Fanandroana: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Tsipelina
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Tsipelina sy rohy
Andalana faha-5:
 
== Zavatra ampiasaina amin'ny fanandroana ==
Akoatry ny Volana sy ny Masoandro dia ampiasain'ny mpanandro koa ny kintana sy ny platena. Ireto avy ny anaran'ireo planeta fampiasa tranainy indrindra satria mora hitan'ny maso: i [[Venosy]], i [[Merkora]], i [[Marsa]], i [[Jopitera]] ary i [[Satorna]]. Nanampy azy ireo ny planeta hafa hitan'ny mpahay kintana taty aoriana toa an'i [[Oranosy]] (hita tamin'ny taona 1781), i [[Neptona]] (taona 1846) ary i [[PlotonaPloto]] (taona 1930).
 
Ny antokon-kintana "andalovan'ny Masoandro" miisa telo ambin'ny folo na, raha ny tena marina, ny anaran'izy ireo dia ampiasaina indrindra amin'ny fanandroana. Ireto ny anaran'ireo antokon-kintana ireo amin'ny teny latina: ''Aries'' ("ondrilahy"), ''Taurus'' ("ombilahy"), ''Gemini'' ("kambana"), ''Cancer'' ("foza"), ''Leo'' ("liona"), ''Virgo'' ("virijina"), ''Libra'' ("mizana"), ''Scorpio'' ("maingoka"), ''Ophiuchus'' (na ''Serpentarius'' "mpitondra bibilava"), ''Sagittarius'' ("mpitondra tsipika"), ''Capricorn'' ("osy-trondro"), ''Aquarius'' ("mpitondra rano") ary ''Pisces'' ("trondro").
Andalana faha-20:
Misy roa ambin'ny folo ny orim-bintana izay mitondra ny anaran'ny antokon-kintan'ny zodiaka, afa-tsy ny Ophiuchus (na Serpentarius "mpitondra bibilava"), dia ireto avy: ''Aries'' ("ondrilahy"), ''Taurus'' ("ombilahy"), ''Gemini'' ("kambana"), ''Cancer'' ("foza"), ''Leo'' ("liona"), ''Virgo'' ("virijina"), ''Libra'' ("mizana"), ''Scorpio'' ("maingoka"), ''Sagittarius'' ("mpitondra tsipika"), ''Capricorn'' ("osy-trondro"), ''Aquarius'' ("mpitondra rano") ary ''Pisces'' ("trondro").
 
Ireto ny orim-bintana amin'ny teny malagasy mifandray amin'ireo: [[Alahamady]] (''Aries''), Adaoro (''Taurus''), Adizaoza (''Gemini''), Asorotany (''Cancer''), Alahasady (''Leo''), Asombola (''Virgo''), Adimizana (''Libra''), Alakarabo (''Scorpio''), Alakaosy (''Sagittarius''), Adijady (''Capricorn''), Adalo (''Aquarius'') ary Alohotsy (''Pisces'').
 
Ny "planeta" tsirairay (isan'izany ny Volana sy ny Masoandro, izay heverin'ny mpanandro ho isan'ny planeta) dia mifanandrify amin’ny eva manokana arakaraka ny toerana misy azy eo amin’ilay ekliptika.
Andalana faha-27:
 
==== Ny torovintana ====
Ny mpanandro dia namorona kisary atao hoe horoskopa (torovintana) izay mampifandray ny toeran'ireo zavatra eny amin'ny lanitra amin'ny fotoana iray, sy ny toetran'ny olona nateraka na hateraka amin'io fotoana io. Ny torovintana iray dia asehon'ny faribolana atao hoe ekliptika izay maneho ny lalana alehan'ny [[Tany]] rehefa mihodina amin'ny Masoandro mandritra ny iray taona.
 
Ny torovintana dia ahitana fizarana roa ambin'ny folo atao hoe "trano", izay maneho ny fe-potoana 24 ora mitovy amin'ny tsingerim-pihodinan'ny Tany amin'ny tenany. Mifandray amin'ny sehatra sasany momba ny fiainan'ny olona voatondro (fanambadiana, fahasalamana, asa, sns.) ny trano tsirairay. Ny mpanandro dia mandrafitra ny famantarany ny hoavy arakaraka ny toerana misy ireo zavatra eny amin'ny lanitra ao amin'ireo eva sy trano ao amin'ny toro vintana ireo.