Fariseo: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-1:
Ny [[Fariseo]] ireo [[Jiosy]] amin'ny antoko iray tao [[Jodea]] nandritra ny vanimpotoan'ny Tempoly Faharoa, izany hoe tamin'ny taonjato faha-2 tal. J.K. sy ny taonjato voalohany taor. J.K. Atao hoe farisaisma na farizianisma ny firehan-kevitra ara-pivavahan'izy ireo. Maro ireo fampianaran'ny Fariseo izay tafakambana ao amin'ny lovatsofin'ny Raby. Miavaka ny fampianaran'ny Fariseo noho izy mifototra amin'ny [[Torah am-bava]] mba handraiketana ny lalàna jiosy. Ny tena loharano manoritsoritra ny amin'ny Fariseo dia ny boky nosoratan'i Flavio Josefa sy ny [[Testamenta Vaovao]] ary ny soratr'ireo [[Raby]].
 
== Ny anarany ==
Ao amin'ny soratr'i Flavio Josefa no nahitana voalohany ny firesahana ny amin'ny Fariseo<ref><small>Simon Claude Mimouni, ''Le Judaïsme ancien du'' vi''e siècle avant notre ère au'' iii''e siècle de notre ère : Des prêtres aux rabbins'', PUF, coll. « Nouvelle Clio », 2012 (1<nowiki>ISBN 978-2130563969</nowiki>), <abbr>p.</abbr> 235</small></ref> raha tantarainy ny nisarahan'i Joany Hirkana tamin'io antoko io ka nikambana tamin'ny [[Sadoseo]]<ref><small>Mireille-Hadas (2)Lebel, ''Le contexte historique des débuts du Talmud : Le conflit entre pharisiens et saducéens'', conférence pour ''Akadem'', campus numérique juif, 28/05/2007, [http://www.akadem.org/sommaire/themes/histoire/ere-biblique/juifs-et-grecs/le-conflit-entre-pharisiens-et-saduceens-28-05-2007-6949_51.php conférence en ligne] [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fwww.akadem.org%2Fsommaire%2Fthemes%2Fhistoire%2Fere-biblique%2Fjuifs-et-grecs%2Fle-conflit-entre-pharisiens-et-saduceens-28-05-2007-6949_51.php tahiry]]</small></ref>. Tamin'io fotoana io ihany koa no nampalaza ny firesahana ny amin'ny Fariseo ao amin'ny Filazantsara.
 
Ny teny hoe Fariseo dia avy amin'ny [[teny grika]] hoe Φαρισαῖος / ''Pharisaios'' izay avy amin'ny [[Fiteny arameana|teny arameana]] hoe פְּרִישָׁא / ''P<sup>e</sup>rîshâ'' (פְּרִישַׁיָּא / ''P<sup>e</sup>rîshayyâ'' raha amin'ny endrika milaza maro) izay midika hoe "voasaraka". Io indray dia mifandray amin'ny teny hebreo hoe פָּרוּשׁ / ''pârûsh'' (פְּרוּשִׁים / ''p<sup>e</sup>rûshîm'' raha amin'ny endrika milaza maro). Avy amin'ny matoanteny hebreo hoe פָּרַשׁ / ''pârash'' izay midika hoe "manambara" na "manasaraka" na "manazava".
 
== Ny tantarany ==
 
==== Ny fiaviany ====
Araka ny lovantsofina rabilika dia taranak'ireo Olonkendry tao amin'ny Sinagoga Lehibe (כְּנֶסֶת הַגְּדוֹלָה / ''Knesset HaGuedolah'') ny Fariseo. Efa hatramin'i Simona ilay marinaMarina (angamba ny mpisoronabe Simona II izany) sy i Antigona avy ao Sokho ny fireham-pisainan'ny Fariseo.
 
Tsy mazava anefa ny tena fiaviany, sahala amin'ny an'ny Sadoseo koa<ref name=":0"><small>Michael Wise, Martin Abegg et Edward Cook, ''Les Manuscrits de la mer Morte'', Paris, éd. (7)Perrin, 2003, <abbr>p.</abbr> 29.</small></ref>. Nisandratra amin'ny maha antoko azy ny Fariseo taorian'ny fikomian'ny makabeoMakabeo sy ny fiakaran'ny taranaka hasmoneana teo amin'ny fitondrana tao [[Jodea]]. Ny petra-kevitra sasany dia milaza fa taranaky ny atao amin'ny [[teny hebreo]] hoe Hasidim ("Tia vavaka") izay nanda tsy nanaraka ny fomba amam-panao grika teo ambany fanjakanfanapahan'i Antiokosy Epifansesyy IV ny Fariseo<ref><small>Simon (8)Claude Mimouni, ''Le judaïsme ancien du <abbr>VIe</abbr> siècle avant notre ère au <abbr>IIIe</abbr> siècle de notre ère'', 2012, Paris, éd. PUF, <abbr>p. 234</abbr></small></ref>.
 
Niantehitra tamin'ny olona ao amin'ny saranga anelanelany, izay nanana fari-piainana ampy noho ny fandrosoana ara-toekarena, ny Fariseo. Nanampy azy ireo tamin'ny fanaparitahana ny fandalinana ny lalàna tany ivelan'ny toerana mahazatra mifandray amin'ny [[Tempolin'i Jerosalema]] izany toe-javatra izany. Izany fandrosoan'ny toekerena izany dia niteraka ny filana ireo mpanoradalana manam-pahaizana momba ny lalàna, nefa tsy vaotery ho [[mpanoradalàna]] miankina amin'ny Tempoly izany<ref><small>Joachim Schaper, "The Pharisees", dans ''The Cambridge History of Judaism : The Early Roman Period'', <abbr>vol.</abbr> 3, Cambridge University Press, 1999 (13<nowiki>ISBN 978-0521243773</nowiki>), <abbr>p.</abbr> 402-427, <abbr>p.</abbr> 405</small></ref>.
 
==== Tsy fifanarahany tamin'ireo antoko hafa ====
Araka an'i Flavio Josefa dia tamin'ny lafin'ny foto-pinoana no tsy nifanarahan'ny Fariseo tamin'ny [[Sadoseo]] sy ny [[Eseniana]], syary tamin'ny lafiny fampiharana ny tokony ho fitondran-tena eo amin'ny fiainana andavanandro, izany hoe momba ny ''halakha''<ref><small>Joachim Schaper, "The Pharisees", dans ''The Cambridge History of Judaism : The Early Roman Period'', <abbr>vol.</abbr> 3, Cambridge University Press, 1999 (14<nowiki>ISBN 978-0521243773</nowiki>), <abbr>p.</abbr> 402-427, <abbr>p.</abbr> 407</small></ref>. Nisafidy ny hampifanaraka ny fototry ny halakha amin'ny zava-misy ny Fariseo nanoloana io fiovana ara-piarahamonina sy ara-toekarena io, mba hahatonga azy ireo tsy hilaozan'ny toetrandro<ref><small>Joachim Schaper, "The Pharisees", dans ''The Cambridge History of Judaism : The Early Roman Period'', <abbr>vol.</abbr> 3, Cambridge University Press, 1999 (15<nowiki>ISBN 978-0521243773</nowiki>), <abbr>p.</abbr> 402-427, <abbr>p.</abbr> 409</small></ref>. Nekeny ny fivoarana miandalan'ny fivoasana ny lalàna. Ny lalàna am-bava (Torah am-bava izay atao jhoehoe koa "lovantsofin'ny razana") no iankinany amin'izany. mampiavakaMampiavaka ny fisainan'ny Fariseo io atao hoe Torah am-bava io izay nivoatra hatramin'ny vanimpotoana persiana.
 
Nifanohitra ny Eseniana (antokon'ny Ranomasina matyMaty) sy ny Fariseo araka ny soratanam-piraketana iray tao amin'ny Ranomasina maty<ref><small>Joachim Schaper, "The Pharisees", dans ''The Cambridge History of Judaism : The Early Roman Period'', <abbr>vol.</abbr> 3, Cambridge University Press, 1999 (9<nowiki>ISBN 978-0521243773</nowiki>), <abbr>p.</abbr> 402-427, <abbr>p.</abbr> 406</small></ref>, ka ireto ireo zavatra tsy nifanarahana ireo: ny fahadiovana takin'ny fombam-pivavahana, ny ny firavoravoana, ny fitantanana ny Tempoly ary ny mpisorona. Tsy mitovy ny fahazoan'izy ireo ny Lalàna. Eken'ny FriseoFariseo ny ampifanarahanafampifanarahana ny Lalàna amin'ny zava-misy iainana fa ny Eseniana kosa mandray amin'ny fomba hentitra ny Lalàna, ka aleony mifady ny fanao sarotra toy izay ho azon'ny fahalotoana ara-pivavahana.
 
==== Fiantraikan'ny fisainan'ny Fariseo ====
Ilay fampifanarahana amin'ny zava-misy nataon'ny Fariseo dia nahatonga azy ireo hanaiky ny fiakaran'ilay Hasmoneana atao hoe Simona eo amin'ny asan'ny mpisoronaasam-pisoronana, na dia tsy taranaky nytaranak'i Zadoka na Sadoka (Zadokida/Sadokida) aza izy. Tamin'ny fanapahan'ny Hasmoneana dia nifaninana tamin'ny [[Sadoseo]] sy ny antoko hafa ny Fariseo teo amin'ny fitarihana ara-panahy an'i Jodea sy ny vahoaka jiosy. Nankasitrahin'ny maro anisa<ref (7)name=":0" /> izay nahitana tantsaha sy tandrenivohitra tia vavaka ny antokon'ny Fariseo. Ny Sadoseo kosa dia niaro ny tombontsoan'ny saranganan'ny mpisorona izay nifamatotra hatrizay tamin'ny fahefana ara-politika. Tamin'ny andron'i Joany Hirkana dia nandaitra teo amin'ny vahoaka ny hevitry ny Fariseo sady nanakaiky kokoa ny mpitondra izy ireo. Tsy nankasitraka ny fitiavan'i Hirkana manita-panjakana sy ny faty olona ary ny herana lany aterak'izany anefa izy ireo. Tsy nankasitrahan'ny sasany tamin'izy ireo koa ny fivangongoan'ny fahefana ara-politika sy ara-pivavahana amin'nyolon-tokana<ref><small>Joachim olonaSchaper, anankiray"The Pharisees", dans ''The Cambridge History of Judaism : The Early Roman Period'', <abbr>vol.</abbr> 3, Cambridge University Press, 1999 (16<nowiki>ISBN 978-0521243773</nowiki>), <abbr>p.</abbr> 402-427, <abbr>p.</abbr> 412</small></ref>. Noho izany dia nihavery ny toeran'izy ireo tao amin'ny lapan'ny Hasmoneana. Neken'izy ireo ny niakaran'i Heroda I Lehibe teo amin'ny fitondrana na dia taranaka idomeanaIdomeana (edomitaEdomita) aza izy, satria afaka niantoka ny fandriam-pahalemana sy ny fahaleovan-tenan'ny fivavahana i Heroda<ref><small>Joachim Schaper, "The Pharisees", dans ''The Cambridge History of Judaism : The Early Roman Period'', <abbr>vol.</abbr> 3, Cambridge University Press, 1999 (17<nowiki>ISBN 978-0521243773</nowiki>), <abbr>p.</abbr> 402-427, <abbr>p.</abbr> 417</small></ref>. Ho setrin'izany dia nankasitrahan'ny vahoaka i Heroda noho ny namelany malalaka ny Fariseo.
 
Lazain'i Flavio Josefa ho mpikatsaka fahefana politika ny Fariseo. Tamin'ny fanapahan'ny mpanjakavavy Salome Aleksandra dia nanara-maso ny fahefana politika izy ireo sady nifehy ny fanompoam-pivavahana tao amin'ny Tempoly. Tsy misy anefa porofo ahafaha-milaza fa izy ireo no antoko natanjaka indrindra nandritra ny vanimpotoana hasmoneana sy romana<ref><small>Lester L. Grabbe, ''Judaic Religion in the Second Temple Period : Belief and Practice from the Exile to Yavneh'', Routledge, 2000 (18<nowiki>ISBN 0-415-21250-2</nowiki>), <abbr>p.</abbr> 185-199, <abbr>p.</abbr> 199</small></ref>.
 
==== Toeran'ny Fariseo teo amin'ny jodaisma rabilika ====
Tamin'ny fandravan'ny Romana an'i Jerosalema sy ny Tempoly (taona 70 taor. J.K.) dia nandamina ny sisa tamin'ny jodaisma ny Tanaim sady nampisandratra ny jodaisma rabinika. Nanjary nanjaka tao ny fomba fijerin'ny Fariseo, na dia hita tao koa ny hevitr'ireo antoko hafa<ref><small>Joachim Schaper, "The Pharisees", dans ''The Cambridge History of Judaism : The Early Roman Period'', <abbr>vol.</abbr> 3, Cambridge University Press, 1999 (<nowiki>ISBN 978-0521243773</nowiki>), <abbr>p.</abbr> 402-427, <abbr>p.</abbr> 427</small></ref>. Ny fisainan'ny Fariseo no hany afaka nifanaraka amin'ny tsy fisian'ny Tempoly sady nanana rafitra afaka mifanaraka amin'ny toe-javatra vaovao. Ny fitenenana hoe "farisaisma" dia tsy ampiasaina intsony satria nifangaro tamin'ny jodaisma tanaitika izany.
 
Tsy atao hoe Fariseo anefa ireo Olonkendrin'ny lahatsoratra talmodika. Misy loharanon-tsoratra roa anefa manao ny Tanaima ao amin'ny fianakavian'i Gamliel<ref><small>Lester L. Grabbe, ''Judaic Religion in the Second Temple Period : Belief and Practice from the Exile to Yavneh'', Routledge, 2000 (<nowiki>ISBN 0-415-21250-2</nowiki>), <abbr>p.</abbr> 185-199, <abbr>p.</abbr> 194</small></ref> ho Fariseo, dia ny rabban Gamliel Zokiny, izay resahina ao amin'ny [[Asan'ny Apostoly]] (Asa 5.34)sy i Shimon ben Gamliel I, izay resahina ao amin'ny ''Autobiographie'' nataon'i Flavio Josefa (toko faha-38).
 
== Ny fariseo sy ny fivavahana kristiana ==
Maro ireo mpanoratra mihevitra fa maneho ny zava-nisy marina tamin'ny vanimpotoan'i Jesosy ny lahatsoratra ao amin'ny Filazantsara ka milaza fa tandindon'ny fihatsaram-belatsihy sy ny fanarahana fombafomba tafahoatra eo amin'ny sehatry ny fivavahana ny Fariseo sy ny fampianarany (farisaisma). Tandindon'ny fanaovana tsinontsinona ny hafa izay heverina ho ambany toetra ny Fariseo.
 
==== Fitsikerana ny Fariseo ====
Nitsikera matetika ny Fariseo i Jesosy, idrindra ny amin'ny fanizingizinan'izy ireo ny lalàn'ny fombam-pivavahana sy ny fanao momba ny fahadiovana. Nanozona ny Fariseo i Jesosy araka ireo Filazantsara ireo, ohatra ao amin'ny [[Evanjelin'i Matio]] (Mat. 23.13; 23.16).
 
Ao amin'ny Evanjelin'i Lioka ilay fanoharana ny amin'ny Fariseo sy ny mpamory hetra (mpiasan'ny fanjakana romana izay tena tsy tian'ny mponina) dia maneho ny fahambonian'ny mpamory hetra, izay niaiky ny maha mpanota azy ka nanagataka ny famindram-pon'Andriamanitra, raha miohatra amin'ny Fariseo izay manadra-tena amin'ny fitandremany ny fitsipika ka mihevi-tena ho ambony niho ny hafa<ref><small>Roger Martin du Gard, ''Les Thibault'', 1922, p. 732</small></ref>.
 
Raha ny tena marina dia ny Fariseo mpihatsara velatsihy no tsikerain'i Jesosy (Mat. 6), izany hoe ireo tsy mampisy dikany ny tsy manam-pahaizana sy ny mpanota araka ny fitsarany azy ireo amin'ny lalàny (Lio. 18.9-14), izay manome lanja tafahoatra ny fisehoana ivalany amin'ny fivavahana ka miavonavona eo anatrehan'Andriamanitra, sady mihevitra fa manam-pahefana amin'Andriamanitra amin'ny fanatanterahan'izy ireo ny fanaony (Mat. 20.1-16; Lio. 15).
 
Tsy mety mihaino ny fampianatan'i Jesosy ny Fariseo (Joa. 8.13; 9.13-40). Voatsikera ny fandraisany ara-bakiteny ny Lalàna sy ny fametrahany fahamarinana aorina amin'ny asan'ny olona ka te hanery an'Andriamanitra hanome valisoa azy ireo.
 
==== Fariseo nifandray tamin'i Jesosy ====
Na dia mandà ny fampianaran'i Jesosy aza ny ankamaroan'ny Fariseo dia nisy ihany ireo izay nankasitraka ny hafany ka nandray azy hiara-misakafo aminy (Lio. 7.36; 11.37; 15.1), ireo izay niaro azy (Lio. 13.31; Joa. 7.50), ireo izay niaro ny Kristiana (Asa 5.34-42) - ary ireo izay nino fa tanteraka ao amin'i Jesosy ny finoana jiosy (Asa. 15.5).
 
==== Fariseo tonga kristiana ====
Nisy koa ireo Fariseo izay tonga Kristiana ka ny sasany niseho ho fatra-panaja ny lalàna (Asa 15.5-16). Fariseo niova ho Kristiana i [[Paoly (apostoly)|Paoly]] (Asa 26.5; Filipiana 3.5).
 
== Jereo koa: ==
Ligne 31 ⟶ 54 :
* [[Raby]]
* [[Mpanoradalàna]]
 
== Loharano ==