Dôketisma: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Naitatra kely
Andalana faha-1:
Ny [[doketisma]] na [[Doketisma|dosetisma]] dia fampianaram-pinoana niseho tamin'ireo taonjato voalohandohany nampisy ny [[Fivavahana kristiana]] izay milaza fa i [[Jesoa]] dia tsy nanana vatana tena izy fa zavatra miseho ety ivelany fotsiny izany. Nohelohin'ny Fiangonana izany ka isan'ireo ataony hoe fampianaran-diso na finoan-diso (grika: ''heresia'').
 
== Fiforonan-teny ==
Ny teny nohagasina hoe ''doketisma'' dia avy amin'ny matoanteny sy anarana grika hoe ''δοκεῖν'' / ''dokein'' ("miseho") sy ne anaraka grika hoe ''δόκησις'' / ''dokêsis'' ("fisehoana" na "matoatoa"). Ny hoe ''dosetisma'' kosa dia fanagasiana ny teny fratsay hoe ''docétisme'' na ny teny anglisy hoe ''docetism'' izay avy amin'io teny grika io ihany koa.
 
== Fiantraikan'ny filozofian'i Plato ==
Izany fandavana ny maha olona tokoa an'i Jesoa Kristy miksy ifandraisany amin'ny foto-kevitra filozofika doalista izay mampifanohitra ny zavatra azo tsapain-tanana (na raha) amin'ny fanahy. Araka ny filozofia platonisiana sy neo-platonisiana dia mifanohitra ny ''raha'' (latina: ''materia''; grika: ''ὕλη'' / ''hulê'') sy ny ''fanahy'' (latina: ''spiritus;'' grika: ''πνεῦμα'' /''pneuma'') satria ambany ny raha fa ny fanahy kosa dia ambony lavitra. Noho izany ny mpomba ny doketisma dia milaza fa Andriamanitra dia tsy afaka hikambana amin'ny raha. Laviny araka izany ny fandraisana ara-bakiteny ny voasoratra ao amin'ny [[Evanjelin'i Joany]] (Joa. 1.14) izay manambara ny fahatongavan'ny Teny ho nofo.
 
== Endrika samihafan'ny doketisma ==