Andro Taloha: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Pejy momba ny Tantara
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Tsipelina sy rohy
Andalana faha-1:
Ny hoe [[Andro Taloha]] dia ilazana vanim-potoan'ny Tantara izay nialoha ny [[Andro Antenantenany]] na ny [[Andro Vaovao]]. miovaovaMiovaova ny fivelaran'io vanim-potoana io arakaraka ny sivilizasiona heverina. Amin'ny tantara eoropeana dia fotoana mifanadrify amin'ny sivilizasionan'ny soratra nanodidina ny [[Ranomasina Mediteranea]] ny Andro Taloha ka ny ankamaroan'ny mpahay tantara dia mametraka ny fiantombohany eo amin'ny taonarivo faha-4 tal. J.K. (anelanelan'ny taona 3500 tal. J.K. sy 3000 tal. J.K.) miaraka tamin'ny famoronana ny soratra tany mesopotamiaMesopotamia sy tany Egipta ary ny fiafarany dia heverin'ny mpahay tantara ho manodidina ny taonjato faha-5 taor. J.K. (anelanelan'ny taona 300 sy 600).
 
Ho an'ireo tsy mihevitra afa-tsy ny sivilizasiona eoropeana dia ny vanim-potoan'ny sivilizasiona grika sy romana ihany no Andro Taloha (Andro Taloha grika-romana) izay nanomboka tamin'ny taona 2000 tal. J.K. ka niafara tamin'ny faharavan'ny Empira romana any Andrefana tamin'ny taona 476.
Andalana faha-5:
Ho an'ny Kontinentan'i Amerika dia mifamatotra amin'ny sivilizasiona prekolombiana ny Andro Taloha ka noho izany dia nanomboka manodidina ny taona 1200 tal. J.K. tamin'ny namoronan'ny Olmeka ny soratra maneho sary sy hevitra (piktograma sy ideograma) ary nifarana tamin'ny fiantombohan'ny taonjato faha-16 tamin'ny fahatongavan'ny Eoropeana tany Amerika voalohany, ka tsy misy ny atao hoe Andro Antenantenany fa tonga dia arakarahin'ny Andro Vaovao ny Andro Taloha.
 
Ny Andro Taloha ho an'ny tantaran'i Azia dia nifarana tamin'ny taona 200 tal. J.K. niaraka tamin'ny fanjakanfanjakana ifandovan'ny taranaka Qin izay nanokatra ny vanim-potoan'ny fiitaran'nyEmpira fanjakana tao Sina. Tao India atsimo kosa dia tsy tena hita loatra io teteza-mita io izay mifanandrify amin'ny fanombohan'ny fanjakana ifandovan'ny taranaka Chola, fa tao India avaratra kosa dia nifanandrify tamin'ny faharavàn'ny fanjakan-dehibe kushan tamin'ny taona 230 taor. J.K. eo ho eo izany, izay nanombohan'ny fotoana tsy nampiharana firy ny atao hoe Andro Taloha raha ny amin'ny firesahana ny fifandraisana amin'ny tontolo taloha, dia i India Avaratra (mauryaMaurya sy Shunga), i Grisia nanjakan'ny sivilizasiona helenista sy romana, ny Parta sy ny Iraniana taloha. Izany fisaraha mazava izany dia hamafisin'ny fisandratan'ny fanjakan-dehiben'i Gupta tamin'ny faramparan'ny taonjato faha-3.