Belzebola: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Pejy momba ny fivavahana
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Nanisy sary
Andalana faha-1:
[[Sary:Beelzebub and them with him.jpg|vignette|360x360px|I Belizaboba nataon'i Fred Barnard  (1846–1896)]]
I [[Belzebola]] na [[Belzebola|Belzeboba]] na [[Belzebola|Belzebota]] dia devoly na demony voaresaka ao amin'ny liretatioralireratiora kristiana. Izy no andriandahin'ny devoly rehetra ka tsy iza izy fa i [[Satana]]. Izy no andriamanitr'i Ekrona, - faritra any amin'ny tanin'ny Fiklistina. miresaka ny amin'i Belzeboba ireo [[Filazantsara sinoptika]] ao amin'ny [[Baiboly]] kristiana.
 
== Ny anaran'i Belzebola ==
Amin'ny teny hebreo dia atao hoe בעל זבוב, / ''Baʿal Zebūb'' ilay anarana ka nakana ny anarana amin'ny teny latina hoe Beelzebub ary nadika amin'ny teny malagasy ao amin'ny [[Baiboly protestanta]] hoe Belzeboba. Amin'ny teny grika kosa dia ''Βεελζεβούλ'' / ''Beelzeboúl'' izay nakana ny anarana ao amin'ny Baiboly amin'ny fiteny anglisy.

Avy amin'yny anarana hoe ''Baal Zebul'' io anarana io ka ny hoe ''Baal'' dia midika hoe "tompo" ary ny hoe ''Zebul'' kosa "andriandahy". Ny anarana hoe ''Baʿal Zebūb'' dia anarana fanaratsian'ny [[Israelita]] an'i Belzebola ka midika hoe "andriandahin'ny lalitra", - araka ny [[Boky faharoan'ny Mpanjaka]].
 
== Ny firesahana azy ao amin'ny Baiboly sy boky hafa ==
 
==== Ao amin'ny Testamenta Taloha ====
Ny [[Boky faharoan'ny Mpanjaka]] ao amin'ny [[Testamenta Taloha]] dia miresaka an'i Belzebola izay antsoina ao hoe ''Belizaboba'':
 
<small>"2 Ary Ahazia nianjera avy teo amin'ny makarakara teo amin'ny efi-trano ambony tao Samaria ka narary; dia naniraka olona izy ka nanao taminy hoe: Mandehana, anontanio amin'i Bala-zeboba, andriamanitr'i Ekrona, na ho sitrana ihany aho amin'ity aretiko ity, na tsia. 3 Ary Ilay Anjelin'i Jehovah niteny tamin'i Elia Tisbira hoe: Miaingà, miakara hihaona amin'ny iraky ny mpanjakan'i Samaria, ka manaova aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Moa ataonareo fa tsy misy Andriamanitra eo amin'ny Isiraely va, no mandeha hanontany amin'i Bala-zeboba, andriamanitr'i Ekrona, ianareo? 4 Koa noho izany dia tsy hidina hiala amin'ny farafara izay niakaranao ianao, fa ho faty tokoa. Ary dia lasa Elia." (2Mpan. 2-4).</small>
 
==== Ao amin'ny Testaventa Vaovao ====
Ireo [[Filazantsara sinoptika]] ([[Filazantsaran'i Matio|Matio]] sy [[Filazantsaran'i Marka|Marka]] ary [[Filazantsaran'i Lioka|Lioka]]) koa dia miresaka azy:
 
<small>"Fa ampy amin'ny mpianatra, raha tonga tahaka ny mpampianatra azy, ary ny mpanompo, raha tonga tahaka ny tompony. Raha ny tompon-trano no nataony hoe Belzeboba, tsy mainka va ny ankohonany?" (Matio 10.25)</small>