Pakistàna: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Nanitatra kely
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Nanitatra: mponina sy loharano
Andalana faha-55:
}}
 
'''Pakistàna''' dia firenena any amin'ny faritra atsimon'i [[Azia]]. Izany dia manaraka ny [[India]], [[Iran|Iràna]], [[Afghanistan|Afghanistàna]], ary [[Sina]]. Izany no fomba ofisialy antsoina hoe ny '''Repoblika Islamikan'i Pakistàna'''. Manana morontsiraka lavitra manamorona ny Ranomasina Arabia any atsimo. I Pakistàna dia manana ny isam-ponina fahaenina lehibe indrindra eto amin'izao tontolo izao. Ny velarantany manontolon'i Pakistàna dia 880.940 km² (miaraka amin'ny tany entin'i Pakistàna Azad Kashmir ary ny Gilgit Baltistàna). Izany dia manao an'i Pakistàna ho firenena faha-34 lehibe indrindra eto amin'izao tontolo izao. [[Islamabad]] no renivohitr'i Pakistàna, ary ny tafika pakistaney dia fahafito lehibe indrindra. Atao hoe [[Pakistaney]] na Pakistaný ny mponina ao Pakistàna.
 
Atao hoe [[Pakistaney]] na [[Pakistaný]] ny mponina ao Pakistàna.
 
== Anarana ==
Ny anarana hoe Pakistan amin'ny fiteny ordoa sy fiteny persana dia midika "tanin'ny madio".
 
== Mponina ==
Ny mponin'i Pakistana dia tokony ho 167 800 000 tamin’ny taona 2008. Eo amin’ny 1,9% eo ny fitombon'ny mponina raha 3% izany tamin'ny taona 1980. Mpifindra monina any ivelany, indrindra mankany amin’ny Fanjakana Mikambana (Angletera) sy Amerika Avaratra ary Arabia Saodita sy ireo firenena ao amin’ny Helodrano Persika, ny Pakistaney<ref name=":0"><small>"Pakistan" in ''Microsoft Encarta'' 2009</small></ref>. 2,3 % izany tamin'ny taona 2017. Miisa any amin'ny 207 000 000 ny mponina ao Pakistàna tamin'ny taona 2017<ref><small>[http://www.pbscensus.gov.pk/sites/default/files/Population_Results.pdf Résultats préliminaires du recensement de 2017] [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fwww.pbscensus.gov.pk%2Fsites%2Fdefault%2Ffiles%2FPopulation_Results.pdf tahiry]].</small></ref>.
 
==== Foko ao Pakistana ====
Ny vahoaka pakistaney dia fitambarana vahoaka maro, izay manana ny maha samihafa azy amin'ny lafiny kolontsaina sy ny fiteny. Efatra ny karazan'olona maro an'isa indrindra mitambatra hamorona ny Pakistaney, dia ny Penjaby izay mahasahana ny antsasa-manilan'ny mponina; ao koa ny Patàna na Pastona izay 15%n'ny mponina; ao koa ny Sindy izay 15%n'ny mponina; ary ny Balotsy 5%n'ny mponina<ref name=":0" />.
 
'''Fivavahana'''
 
Raha amin'ny lafiny fivavahana kosa indray dia Silamo ny 97%n'ny mponina (75% araka an'i Christophe Jaffrelot<ref><small>Christophe Jaffrelot, "[http://www.monde-diplomatique.fr/2013/12/JAFFRELOT/49944 Le Pakistan miné par les affrontements entre sunnites et chiites: Gouvernants et puissances étrangères attisent les divisions communautaires]", ''Le Monde diplomatique'',‎ décembre 2013 [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fwww.monde-diplomatique.fr%2F2013%2F12%2FJAFFRELOT%2F49944 tahiry]].</small></ref>) ka ny 80% amin’izany Sonita fa ny 20% kosa Shiita. Misy ny fifanadrinana eo amin’ny Siita sy ny Sonita ka nahafaty olona 4000 izany tamin’ny taona 2007<ref><small>"[https://www.lemonde.fr/web/article/0,1-0@2-3216,36-893391@51-886407,0.html Affrontements meurtriers entre chiites et sunnites au Pakistan]", dans ''Le Monde'' du 07/04/2007, [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=https%3A%2F%2Fwww.lemonde.fr%2Fweb%2Farticle%2F0%2C1-0%402-3216%2C36-893391%4051-886407%2C0.html tahiry]].</small></ref>.
 
Vitsy an’isa kosa ny Hindoista (na Hindoa) (1,2%<ref><small>Carl Skutsch, ''Encyclopedia of the World's Minorities'', Routledge, 7 novembre 2013 (<nowiki>ISBN 978-1-135-19388-1</nowiki>, [https://books.google.com/books?id=yXYKAgAAQBAJ&pg=PA553 vakio eto] [http://archive.wikiwix.com/cache/?url=https%3A%2F%2Fbooks.google.com%2Fbooks%3Fid%3DyXYKAgAAQBAJ%26pg%3DPA553 tahiry]), <abbr>p.</abbr> 553.</small></ref> hatramin'ny 2% <ref><small>"[http://www.pewforum.org/2012/12/18/table-religious-composition-by-country-in-numbers/ Table: Religious Composition by Country, in Numbers]" [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fwww.pewforum.org%2F2012%2F12%2F18%2Ftable-religious-composition-by-country-in-numbers%2F tahiry]], ao a amin'ny ''Pew Research Center's Religion & Public Life Project'', 18 décembre2012.</small></ref>) izay iharan’ny herisetra. Vitsy an’isa koa ny ny Kristiana izay iharan’ny fanenjehana; ao koa ny Sika (miisa 300 000) sy ny Parsy (Zoroastriana) (miisa 20 000) ary ny Bodista<ref name=":0" /> (miisa 10 000).
 
==== Fiteny ====
Fiteny manodidina ny 80 no tenenin’ny olona ao ka ny ankamaroany dia fiteny indo-iraniana. Ny be mpiteny amin’ireo dia ny fiteny penjaby (48%); avy eo ny fiteny pashto (15%), ny fiteny sindy (14%) ary ny fiteny balotsa (3%) ary ny fiteny seraiky. Ny fiteny anglisy sy ny fiteny sindy no fiteny ofisialy. Fiteny ofisialy ny fiteny ordoa (7 - 8%)<ref name=":0" />. Ny fiteny balotsy, hazaragy ary kashemiry no fitenim-paritra vitsy mpampiasa kokoa.
 
== Jereo koa ==
Ligne 67 ⟶ 80 :
{{vangovango}}
 
== Loharano ==
[[sokajy:Pakistan]]
[[sokajy:Firenena]]