Zefania (mpaminany): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Pejy vaovao: olona resahina ao amin'ny Baiboly
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy sy tsipelina
Andalana faha-1:
[[Sary:Sophonie_s'adressant_au_peuple.jpg|vignette|''Miteny amin'ny vahoaka i Zefania,'' sary tao Frantsa, taonjato faha-16.]]
I '''[[Zefania''' (mpaminany)|Zefania]] na '''[[Zefania (mpaminany)|Sôfônia''']] dia mpaminany hebreo voaresaka ao amin'ny [[Baiboly]]. Naminany tamin’ny nanjakan'i Josia tao amin'ny [[Fanjakan'i Joda]] (640-609 tal. J.K.) izy, tamin'ny andron'ny [[mpaminany]] [[Jeremia (mpaminany)|Jeremia]]. Nanohitra ny fanaon'ny firenena vahiny sy ny fivavahana amin’ny andriamani-tsy izy ny mpaminany sady nanakiana ny fomba ratsin'ny mpitondra. Nitoriteny tao Jerosalema izy tamin’ny taona 640-630 tal. J.K., taloha kelin’ny fotoana niasan’i Jeremia.
 
Tamin'ny fotoana nanjakan'i Amona sy manaseManase tao amin'ny Fanjakan'i Joda, ny fivavahana amin'ireo andriamanitra vahiny, toa an'i Bala sy i Astarte, dia nandroso tao Jerosalema, izay nampiditra fanao vahiny. I Josia, ilay mpanjaka nanavao ny fivavahana, dia nikasa hampijanona izany fanao ratsy izany. Isan'ny nafana fo tamin'ireo mpanolo-tsaina ny amin'ity fanavaozana ity i Zefania.
 
Nanohitra ny fivavahana sy ny fitondran-tena ratsy ny mpaminany Zefania. Ka raha hitany ny [[fanompoan-tsampy]] izay efa tafiditra hatrao amin'ny toerana masina, dia nampitandrina izy fa handrava ny sisa amin'i Bala sy ny anaran'ny mpisorona amin'izany toerana izany Andriamanitra. Nitaky ny hiverenan'ny vahoaka amin'ny fahatsoram-piainan'ireo razany fa tsy ny aingitraingitry ny fitafiana vahiny izay nitafian'ireo ambony saranga ny mpaminany.
 
Ny mpaminany Zefania no atao hoe fa nanoratra ny [[Bokin'i Zefania]].