Fanavaozana prôtestanta: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Pejy vaovao momba ny Kristianisma
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Tsipelina sy fanitsiana hafa
Andalana faha-1:
Ny [[Fanavaozam-piangonana]], izay atao hoe koa [[Fanavaozam-piangonana|Reformasiona]] na [[Fanavaozam-piangonana|Reforma]], dia fihetsiketsehana ara-pivavahana tamin'ny taonjato faha-16 tao amin'ny Fiangonana Tandrefana izay nanapitra ny fahefan'ny Papa tamin'ny Fiangonana manontolo sady niteraka ireo Fiangonana protestanta. Ny Fanavaozam-piangonana dia vokatry ny faniriana ny hiverina amin'ny loharano nipoiran'ny Kristianisma. Te hanome lanja ny fivavahana sy ny fiainana ara-tsosialy amin'ny fomba fijery hafa ireo mpanavao fiangonana (na reformatora) ka niampanganampibaribary ny fahasimban'ny fiarahamonina nateraky ny fanaon'ny Fiangonana izay nivarotra famelanfivarotam-pamelan-keloka (latina: ''indulgentia'') ireonataon'ny Fiangonana. Izy ireo koa dia nanararaotra ny firoborobon'ny fanaovana printy ny [[Baiboly]] amin'ny fiteny ifaneraseran'ny olona andavanandro (indrindra ny fiteny alemàna taorian'ny fandikan-teny voalohany nataon'i Martin Lotera amin'ny Baiboly), ary naneho fa tsy voaresaka ao amin'io boky io na ny amin'ny olomasina na ny fanompoam-pivavahana atao amin'ny [[Maria (renin'i Jesoa)|Virjina]] na ny amin'ny Afo fandiovana. Ny fampiasana ny Baiboly hataoho filamatra dia isan'ireo zavatra nanentana ny mpanavao fiangonana. Ilay aingan-kevitra hoe ''Sola scriptura'' ("ny Soratra irery ihany") no nitari-dalana azy ireo.
 
Natombok'i Martin Lotera fony izy monka (na moanina) katolika tamin'ny 31 Oktobra 1517 tao amin'ny Empira Masina sy i Ulrich Zwingli tao Zorika, avy eo i Martin Bucer tao Strasborga ary taty aoriana i Jean Calvin tao Parisy sy tao Jeneva ny Reformasiona ka nahazo ny ampahany be tamin'i Eoropa Avaratra-Andrefana. Tsy nahomby ny ezaka fampihavana rehetra natao ka nahatonga ny Fanavaozana hampisarahana ny Katolisisma suy ny Fiangonana katolika romana sy ny Fiangonana protestanta. Ny setrin'ny fanavaozana navalin'ny Katolika araka ny tapaka tamin'ny Konsily tao Tredenta (Trenta) dia tsy nahafahan'ny Fiangonana katolika nanao afa-tsy ny famerenana taminy indray ny ampahan'ny mponina efa lasan'ny Protestantisma.
 
Nanana endrika politika koa ny fandraisan'ny olona ny Fanavaozam-piangonana izay lasa fomba iray natao hanehoan'ireo andriana mpanapaka ny fahaleovan-tenany manoloana ny fahefan'ny Papa izay nanambara tena fa teokrasia mifehy ny olona rehetra eran-tany; na hahafahana manohitra andriana halam-bahoaka sahala amin'ny niseho tany Ekosy sy tany Holanda nofehezin'ny Espaniola. Ny Reformasiona tamin'ny taonjato faha-16 dia niseho tamin'ny alalan'ny fifanolanana maro koa izay nitranga teo amin'ny Emperora Habsborga sy ireo andriandahy alemàna ary koa tamin'ny alalan'ny ady an-trano tao Farantsa sy Angletera ary Ekosy.
 
== Jereo koa: ==
[[Protestantisma]]
 
* [[Protestantisma]]
* [[Loteranisma]]
 
* [[Fiangonana nohavaozina]]
* [[Anglikanisma]]