Andriamanitra (tokana): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanao fanitsiana sy nanitatra
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy sy tsipelina
Andalana faha-1:
[[Andriamanitra (tokana)|Andriamanitra]], araka ny finoana ao amin'ireo fivavahana [[Monoteisma|monoteista]], dia ilay Fisiana Ambony Indrindra, tokana, mpamorona ary loharanon'ny zavatra misy rehetra. Tonga lafatra izy, tsy manam-petra, tsy miova, mandrakizay, tsara indrindra, mahalala ny zava-drehatra ary mahefa ny zava-drehetra ary andriamanitra misahana izao rehetra izao. mpamonjy ny olombelona sy ny zavaboary rehetra, ary nanambara tena nandritra ny Tantara izy.
 
Ao amin'ny [[jodaisma]] sy ny [[kristianisma]] ary ny [[finoana silamo]] dia tsy mifangaro amin'izao tontolo izao sady ambonin'izao tontolo izao Andriamanitra. Tokana sy manan-tsitrapo manokana izy (latina: ''persona'').
 
== Fiezahana hanana Andriamanitra tokana ==
Andalana faha-27:
 
=== Andriamanitra, araka ny kristianisma ===
Nandova ny fiveheverana sasany ao amin'ny Jodaismajodaisma ny [[Kristianismakristianisma]] noho izy nampiasa ny boky masin'ny Jodaisma, dia ny Testamenta Taloha ao amin'ny [[Baiboly]]. Nisy fiovany izany fiheverana izany taorian'ny niainan'i Jesosy Kristy teto an-tany izay ataon'ny Kristiana fa zanak'Andriamanitra tonga nofo sady ilay Mesia resahin'ireo mpaminany sady nadrasana hatramin'izay. Niteraka fikorontanan'ny finoana an'Andriamanitra tokana, araka ny ampianarin'ny Jodaisma, izany fivoasana vaovao ny Soratra Masina izany, izay tsy ny [[Testamenta Taloha]] ihany fa ny [[Testamenta Vaovao]] koa sy ny boky sasany ataon'ny manam-pahaizana hoe [[Apokrifan'ny Baiboly|''apokrifa'']] na ''pseodepigrafa'' izay nampiharana koa voambolana sasany avy tamin'ny filozofia grika.
 
==== Andriamanitra Trinite ====
Andalana faha-37:
Tsy ny fiangonana kristiana rehetra no manaiky an'izany fiheverana an'i Jesosy sy ny Fanahy Masina ho Andriamanitra izany, satria maro ireo fiangonana manohitra ny Trinite.
 
=== Andriamanitra, araka ny finoana silamo ===
Ho an'ny [[finoana silamo]] indray i Allah no anaran'Andriamanitra tokana. Midika fotsiny hoe "Andriamanitra" io anarana io. Tsy azo aseho an-tsary Andriamanitra satria tsy mifangaro fa ivelan'ny zavatra noforoniny sady avo indrindra. I [[Mohamady]] (Muhammad) no mpaminanin'Andriamanitra izay inoan'ny Silamo fa namerina indray ny firesahana marina ny amin'Andriamanitra tamin'ny nahazoany ny fanambaràna ao amin'ny [[Kor'any]].
 
Tamin'ny nanambaràna ny Soratra Masina, Andriamanitra dia niteny tamin'ny alalan'ny [[anjely]] Jibrily ([[Gabriela (arikanjely)|Gabriela]]) sy ny mpaminany Mohamady izay nandre ny tenin'Andriamanitra fa tsy ny feony. Sady lavitra no akaiky, sady araka ny fomban'olombelona no tsy takatry ny sain'olombelona Andriamanitra, araka ny soratra ao amin'ny Kor'any, ka zava-miafina tanteraka izy, na "ghayb", ka tsy hay ampitahaina na amin'inona na amin'inona amin'ny zavatra noforoniny. Manana toetra fito fototra i Allah, dia ny fiainana, ny fahalalana, ny hery, ny sitrapo, ny fandrenesana, ny fahitana ary ny fitenenana.
Andalana faha-44:
Ivon'ny finoana sy ny fomba fiainan'ny mpino silamo ny anaran'i Allah izay ifatoran'ny lafim-piainany rehetra amin'ny alalan'ny fivavahana. Tsy lahy tsy vavy Andriamanitra. Mpahary sy mahefa ny zava-drehetra sy mahalala ny zava-drehetra ary mihoatra ny zavaboary noforoniny izy. Izy no tompon'izao rehetra izao sy ny hoavy, mpitsara amin'ny Fitsarana farany, niseho tamin'ny mpaminany nifandimby izay hatramin'i [[Adama]] ka hatramin'i Mohamady. Ny Soràta 112 (''Al-Ikhlas'') dia mamondrona ny fotopotony amin'ny fiheveran'ny Silamo an'Andriamanitra: "Izy no Allah tokana, Allah tsy azon-kevitra, tsy miteraka Izy, tsy nateraka Izy, ary tsy mitovy na amin'inona na amin'inona Izy". Ny Kor'any dia manambara koa ny toetran'Andriamanitra izay mihoa-draha tanteraka nefa milaza koa io boky io fa akaiky ny olombelona (Kor'any, Soràta 50.16) sy ny zavaboary noforoniny izay isehoan'ny asany sy anehoany izany Andriamanitra<ref name=":0"><small>Paul Ballanfat, "Allâh" in M.A. Amir-Moezzi (dir.) ''Dictionnaire du Coran'',  <abbr>éd.</abbr> Robert Laffont, 2007, <abbr>p.</abbr> 40-43.</small></ref>.
 
Mitarika ny olombelona amin'ny hoaviny izay tsy fantany na ny heviny na ny vokany; afaka mitari-dalana na mampania ny olombelona Andriamanitra, manasazy sy mamela heloka. Fantany ny antsipirian'ny fisainan'ny olona tsirairay, izy no hitsara amin'ny Fitsarana farany izay hanasaziana ny mpanota sy ny tsy mino ary hamaliana soa ny mpino mahatoky. Ambara matetika ny fahatezerany ka matetika izy dia atao hoe "ilay Mahatahotra" ([[Fiteny arabo|arabo]]: ''al-Jabbâr'' na ''al-Qahhâr''). Nefa ny toetrany misongadina indrindra dia ny halehiben'ny famindrampony izay mahery vaika ka mahenikamahasahana ny zavatra rehetra, araka ny voasoratra ao amin'ny Kor'any<ref name=":0" />.
 
== Jereo koa: ==