Taona: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Pejy momba ny fotoana
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-1:
Ny [[taona]] dia fe-potoana na tsingerim-potoana mifandraika amin'ny fitsingerenan'ny fizaran-taona iray ka maharitra manodidina ny 12 tsingerim-bolana izany. Mifanandrifindrify amin'ny tsingerim-pihodinan'ny Tany amin'ny Masoandro izany.
 
Araka ny tetiandro ampiasaina dia misy 12 [[volana]] amin'ny ankapobeny ny ao anaty taona iray nefa misy tsindraindray taona ahitana 13 volana. Noho ny fahatsapana ny fahataran'ny tetiandro miohatra amin'ny zava-miseho eo amin'ny natiora (tonon-taona, tsingerim-bolana, fanirin'ny zava-maniry, sns) no antony anampiana volana iray faha-13 ny taona sasany. Izany, ohatra, no mitranga amin'ny [[tetiandro hebreo]] na miozolmana.
 
Ny ao anatin'ny iray taona, arakaraka ny tetiandro ampiasaina, dia ahitana andro izay matetika miisa mihoatra ny 300 ka ny farany ambony mety hihoatra ny 370 andro. Ny tsy fitovizan'ny inasan'ny [[andro]] anatin'ny volana iray arakaraka ny tetiandro arahina no mahatonga izany. Nisy ihany ny taona nahitana andro miisa latsaky ny 300 toy ny tetiandro romana.