Bahaisma: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
[[Sary:Bahaistar.jpg|vignette|270x270px|Kintana sivy rantsana ahitana ny soratra izay azo vakina hoe "Yā Bahāʾ al-Abhā" izay midika hoe "Ry Voninahitry ny Be voninahitra indindra!"]]
Ny [[Bahaisma]] na [[Bahaisma|Baha'isma]] na [[Bahaisma|Finoana baha'i]] na [[Bahaisma|Finoana bahay]] dia finoana abrahamika mahaleo tena noentin'ny irak'Andriamanitra iray antsoina hoe [[Baha'u'llah]]. Fivavahana [[Monoteisma|monoteista]] ny finoana bahay. Baha'i na Bahay no iantsoana ireo mpanara-dia ity finoana ity. Ny Baha'i dia mandala ny maha tokana an'Andriamanitra. Ny finoana bahay dia fivavahana abrahamika izay mitory ny maha iray ara-panahy ny olombelona rehetra. Ny mpino bahay dia milaza ny tenany ho mpikambana amin'ny "fivavahana mahaleo tena"<ref><small>Denis MacEoin, [https://fr.scribd.com/document/3550026/Responses-to-Apostacy « Personal allegiance and the loss of balance in Babi and Baha’i studies : A response to Moojan Momen’s ‘‘Marginality and Apostasy’’ »], Religion,‎ 2008 ([[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=https%3A%2F%2Fwww.scribd.com%2Fdoc%2F3550026%2FResponses-to-Apostacy tahiry]])</small></ref> .
 
Ilay Persana atao hoe Mīrzā Ḥusayn-ʿAlī Nūrī (1817-1892) no nanorina azy tamin'ny taona 1863. Ny anarana hoe ''Baha'u'llah'' dia midika hoe "Voninahitr'Andriamanitra" izay atao amin'ny teny arabo mitovy dika amin'io hoe ''Bahāʾ-Allāh''. Mpianatr'i Bahāʾ-Allāh ny mpino bahay. Ny finoana bahay dia manana foibetoerana mihoatra ny 100000 eran-tany ka ao Haifa no foibeny fara tampony. Tamin'ny taona 2011 dia niisa 7.000.000 any ho any ny mpino bahay izay avy amin'ny foko 2100 samihafa miparitaka amin'ny firenena 189 <ref><small>[https://info.bahai.org/bahai-world-community.html "The Bahá’í World Community"] [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Finfo.bahai.org%2Fbahai-world-community.html tahiry]]</small></ref>. Ny ivotoerana ara-panahy, izay nanaovana fivahiniana masina (''ziyarat'') sady ivotoeran'ny fitantanan-draharaha dia ao Haifa sy ao Acra any Israely.