Maria (renin' i Jesoa): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-9:
Noho i Maria bevohoka nefa tsy nanao firaisana ara-nofo tamin'i Josefa dia niahiahy azy ho nijangajanga i Josefa ka nieritreritra ny hisaraka aminy mba tsy hanahirana azy, satria araka ny lalàna jiosy dia mety hiharan'ny fitoraham-bato i Maria<ref><small>Agnès Walch, ''Histoire de l'adultère'', Librairie Académique Perrin, 2009, <abbr>p.</abbr> 54.</small></ref>. Nefa nisy anjely nanazava tamin'i Josefa fa nitoe-jaza noho ny herin'ny [[Fanahy Masina]] i Maria sady nandresy lahatra azy ilay anjely mba tsy hanatanterahany ny eritreriny (Mat. 1.18-19).
 
Ao amin'ny tohin'ny tantara dia namangy an'i Elizabeta rahavaviny i Maria sady naneho ny hafaliany taminy (Lio. 1.39-55). Niteraka an'i [[Jesoa]] tao [[Betlehema]] izy (Mat. 2.1-6; Lio. 2.4-7) ka namangy azy mianaka ny mpiandry ondry sy ny [[MagyMajy ao amin'ny Baiboly|majy]] (magy) telo lahy (Mat. 2.7-12; Lio. 2.15-21).
 
Araka ny tetiaran'i Jesoa ao amin'ny Evanjelin'i Matio (Mat. 1.1-17) dia avy amin'ny tranon'ny mpanjaka [[Davida (Baiboly)|Davida]] i Josefa nefa tsy dia mazava loatra ny amin'izany ka miteraka tsy fifanarahan-kevitra ny [[Evanjelin'i Lioka]] (Lio. 3.23-38) satria i Josefa sy i Maria dia samy voalaza fa taranaky ny mpanjakan'i Israely<ref><small>Geoffrey W. Bromiley, ''The International Standard Bible Encyclopedia, Volume 4'', Wm. B. Eerdmans Publishing, 1995, p. 269.</small></ref>.