana ao amin'ny Fiombonan'ny Fiangonana Protestanta eto Madagasikara (FFPM) ireo fiangonana protestanta lehibe roa dia ny ny Fiangonana Loterana Malagasy sy ny Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara. Izany fiombonana izany dia tanterahina amin'ny fiaraha-mivavaka sy fananganana sehatra na fotodrafitrasa iraisana ara-tsosialy (indrindra ny fampianarana sy ny fitsaboana). Samy mampiasa ny [[Baiboly malagasy|Baiboly protestanta]] ireo Fiangonana ireo ary iombonany koa ny fampiasana boky fihirana sy tiona FFPM. Manana ny lalàm-panorenany manokana sy ny fitsipi-piaraha-miasany ary ny biraony ny FFPM.
 
Ny FJKM sy ny FLM ary ny EEM dia miombona ao amin'ny [[Fiombonan'ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara]] (FFKM) miaraka amin'ny [[Eglizy Katolika Apostolika Romana (Madagasikara)|Eglizy Katôlika Apôstolika Rômanina]] (EKAR).
 
== Jereo koa: ==
Ligne 85 ⟶ 99 :
* [[Kristianisma ao Madagasikara|Kristianisma eto Madagasikara]]
* [[Baiboly malagasy]]
 
== Loharano sy fanamarihana ==