Epistily ho an' ny Efesiana: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Tsipelina sns
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
Ny [[Epistily ho an'ny Efesiana]] na [[Epistily ho an'ny Efesiana|Taratasin'i Masindahy Paoly ho an'ny Efezianina]] dia boky hita ao amin'ny [[Baiboly]], ao amin'ny [[Testamenta Vaovao]] izay isan'ny atao hoe [[epistily]]. Taratasy nalefan'ny Apostoly [[Paoly (apostoly)|Paoly]] ho an'ny fiangonana kristiana tany Efesosy na Efezy na Efeso izany. Tokony ho teo anelanelan'ny taona 60 sy 63 no nanoratana azy.
 
== Anaran'ny boky ==
Andalana faha-11:
Tsy misy afa-tsy Tompo iray sy Fanahin'Andriamanitra iray ary Andriamanitra iray izay tsy iza fa ny Ray izay Rain'ny olombelona rehetra (Efes. 4.45). Midika izany fa tokony hamela ny Fanahy hampiray fo azy ireo ny Kristiana mba hiainany am-piadanana (Efes. 4.3). Ivon'ity taratasy ity ny amin'ny maha iray ny Kristiana ao amin'i Kristy. Tokana ny Finoana ary tokana ny [[Batisa]], izay maha toy ny vatana iray ny mpino rehetra.
 
Lehibe ny zavatra andrasana amin'ny olona nantsoina ho amin'ny fiainam-baovao (Efes. 4.17-5.20). Zanaka malalan'Andriamanitra ireo mpanara-dia an'i Kristy ka tokony hanao araka izay ataon'Andriamanitra (Efes. 5.1). Zatra ny niaina tao amin'ny haizina izy ireo, nefa tsy maintsy hiaina ao amin'ny fahazavana (Efes. 5.8-9).
 
Manoro hevitra ny mpivady sy ny mpianaka ary ny tompo sy mpanompo ny atao hoe fiainana kristiana koa i Poly (Efes. 5.21-6.9).