Hôsea (mpaminany): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Nanitatra
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-3:
 
== Ny anarany ==
Avy amin'ny teny hebreo hoe הוֹשֵׁעַ / ''Hôshea`'') ny anarana hoe Hosea izay midika hoe "vonjeo". mety fanafohezana ny hoe הוֹשֵׁעַיהו izay midika hoe "Mamonjy i Iahveh" (na "Mamonjy i Jehovah" na "mamonjy ny Tompo") na "Mamonje, ry Iahveh" (na "Mamonje, ry Jehovah" na "mamonje, ry Tompo"). Io fototeny io dia hita koa ao amin'ny anarana nogasina hoe ''Josoa'' (na ''Jôsoe'') sy ''Jesoa'' (na ''Jesosy'') ary ao amin'ny teny nogasina hoe ''hosana'' na ''hôzana''. Maro ny olona nitondra io anarana io tamin'ny taonjato faha-8 hatramin'ny faha-7 tal. J.K. Maro ny tombokase sy soratra ahitana io anarana io izay fantatra tamin'izany vanim-potoana izany<ref><small>C. L. Seow, "Hosea, book of", dans David Noel Freedman (3dir.), ''Anchor Bible Dictionary'', <abbr>vol.</abbr> 3, Doubleday, 1992</small></ref>. I Hieronimo (na Jerôma) sy i Isidora avy any Sevila dia nihevitra fa midika hoe "mpamonjy" io anarana io.
 
== Ny fiainany ==
Mpaminanin'i Israely tao amin'ny [[Fanjakan'i Samaria]] na Fanjakana Avaratra i Hosea izay velona tamin'ny andron'ny mpanjaka [[Jeroboama II]] (taona 782-753 tal. J.K.) sy fantatra amin'ny alalan'ny faminaniana mikasika azy izay noraiketin'ireo mpianany an-tsoratra tamin'ireo taompolo voalohan'ny taonjato faha-8 tal. J.K. Ny fiainam-panambadian'i Hosea, izay mpiandry ondry tsotra -, dia lohahevitra mibahana ao amin'ny boky mitondra ny anarany: lasa tandindon'ny fifandraisana eo amin'Andriamanitra sy ny vahoakany izany. Tantaraina ao amin'ny boky fa nahita ny fanitsakitsaham-bady nataon'ny vadiny bnitovynitovy amin'ny mpivaro-tena izy ka nampahory azy izany<ref><small>John (4)L. McKenzie, ''Dictionary of the Bible'', Bruce Publishing company, Milwaukee, 1965, p.373</small></ref>. Ny fanambadiany sy ny fiterahany ary ny anaran-janany dia niaraka tamin'ny faminaniana tantaraina ao amin'ny boky sady midika fifandraisana tsy milamina teo amin'ny vahoaka voafidy tamin'Andriamanita. Oharina amin'ny vady tsy mahatoky izany vahoaka izany satria nanompo sampy. Andriamanitra kosa dia aseho ho ilay vady mahatoky sady tokana izay miteny amin'ny fon'ny vahoaka araka ny [[Bokin'i Hosea]] na Bokin'i Osea (Hos. 2.14) sady manao izay azo atao hamerenana indray izany vady tsy mahatoky izany amin'ny alalan'ny fisedrana azy sady vonona hamela heloka azy raha vao mibebaka izy.
 
== Jereo koa: ==
 
* [[Hosea (mpanjakan'i Israely)]]
 
== Loharano ==