Advento: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Pejy momba ny kristianisma
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-1:
[[Sary:Adventskranz-1.Advent.jpg|vignette|274x274px|Satroboninahitry ny Advento]]
Ny [[Advento]] na [[Advento|Fiaviana]] dia fotoana maharitra efatra herinandro mialoha ny [[Noely]] na [[Krismasy]] manomboka amin'ny andro Alahady manodidina ny 30 Novambra. Fotoana fiomanana mialoha alohan'ny fankalazana ny nahaterahan'i Jesoa Kristy izany. Fiangonana kristiana maro no mitandrina sy mankalaza ny Advento amin'ny maha andro fiandrasana ny fankalazana ny nahaterahan'i JesosyJesoa Kristy (dia ny Noely na Krismasy) sy ny fiavian'i Jesosyfiaviany fanindroany ety an-tany azy.
 
Ny Advento no fanombohan'ny taom-piangonana tandrefana sady manomboka amin'ny Alahady fahefatra alohan'ny Noely na Krismasy, izay atao hoe Alahadin'ny Advento, dia ny Alahady manakaiky ny 30 Novambra (ao amin'ny [[Fiangonana katolika romana|Katolika romana]], ny [[Ortodoksa tandrefana]], ny [[Anglikanisma|Anglikana]], ny [[Loteranisma|Loterana]], ny Moraviana, ny Presbiteriana, ny [[Metodisma|Metodista]]). Raha maharitra efatra herinandro ny fotoam-piandrasana ho an'ny Fiangonana katolika sy Protestanta dia enina herinandro kosa ny fari-potoan'ny Advento ho an'ny Fiangonana ortodoksa noho izy ireo mankalaza ny nahaterahan'i Jesoa amin'ny Epifania.
 
Avy amin'ny [[Fiteny latina|teny latina]] hoe ''Adventus'' ny hoe ''Advento'' ka midika hoe "fiaviana" na "fahatongavana". Fotoana fanombohan'ny taom-piangonanany Advento. Ny teny latina hoe ''Adventus'' dia nandikana ny [[Fiteny grika|teny grika]] hoe ''parousia'' izay ampiasaina hilazana ny [[Fiavian'i Kristy Fanindroany]].
 
Fotoana manetriketrika ny Advento izay anombohan'ny taom-piangonana. Tsy manao fanamasinam-panambadiana ny [[Fiangonana katolika]] mandritra io fari-potoan'ny Advento na Fiandrasana io<ref name=":0"><small>"Avent", ''Microsoft Encarta'' 2009. 1993-2008 Microsoft Corporation.</small></ref>.
 
Ny volomparasy ny loko litorjika ampiasain'ny Fiangonana katolika sy ny ankabetsahan'ny Fiangonana protestanta, nefa ny Fiangonana anglikana sy ny Fiangonana loterana dia mampiasa ny manga.
 
== Ny lohahevitra amin'ny Alahady efatra ==
Ny fotoan'ny Advento dia misy Alahady efatra amin'ny ankamaroan'ny fiangonana fa enina kosa izany ho an'ny Fiangonana ortodoksa. Ao amin'ireo Fiangonana manaraka ny fombam-pivavahana romana izay ampiasaina indrindra ao amin'ny Eglizy katolika dia samy manana ny lohahavitra voizina ny Alahady tsirairay.
 
==== Alahady voalohany ====
Amin'ny Alahady voalohany, izay atao hoe koa Alahadin'ny Advento, dia miompana amin'ny Fiavian'i Kristy Fanindroany ny lohahevitra. Arehitra ny labozia voalohany amin'io andro io. Ireto ny vakiteny fanao amin'izany:
 
* Isaia 2.1-5; Salamo 121 (na 122 amin'ny Baiboly sasany); Romana 13.11-14; Matio 24.37-44.
* Isaia. 63.16 - 64.7; Salamo 79.2 (na 80.2 amin'ny Baiboly sasany); 1Korintiana 1.3-9; Marka 13. 33-37.
* Jeremia. 33.14-16; Salamo 24.4 (na 25.4 amin'ny Baiboly sasany); 1Tesaloniana (na 1Tesalonisiana) 3.12 - 4.9; Lioka 21.25-36.
 
==== Alahady faharoa ====
Amin'ny Alahady faharoa dia mampahatsiahy ny toritenin'i Joany Batista (na Jaona mpanao batisa), izay tonga nanamboatra mialoha ny lalan'ny Tompo, ny famakiana ny Filazantsara na ny Evanjely. Ny vakiteny hafa dia samy manana ny lohahevitra entiny avy koa. Arehitra ny labozia faharoa amin'io andro io. Ireto ny vakiteny fanao amin'izany:
 
* Isaia 11.1-10; Salamo 71 (na 72); Romana 15.4-9; Matio 3.1-12.
* Isaia 40.1-11; Salamo 84 (na 85); 2 Petera (na 2Piera) 3.8-14; Marka 1.1-8.
* Baroka 5.1-9; Salamo 125 (na 126); Filipiana 1.4-11; Lioka 3.1-6.
 
==== Alahady fahatelo ====
Amin'ny Alahady fahatelo dia mbola mikasika an'i Joany Batista ihany ny famakiana ny Evanjely, ireo vakiteny hafa dia momba ny fifaliana vokatry ny fiavian'ny Mpamonjy. Arehitra ny labozia fahatelo amin'io andro io. Ireto ny vakiteny fanao amin'izany:
 
* Isaia (na Izaia) 35.1-6a, sy 10; Salamo 145.7-10 (na 146.7-10 amin'ny Baiboly sasany); Jakoba 5.7-10; Matio 11.2-11.
 
* Isaia (na Izaia) 61.1-2a, sy 10-11; Lioka 1.46-50, sy 53-55; Tesalonisiana (na Tesaloniana) 5.16-24; Joany (na Jaona) 1.6-8, sy 19-28.
* Zefania (na Sôfônia) 3.14-18a; Isaia (na Izaia) 12.2 sy 4-6; Filipiana 4.4-7; Lioka 3.10-18.
 
==== Alahady fahefatra ====
Amin'ny Alahady fahefatra dia mifantoka amin'ny ny zava-nitranaga momba an'i Maria sy i Josefa izay mitarika mivantana ho amin'ny fahaterahan'i Jesoa, ary ireo vakiteny hafa dia momba izany ihany koa. Arehitra ny labozia fahefatra amin'io andro io. Ireto ny vakiteny fanao amin'izany:
 
* Isaia (na Izaia) 7.10-16; Salamo 23.1-6 (na 24.1-6). Romana 1.1-7; Matio 1.18-24.
* 2Samoela 7.1-5 sy 8b-12 ary 14-16; Salamo 88.4-5 sy 25-30 (89. 4-5 sy 25-30); Romana 16.25-27; Lioka 1.26-38.
* Mikà (na Mikea) 5.1-4a; Salamo 79.2-3 sy 15-16 ary 18-19 (na 80. 2-3 sy 15-16 ary 18-19); Hebreo (na Hebrio) 10.5-10; Lioka 1.39-45.
 
== Ny labozia sy ny satroboninahitry ny Advento ==
 
==== Ny isa sy ny lokon'ny labozia ====
[[Sary:Adventkranz andrea.JPG|vignette|247x247px|Satroboninahitry ny Advento sy labozia fanao any Kanada]]
Fanao amin'ny fiangonana toy ny any Alemaina sy amin'ny faritra sasany ao Eoropa ny manantona ilay atao hoe "satrobolinahitry ny Advento" na "satroboninahitry ny Fiaviana" izay ametrahana labozia iray isan-kerinandro mandra-pahatongany ho efatra amin'ny andron'ny Noely (na Krismasy)<ref name=":0" />. Matetika dia miloko mena ireo labozia ireo nefa misy ny mampiasa loko hafa toy ny manga, ny mavokely, ny volomparasy sns.
 
Ao Soeda dia jiro miloko fotsy no ampiasaina izay mariky ny fahadiovana ary ny satroboninahitra dia atokana ho an'ny fetin'i ''Sankta Lucia'' (Mb. Losia) amin'ny 13 Desambra. Ao Kanada dia labozia volomparasy telo sy labozia mavokely iray no ampiasaina amin'ny satroboninahitry ny Advento ka ny mavokely tsy arehitra raha tsy amin'ny Alahady fahatelo sady manambara ny fifaliana amin'ny fahataperan'ny fiandrasana. Any [[Aotrisy]] kosa dia miloko volomparasy ny labozia izay mariky ny fivalozana<ref><small>[https://diocese92.fr/faq/fetes_avent_traditions.htm "Traditions de l'Avent"], Diocèse de Nanterre [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2F92.catholique.fr%2Ffaq%2Ffetes_avent_traditions.htm tahiry]]</small></ref>.
 
Ny Fiangonana ortodoksa dia mampiasa labozia miisa enina indraindray noho ny fotoam-pankalazany ny Fiaviana maharitra enina herinandro.
 
==== Ny hevitry ny satroboninahira sy ny labozia ====
Ny satroboninahitry ny Fiaviana dia mampahatsiahy ny Kristy Mpanjaka sy ilay satro-tsilo natao teo amin'ny lohany tamin'ny fotoana nampijaliana azy. Ny isan-tokantrano koa dia afaka manamboatra satroboninahitry ny Fiaviana izay apetraka eo ambony latabatra na ahantona eo amin'ny varavarana fidirana ho mariky ny fitsenana sy fandraisam-bahiny<ref><small>[http://www.teteamodeler.com/dossier/noel/couronne-avent.asp "Préparer une couronne de l'Avent"], ''Tête à modeler'' [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fwww.teteamodeler.com%2Fdossier%2Fnoel%2Fcouronne-avent.asp tahiry]]</small></ref>.
 
Marik'ireo dingana lehibe nanatanterahana ny Famonjena alohan'ny fiavian'ny [[Mesia]] ny labozia: ny voalohany mariky ny famelan-keloka azon'i [[Adama]] sy [[Eva]], ny faharoa mariky ny finoan'i [[Abrahama]] sy ny patriarka hafa izay nino ny fanomezana azy ireo ny Tany nampanantenaina ([[Kanaana (faritra)|Kanaana]]), ny fahatelo mariky ny hafalian'i [[Davida (Baiboly)|Davida]] izay hanan-taranaka tsy ho tapaka sady manambara ny fihavanany amin'Andriamanitra, ary ny fahefatra dia mariky ny fampianaran'ny mpaminany izay nanambara mialoha ny fanjakam-pahamarinana sy fiadanana. Ireo labozia efatra ireo dia mariky ny dingana lalovan'ny tantaran'ny olombelona: ny [[Famoronana (finoana sy fedrà)|Famoronana]] sy ny [[Fahatongavana ho nofo]] sy ny [[Fanavotana]] tamin'ny fahotana ary ny [[Fitsarana farany]]<ref><small>[http://www.hic.hr/bozic-hrvata01.htm "Božić u Hrvata"], ''Hrvatski Informativni Centar'' ([http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fwww.hic.hr%2Fbozic-hrvata01.htm tahiry])</small></ref>.
 
== Jereo koa: ==
Ligne 11 ⟶ 63 :
* [[Paska]]
* [[Andro niakarana]]
 
== Loharano ==
<br />