Fitsanganan' i Jesoa ho velona: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Nanao fanitsiana
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Loharano
Andalana faha-1:
Ny [[Fitsanganan'i Jesosy ho velona|fitsanganan'i Jesoa ho velona]] na [[Fitsanganan'i Jesosy ho velona|fitsanganan'i Jesosy tamin'ny maty]] dia isan'ireo tenim-pinoana (na dogma) fototra eo amin'ny [[teolojia]] kristiana sy ny [[kristolojia]] izay ivony. Izao no voasoratra ao amin'ny literatiora tranain'ny kristianisma, ny [[Epistolan'i Paoly|Epistola voalohan'i Paoly]]: "Ary raha tsy nitsangana tamin'ny maty i Kristy dia foana ny finoanay" ([[Korintiana voalohany]] 15.14). Izany tenim-pinoana izany dia manambara fa i Jesosy avy any Nazareta dia nitsangana tamin'ny maty tokoa tamin'ny andro fahatelo aorian'ny nanomboana azy tamin'ny hazo fijaliana. Ao amin'ny [[fanekem-pinoana nikeana]] (na niseana) no ahitana indrindra izany tenim-pinoana izany.
 
Araka ireo [[Evanjely]], taorian'ny nanomboana an'i Jesosy araka ny didin'i Pontio Pilato, sy taorian'ny nahafatesany teo amin'ny [[Hazofijaliana|hazo fijaliana]], dia nalevina i [[Jesosy]]. Roa andro taorian'izany dia hitan'ireo vehivevy namangy ny fasana, indrindra i Maria Magdalena, fa nikodia niala ny vato nanidiana ny fasana izay lasa foana. Niseho tamin'ny mpianany maro i Jesosy taorian'izany, isan'izany ireo [[Apostoly roa ambin'ny folo|Apostoly]] (1jereo: 1Kor. 15. 5-6).
 
Ankalazain'ny Kristiana izany fitsangan'i Jesosy tamin'ny maty izany amin'ny Alahadin'ny [[Paska]], izany hoe telo andro aorian'ny [[Zoma masina]], izay ahatsiarovana ny nanomboana azy tamin'ny hazo fijaliana. Zava-dehibe amin'ny fanavotana izany fitsanganan-ko velona izany ho an'ny Kristiana.
 
== Ny olana ara-tantaran'ny fitsanganan-ko velona ==
Ny fitsanganan'i Jesosy ho velona dia tsy zava-nitranga azo hamarinina fa zavatra momba ny finoana; tsy azon'ny taranja tantara iasana izany<ref><small>Camille Focant, « La Résurrection », in Michel Quesnel et Philippe Gruson (2dir.), ''La Bible et sa culture'', éd. Desclée de Brouwer, 2011, vol. II, <abbr>p.</abbr> 145.</small></ref>. "Mizara dia mizara mandrakariva ny mpanao heviteny ny amin'ny fitsanganan'i Jesosy tamin'ny maty. Isan'ireo voalohany tamin'ny taonjato faha-18 izay niezaka nanaporofo ny fisian'ny hosoka nataon'ireo [[apostoly]] i Reimarus. (...) I David Strauss, izay nantaon'i Ernest Renan malaza tao Frantsa, dia nanao an'izany ho [[Fedrà|angano]] teraka ho azy tao amin'ireo fiangonana kristiana voalohany, indrindra noho ny hakiviana tsy nety nampiononina teo amin'ireo mpianatr'i Jesosy taorian'ny nahafatesany".
 
Hatramin'i Rudolf Bultmann (tamin'ny fiandohan'ny taonjato faha-20) dia "fanao ny manavaka ny finoana ny Fitsanganana amin'ny maty, izay iheverana ny fitsanganan'i Jesoa tamin'ny maty ho zava-nitranga marina tokoa, amin'izay ara-tantara amin'ny heviny hentitra"<ref><small>Simon (3)Claude Mimouni et Pierre Maraval, ''Le Christianisme des origines à Constantin'', Paris, éd. P.U.F., 2006, <abbr>p.</abbr> 128-129.</small></ref>. Tsy afaka hanan-kambara ny mpahay tantara ny amin'io resaka io na amin'ny fitsipahana izany na amin'ny fanohanana izany nefa afaka manamarina izy ireo fa nino ny mpianatr'i Jesosy fa "natsangan'Andriamanitra izy" (4Jereo: Rom. 10.9).
 
Nihevitra ilay mpahay tantara Geza Vermes fa hevitra izay sady fototra no mahavariana ao amin'ny kristianisma ny fitsanganan'i Jesosy tamin'ny maty. Mihevitra izy fa eo anatrehan'ireo hevitra roa mifangarika ireo, etsy an-kilany ny fahamarinan'ilay zava-nitranga azo tsapain-tanana ary etsy an-daniny ny fandavana izany tateraka, dia misy petra-kevitra maro azo heverina hanazavana ireo fijoroana vavolombelona ny amin'ilay Fitsanganan-ko velona, ka isan'izany ny fangalarana ny faty, ny fialana amin'ny hatoranana, ny fahitan-javatra tsy tena izy, na ny fitsanganan-ko velona atao hoe ara-panahy, izany hoe [[Doketisma|doketa]].
Andalana faha-17:
Ny [[Epistolan'i Paoly]], ny toriteny sy ny epistolan'i [[Petera]] (na [[Piera (apostoly)|Piera]]) ao amin'ny [[Asan'ny Apostoly]] dia mitantara fa maty novonoina i Jesosy nefa natsangan'Andriamanitra tamin'ny maty; ary ireo [[Apostoly]] sy olona maro hafa, isan'izany ireo mpanohitra azy sasany, dia vavolombelona nanatri-maso ny nisehoan'i Jesosy taorian'ny nahafatesany. Ny Kristiana voalohany dia azo faritana ho ireo mpianatr'i Jesosy izay nankalaza azy ho ilay Tompo nitsangan-ko velona, taorian'ny fanomboana amin'ny hazo fijaliana.
 
Izao ny hevitr'i Raymond E. Brown: "ny lahatsoratra ao amin'ny Baiboly dia maneho fa [i Petera sy i Paoly] dia nitory an'i Jesosy izay nitsagana tamin'ny maty nefa ny nofony tsy lo tao am-pasana. Tsy misy ao amin'ny Testamenta Vovao manontolo na dia tendron-tsoratra iray manambara fa nisy Kristiana nihevitra fa mbola ao am-pasana ny vatan'i Jesosy ka lo. Izany no iheverako fa ny lahatsoratra ao amin'ny Baiboly dia manantitra mazava tsara ny fitsanganan-ko velona ara-batana"<ref><small>Raymond E. Brown, ''101 questions sur la Bible et leurs réponses'', Lexio/Cerf, 1993 (6<nowiki>ISBN 978-2-204-11305-2</nowiki>), p.110.</small></ref>.
 
==== Araka ireo Epistolan'i Paoly ====
Andalana faha-26:
"3 ''Fa natolotro anareo ho isan'ny zavatra voalohany indrindra ilay noraisiko, dia izao: Kristy maty noho ny fahotantsika araka ny Soratra Masina'', 4 ''dia nalevina, ary natsangana tamin'ny andro fahatelo araka ny Soratra Masina''; 5 ''ary niseho tamin'i Kefasy Izy, dia vao tamin'ny roa ambin'ny folo lahy koa''. 6 ''Rehefa afaka izany, dia niseho tamin'ny rahalahy tsy omby dimam-jato Izy, ny ankamaroan'ireny dia mbola velona mandraka ankehitriny, fa ny sasany efa nodi-mandry''. 7 ''Rehefa afaka izany, dia niseho tamin'i Jakoba Izy, dia tamin'ny Apostoly rehetra.''" (1Kor. 15.3-7).
 
Mifanaraka ny manampahaizana fa manoratra ny lovantsofina tamin'ireo taona 30<ref><small>Gary Habermas, [http://www.garyhabermas.com/articles/J_Study_Historical_Jesus_3-2_2005/J_Study_Historical_Jesus_3-2_2005.htm "Resurrection Research: What Are Critical Scholars Saying"], ''Journal for the Study of the Historical Jesus'', 3, 2 (2005), [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fwww.garyhabermas.com%2Farticles%2FJ_Study_Historical_Jesus_3-2_2005%2FJ_Study_Historical_Jesus_3-2_2005.htm tahiry]].</small></ref> i Paoly.
Mifanaraka ny manampahaizana fa manoratra ny lovantsofina tamin'ireo taona 30 (7) i Paoly.
 
==== Loharano araka ny Filazantsara ====
Andalana faha-46:
 
== Ny fisehoan'i Jesosy nitsangan-ko velona ==
Araka ny filazan'i Simon Claude Mimouni dia zavatra natovana taty aoriana ireo fitantarana momba ny fisehoan'i Jesosy tamin'ny mpianany taorian'y fitsanganany tamin'ny maty. Tamin'ny taonjato faha-2 izany fanovonana izany. "Mahagaga ny fisiam-pahasamihafana ao amin'ireo fitantarana ny fisehoana, ka maneho izany fa lovantsofina maro no niavian'izy ireo"<ref><small>Simon (8)Claude Mimouni et Pierre Maraval, ''Le Christianisme des origines à Constantin'', PUF, 2006, p.130.</small></ref>.
 
Nanoratra dimy ambin'ny folo taona talohan'ny nanoratana ny [[Evanjely]] i Paoly avy any Tarsisy. Ny tranainy indrindra amin'ireo Evanjely ireo dia ny an'i Marka. Akoatry ny firesahany ny amin'ny nahitan'i [[Jakoba ilay Marina]], rahalahin'i Jesosy, dia milaza i Paoly fa niseho amin'ny fotoana iray tamin'ny mpianatra miisa 500 koa i Jesosy. Araka ny Asan'ny Apostoly koa dia nisehoan'i Jesosy manokana teo akaikin'i Damaskosy (na Damasy) i Paoly taorian'ilay fitsanganan-ko velona.
Andalana faha-53:
 
* [[Fahaterahan'i Jesoa|Fahaterahan'i Jesosy]]
 
== Loharano sy fanamarihana ==