Fanjakan' i Israely (mitambatra): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Pejy momba ny tantaran'ny Jiosy
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-1:
Ny [[Fanjakan'i Israely (mitambatra)]] na [[Fanjakan'i Israely (mitambatra)|Fanjakana mitambatr'i Israely sy i Jodà]] dia fanjaka-mpanjaka naorin'ny Israelita tamin'ny taona 1050 tal. J.K. any ho any. Nandimby ny vanim-potoan'ny [[mpitsaran'i Israely]] io fanjakana io ka i [[Saoly]] no mpanjaka voalohany nanapaka azy. Araka ny Boky voaolohan'i Samoela ao amin'ny Baiboly dia vokatry ny fanirian'ny [[Zanak'i Israely]] hanana mpanjaka sahala amin'ireo firenena hafa izay neken'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny mpaminany [[Samoela]] no nampisy io fanjakana io (1Sam. 8). Nivaky roa io fanjakana io taty aoriana ka ny avaratra dia ny [[Fanjakan'i Samaria]] fa ny atsimo kosa dia ny [[Fanjakan'i Jodà]]. Telo fotsiny ny mpanjaka nitondra an'io fabjakana io, dia i [[Saoly]] sy i [[Davida (Baiboly)|Davida]] ary i [[Solomona]].
 
==== Ny fanjakan'i Saoly ====
Araka ny [[Baiboly]] dia isan'ny fokon'i Benjamina i [[Saoly]]. Tamin'ny taona 1020 tal. J.K. hatramin'ny taona 1010 tal. J.K. no nitondrany ny Fanjakan'i Israely mitambatra ka izy no voatendrin'Adriamanitra no mpanjakan'ny firenen'i Israely voalohany araka ny teny nampitondrainy ny mpaminany Samoela. Natambatr'i Saoly ny [[Fokon'i Israely|foko roa ambin'ny folon'i Israely]]. Ny fanafihana ara-miaramila no tena nimasoany ka ny [[Filistina]] no fahavalo malaza tamin'ireo nifanandrina taminy. Nahazo baiko avy amin'Andriamanitra ny hanapotika ny firenen'i Amaleka izy tamin'ny teny nentin'i Samoela nefa nitsimbina ny mpanjaka amalekita izy ka izany no nahatonga azy haongana tsy ho eo amin'ny fitondrana, araka ny didin'Andriamanitra. Nandimby azy i Davida tamin'ny nahafatesany.
 
==== Ny fanjakàn'i Davida ====
Nanomboka tamin'ny taona 1010 tal. J.K. hatramin'ny taona 970 tal. J.K. no nanjakan'i [[Davida (Baiboly)|Davida]] taorian'ny nahafatesan'i Saoly. Araka ny Baiboly dia vy amin'ny fokon'i Jodà izy. Nanitatra ny fanjakany izy, nandritra ny fotoana nanjakany, tamin'ny alalan'ny ady nifanaovany tamin'ireo firenena mpifanolo-bodirindrina amin'ny faritry ny fanjakany, sady nampandry tany ka isan'ireo tanàna azony tamin'izany i [[Jerosalema]] izay nataony ho renivohitry ny fanjakàny. Nafindrany tao ny [[Fiaran'ny fanekena]] nefa tsy nahazo alalana tamin'Andriamanitra hanorina ny [[Tempolin'i Jerosalema|Tempoly]] izy na dia ny hanolotra izany ho an'Andriamanitra aza no fikasany.
 
==== Ny fanjakàn'i Solomona ====
Nanomboka tamin'ny taona 970 tal. J.K. ka hatramin'ny taona 931 tal. J.K. no nanjakan'i [[Solomona]] (na [[Salômôna]]). Niady fitondrana taminy ny zanak'i Davida hafa talohan'ny tena handraisany ny fitondrana, sady izy rahateo no notendren'i Davida handimby azy.
 
Nahatratra ny famirapiratana fara tampony ny Fanjakan'i Israely tamin'ny fanapahan'i Solomona tamin'ny alalan'ny fanangonana harena sy ny fifanakalozana ara-barotra nifanaovany tamin'ny manodidina azy. I Solomona no nanamboatra ny [[Tempolin'i Jerosalema]] voalohany, izay fantatra amin'ny anarana hoe Tempolin'i Solomona. Naharitra fito taona ny fanamboarana izany tempoly izany, ka i Hirama mpajakan'i Tiro no nanampy azy tamin'ny fanomezana ny mpanamboatra trano sy ny hazo hanamboarana izany.
 
Tamin'ny faramparan'ny fotoana nitondrany dia nitaraina noho ny fitakiana hetra be loatra ny vahoaka. I Jeroboama no nandimby azy tamin'ny nahafatesany nefa nivaky roa ny fanjakana tamin'ny nanjakan'ity mpanjaka ity noho ny fihoam-pampan'ny hetra notakina sy ny habibiana hafa koa. Teraka noho izany ny [[Fanjakan'i Jodà]] sy ny [[Fanjakan'i Israely (Samaria)|Fanjakan'i Israely]] (na [[Fanjakan'i Samaria]]).
 
== Jereo koa: ==