Isbôseta: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Pejy momba ny tantaran'i Jiosy
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Nanitatra
Andalana faha-1:
I [[Isboseta]] izay atao hoe [[Isboseta|Isbaala]] dia zanak'i Saoly nasandratra ho mpanjakan'i Israely tamin'ny taona 1007 tal. J.K. nandimby an-drainy nefa tsy nanjaka afa-tsy tamin'ny foko 11n'i Israely izy satria i [[Davida (Baiboly)|Davida]] koa dia nasandratra ho mpanjakan'ny fokon'i Jodà tamin'io fotoana io ihany. maty nisy namono izy tamin'ny taona 1005 tal. J.K. Roa taona no naharetan'ny fanjakany. Ao amin'ny amin'ny [[Boky faharoan'i Samoela]] ao amin'ny [[Baiboly]].
 
== Ny anarany ==
Araka ny [[Tanakh|Baiboly hebreo]] dia אִֽישְׁבֹּשֶׁת‬ / ''Ishboshet'' na ''Eshboshet'' na אֶשְׁבַּעַל‬ / ''Eshbaal'' na ''Ashbaal'' ny anaran'ny iray amin'ny zanaka lahy efar'i Saoly. Ny teny hoe Isbaala dia midika hoe "Olon'i Baala". I Baala dia anaran'ny andriamanitry ny Semita sy ny Kananita ary ny Fenisiana (na Foinikiana).
 
== Ny tantarany ==
Ao amin'ny Boky faharoan'i Samoela no ahitana ny tantaran'i Isbaala (2Sam. 2.8–4.12). Zanak'i Saoly tamin'i Akinoama zanakavavin'i Ahimaaza izy sady teraka tamin'ny taona 1047 tal J.K.
 
Taorian'ny nahafatesan'i Saoly sy ireo zany lahy telo, dia i Jonatana sy i Abinadaba ary i Malkisoa, tamin'ny ady teo amin'ny Tetndrombohitra Gilboa, dia i Isboseta, izay efapolo taona tamin'izay, no sisa velona ka nasandratr'i Abnera mpitari-tafik'i Saoly, ho mpanjaka tao Mahanaima. I Davida zanak'i Jese anefa efa nambara ho mpanjakan'ny fokon'i Jodà (2Sam. 2.4). Tsy nanjaka afa-tsy roa taona (2Sam. 2.11) i Isboseta sady tsy nanapaka afa-tsy tamin'ny foko 11n'i Israely ihany.
 
I Davida sy i Isboseta dia niady matretika ka ny tafin'i Davida no naharesy (2Sam. 3.1), nefa niova hevitra i Abnera ka nikambana tamin'i Davida taorian'ny adin'i Abnera tamin'i Isboseta (2Sam. 3.8-12). Navelan'i Isboseta ho vadin'i Davida ihany ilay anabaviny (i Mikala) izay tokony homen'i Saoly ho vadiny talohan'ny fifanoherany (2Sam. 3.14-15).
 
Notapahan'ny manamboninahitra roa tao aminy (i Rekaba sy Baana) ny lohan'i Isboseta natory antoandro (2Sam. 4.5) ho valifatin'i Davida amin'ny tranon'i Saoly. Nefa nohelohin'i Davida ho faty izy ireo noho izany vonoan'olona izany dia nalevina tao amin'ny fasan'i Abnera tao Hebrona i Isboseta (2Sam. 4.12).
 
== Jereo koa: ==
 
* [[Mpanjakan'i Israely]]
* [[Mpanjakan'i Jodà]]
* [[Fanjakan'i Israely (mitambatra)|Fanjakan'i Israely mitambatra]]
 
== Loharano sy fanamarihana ==