Paradisa: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Pejy vaovao momba ny finoana
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanisy sary
Andalana faha-1:
[[Sary:Man Made in the Image of God (crop).jpg|vignette|318x318px|I Adama sy i Eva ao amin'ny Saha Edena]]
Ny [[paradisa]] dia toeranam-pahasambarana ahitana ny fahamaroan'ny zavatra tsara tsy mety lany sady lavitra ny fijaliana ka handraisana ireo olona tsy nivadika amin'ny finoany. Ao amin'ireo fivavahana abrahamika ([[Jodaisma]] sy [[Kristianisma]] ary [[Silamo]]) dia ny saha [[Edena]] no paradisa nametrahan'Andriamanitra ny olombelona voalohany, dia i [[Adama]] sy i [[Eva]]. Ny fahotan'ireo olombelona ireo no niteraka ny fahaverezan'ny toetran'ilay paradisa ka nahatonga ny fiovan'ny fifandraisan’ny olona samy olona na eo amin'ny olona sy ny [[zavaboary]] hafa na eo amin'ny olona sy Andriamanitra ho lasa ratsy. Ny paradisa tahaka ny endriny voalohany no antenain'ny mpino any amin'ny [[andro farany]]. Ny fiverenan'izany paradisa izany dia matetika ialohavan'ny fiavian'ny [[Mpamonjy]] irahin'Andriamanitra ho amin'ny fanomanana sy ny fanatanterahana azy.