Bokin' i Jôsoa: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Nanalehibe sary
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Andalana faha-1:
[[Sary:Joshuah Ordering the Sun to Stand Still. ca 1743-1744. Joseph Marie Vien.jpg|vignette|302x302px|''Nampijanona ny masoandro i Josoa'', nataon'i Joseph-Marie Vien]]
Ny '''Bokin'i Josoa''' na '''Bokin'i Jôsoé''' dia boky ao amin'ny [[Testamenta Taloha]] ao amin'ny [[Baiboly]] sy ao amin'ny boky masin'ny Jiosy ([[Tanakh]]). Mitantara ny nahazoan'ny Zanak'i Israely ny tany nampanantenain'Andriamanitra ny razambeny, dia i [[TanyKanaana Kanana(faritra)|Kanana]], ny Bokin'i Josoa. Maneho ny tsy fivadihan'Andriamanitra ny fampanantenana nataony io boky. Asehony koa anefa fa izay mivadika amin'Andriamanitra dia ho resy. Amin'ny teny fohy dia maneho ny fitondrana sy ny famonjen'Andriamanitra ny olony ilay boky.
 
Ny Bokin'i Josoa dia isan'ireo atao hoe bokim-pitantarana na boky ara-tantara ao amin'ny Baiboly kristiana, fa bokin'ny mpaminany na bokim-paminaniana (Nevi'im) kosa ao amin'ny [[Tanakh]], izay manasokajy azy ho isan'ireo "mpaminany taloha". Tokony ho tany an-tenantenan'ny taonjato faha-10 tal. J.K. no nanoratana ny ankabeazan'ny lahatsoratra hita ao amin'ny boky.
Andalana faha-29:
 
=== Ny fizaràna ny tany tamin'ireo fokon'i Israely (Jos. 13 - 21) ===
Amin'ity fizaràna ity no ilazana ny foko roa ambin'ny folo sy ny antsipiriany momba ny anjara tany nomena azy ireo tsirairay. Nisy ny foko izay efa nahazo ny anjarany tamin'i [[Mosesy]] (na [[Môizy]]) talohan'ny nidirana tao Kanana. Ambara ao koa ny fomba nizarana ny tany, dia ny fanaovana antsapaka. Nisy koa ny fanokanana tanàna fialokalofan'izay nahafaty olona tsy nahy. Ny [[Levita]] ihany no tsy nahazo anjara tany manokana fa nomena tanàna manerana ny foko hafa rehetra.
 
=== Ny hafatra farany nataon'i Josoa (Jos. 21 - 24) ===