Saraha: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
[[Sary:Sarah Abraham.jpg|vignette|I Saraha sy i Abrahama mampiantrano anjely telo miakanjo fotsy.|300x300px]]
I [[Saraha]] dia vadin'i [[Abrahama (patriarka)|Abrahama]] izay reny niteraka amin'ny fomba mahagaga an'i Isaka na dia antitra sy momba aza. Saray no anarany talohan'ny niovany ho Saraha. Anabavy iray ray fa samy hafa reny amin'i Abrahama izy.
 
== I Saraha ao amin'ny fivavahana jiosy sy kristiana ==
Andalana faha-9:
Niseho Andriamanitra nandritra ny famangiana (Gen. 18.1-15) nataona lehilahy telo nandalo teo amin'ny hazo oaka tao amin'ny tananan'i Mambre (na Mamre) izay nampandrosoin'i Abrahama. Nasain'i Abrahama nanamboatra mofo ho hanin'ny vahiny i Saraha. Ny iray amin'ireo lehilahy telo dia nanambara fa hitoe-jaza i Saraha izay efa antitra ka nihomehy i Saraha. Henon'Andriamanitra izany ka nanomezany tsiny an'i Abrahama. Natahotra i Saraha ka nandainga tamin'ny filazany fa tsy nihomehy izy nefa Andriamanitra nahalala ny marina.
 
Nihevi-tena ho momba ihany i Saraha ka nanolotra an'i [[Hagara]] mpanompo vaviny ho vadin'i Abrahama mba hahazoany zanaka ho azy. Rehefa nitoe-jaza i [[Hagara]] ka hiteraka an'i [[Ismaela]] dia nanambany an'i Saray izay nitaraina tamin'i Abrahama noho izany (Gen. 16). Notanterahin'Andriamanitra ny fanirian'i Saraha dia nitoe-jaza izy ka niteraka an'i [[Isaka zanak'i Abrahama|Isaka]].
 
Ny fahaterahan'i Isaka dia nampanantenain'Andriamanitra an'i Abrahama sy an'i Saraha (Gen. 17.19-21), taorian'ny fanambadiana tsy misy zaza, ka famantarana ny fahasoavana nomen'Andriamanitra azy ireo izany araka ny maha mpandova ny FanekamFanekem-pihavanana an'i Isaka. Voalaza ao amin'ny [[Bokin'i Isaia]] i Saraha amin'ny niterahany ilay zaza nampanantenaina an'i Abrahama hanome taranaka maro an'i Abrahama (Is. 51.2).
 
Maty tamin'ny faha-127 taonany i Saraha dia nelevina tao amin'ny zohy eo amin'ny sahan'i Makpela mifanolotra amin'ny tananan'i Mambre (na Mamre) ao amin'ny tany [[Kanaana (faritra)|Kanana]] (Gen. 23.19).
 
==== I Saraha ao amin'ny Testamenta Vaovao ====
Andalana faha-22:
 
== I Saraha araka ny finoana silamo ==
Ao amin'ny fivavahana silamo dia vady voalohan'ny mpaminany Abrahama i Saraha sady renin'i Isaka. Omen'ny Silamo haja i Saraha noho ny finoany; nefa tsy voalaza mivantana ao amin'ny boky [[Kor'any]] ny anarany sahala amin'i Hagara koa. Tsy nisaraka tamin'i [[Abrahama (patriarka)|Abrahama]] izy nandritra ny fiainany ary na dia momba aza izy dia nampanantenain'Andriamanitra ara-paminaniana fa hiteraka an'i Isaka sy hanana zafikely atao hoe [[Jakoba]].
 
Raha mbola tsy nanan-janaka i Abrahama noho ny hamomban'i Saraha dia tsy nitsaha-nivavaka tamin'Andriamanitra mba hahazoany zazalahy. Nomen'i Saraha an'i Abrahama ny mpanompo vaviny, dia i Hagara mba ho vadiny faharoa. Niteraka an'i Ismaily tamin'i Hagara i Abrahama tamin'ny faha-86 taonany, dia i [[Ismaela]] izay ho lasa mpaminany koa.
 
Telo ambin'ny folo taona taty aoriana dia nanambara tamin'i Abrahama izay efa zato taona Andriamanitra fa na dia momba aza i Saraha dia hiteraka zazalahy ho an'i Abrahama izay hatao hoe Isaka sady ho tonga mpaminanin'Andriamanitra koa. Voalaza ao amin'ny [[Kor'any]] koa ny amin'ny fihomehezan'i Saraha raha nanambara ny hahaterahan'i Isaka ireo anjely. Mety avy amin'ny fototeny izay midika hoe "mihomehy" ny anarana hoe ''Isaka''. (Kor'any 11.69.72).
 
== Jereo koa: ==
Andalana faha-33:
* [[Hagara]]
* [[Ismaela]]
* [[Isaka zanak'i Abrahama|Isaka]]
 
== Loharano ==