Evanjelisma: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanisy sary
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Andalana faha-32:
 
==== Ny Batisma ====
Ny [[Batisma]] dia finoana kristiana evanjelika nipoitra tamin'ny fifohazam-panahy notarihin'ilay pastora anglisy atao hoe John Smyth tao Holandy tamin'ny taona 1609<ref><small>J. Gordon Melton and Martin Baumann, ''Religions of the World: A Comprehensive Encyclopedia of Beliefs and Practices'', ABC-CLIO, USA, 2010, p. 298</small></ref>. Io hetsika io dia miavaka noho ny fanomezany lanja ny Baiboly, ny fahateraham-baovao, ny batisan'ny olon-dehibe, ny toe-tsaina tia mamita iraka, ny fizakan-tena isan-toeran'ny fiangonana, ny fisarahan'ny Fiangonana sy ny Fanjakana ary ny fananan'ny fitambaran'ny mpiara-mivavaka rehetra fahefana (kongregasionalisma). Niisa 100 000 000 ny mpino batista tamin'ny taona 2010<ref><small>J. Gordon Melton and Martin Baumann, ''Religions of the World: A Comprehensive Encyclopedia of Beliefs and Practices'', ABC-CLIO, USA, 2010, p. 299</small></ref>.
 
==== Ny Pentekotisma ====
Ny [[Pentekotisma]] dia finoana kristiana vokatry ny Fifohazam-panahy notarihin'ny pastora amerikana Charles Fox Parham sy William Joseph Seymour tao Etazonia tamin'ny taona 1906. Io fihetsiketsehana io dia manana izao toetra izao: manome lanja manokana ny [[Baiboly]], ny fahateraham-baovao, ny batisan'ny [[Fanahy Masina]], ny fanomezam-pahasoavan'ny Fanahy Masina, ny batisan'ny olon-dehibe, ny fananana saina tia mamita iraka, ny fanokanan-tena ara-pitondran-tena amin'ny fiainana, ny fahaleovan-tenan'ny fiangonana isan-toerana, ny fisarahan'ny Fiangonana sy ny Fanjakana<ref><small>Randall Herbert Balmer, ''Encyclopedia of Evangelicalism: Revised and expanded edition'', Baylor University Press, USA, 2004, p. 533</small></ref>. Niisa any amin'ny 279 000 000 any ho any ny mpino pentekotista tamin'ny taona 2011 araka ny tarehimarika omen'ny Pew Research Center<ref name=":0"><small>[http://www.pewforum.org/2011/12/19/global-christianity-traditions/#protestant Pew Research Center, Global Christianity – A Report on the Size and Distribution of the World’s Christian Population] [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fwww.pewforum.org%2F2011%2F12%2F19%2Fglobal-christianity-traditions%2F%23protestant tahiry]], 19 December 2011, USA</small></ref>.
 
==== Ny Fihetsiketsehana karismatika ara-pilazantsara ====