Fitsanganan-ko velona (kristianisma): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Nanitsy rohy
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy ivelany
Andalana faha-1:
Ny [[Fitsanganan-ko velona (kristianisma)|fitsanganan-ko velona]] na [[Fitsanganan-ko velona (kristianisma)|fitsanganana amin'ny maty]] dia ny fiverenan'ny efa maty ho amin'ny fiainana indray. Isan'ireo finoana lehiben'ny Kristiana ny fitsangana-ko velona. Ny fitsanganan'ny maty ho velona dia midika fa haharitra any amin'ny tontolo hafa ny fiainana ka mifandray amin'ny fitsarana farany hataon'Andriamanitra amin'ny olona rehetra izany. Ny olona nanao ny tsara araka ny didin'Andriamanitra fahavelony sy voavela heloka dia hitsangana ho amin'ny fiainana ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra izay torin'ny irak'Andriamanitra indrindra ny mesia. Ireo olona nanao ny ratsy sy tsy nibebaka dia halefa any amin'ny gehena na ny helo.
 
Roa ihany ny olona fantatra araka ny [[Baiboly]] fa nanangana olona tamin'ny maty, dia i [[Elia]] mpaminany sy i [[Jesosy]] Kristy. Maro ireo olona voalaza fa nitsangana tamin'ny maty ka isan'ireo i Lazarosy (na Lazara) avy any Betania sy ny zanakavavin'i Jairo.
 
Nitsangana atamintamin'ny maty i Jesosy tamin'ny marainan'ny andron'ny [[Paska jiosy]] taorian'ny fahafatesany vokatry ny nanomboana azy amin'ny hazo fijaliana; ary zava-dehibe indrindra amin'ny finoana kristiana izany satria antom-pisiany. Amin'ny [[eskatolojia]] kristiana dia amin'ny andro farany, rehefa voapetraka ny Fanjakan'Andriamanitra, no hananganana ny maty.
 
Ny finoana kristiana dia miorina amin'ny fampianarana momba ny fitsanganan'i Jesosy Kristy tamin'ny maty (1Kor. 15.13-19). Ireo Filazantsara efatra dia ahitana fitantarana momba ny fitsanganan'i Jesosy tamin'ny maty, ny Epistily nosoratan'i [[Paoly (apostoly)|Paoly]] no mamelabelatra ny fampianarana sy ny finoana ny fitsanganan'ny vita batisa ho velona. Nanangana olona vitsivitsy amin'ny maty i [[Jesosy]] ka fiverenan'ny olona amin'ny vatana sy ny fiainana talohan'ny nahafatesana izany.
Andalana faha-19:
* [[Eskatolojia]]
* [[Paradisa]]
 
== Rohy ivelany ==
 
* Fampianaran'ny FLM momba ny fahafatesana sy ny fitsanganan'i Jesosy tamin'ny maty