Andrea (apôstôly): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Tsipelina
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Nanisy fizaràna
Andalana faha-1:
[[Sary:St Andrew the Apostle - Bulgarian icon.jpg|vignette|''I Andrea'', nataon'i Yoan avy any Gabrovo any Bolgaria. taonjato faha-19.]]
I '''Andrea''' dia iray amin'ireo [[Apostoly roa ambin'ny folo|mpianatr'i]] [[Jesosy]]. Jiosy Galiliana sady rahalahin'i [[Simona Petera|Petera]] (na Piera) izy. ''Ἀνδρέας'' / ''Andreas'' no fiantsoana azy amin'ny teny grika. ''Andreas'' ihany koa no fiantsoana azy amin'ny fiteny latina. Mpianatr'i [[Jaona mpanao batisa]] izy taloha. Atao hoe ''Protokleto'' ("Ilay Nantsoina Voalohany") koa izy satria nanaraka an'i Jesosy raha vantany vao vita batisa ity farany.
 
== Ny arany ==
Ny hoe ''Andrea'' dia fanagasiana ny anarana amin'ny teny grika hoe ''Ἀνδρέας'' / ''Andreas''. ''Andreas'' ihany koa no fiantsoana azy amin'ny fiteny latina. ''Andrew'' amin'ny teny anglisy fa ''André'' kosa amin'ny teny frantsay.
 
== I Andrea araka ny Baiboly ==
Araka ny voalaza ao amin'ny Baiboly dia teraka tao Betsaida tao Galilia tao amoron'ny farihy Tiberiasy (na Tiberiada) i Andrea. Mpanjono tahaka an'i Simona Petera rahalahiny izy. Tamin'ny voalohany dia mpianatr'i Jaona mpanao batisa izy nefa rehefa nasehon'i [[Jaona mpanao batisa|Joany mpanao batisa]] fa i Jesosy no "ilay Zanakondrin'Andriamanitra izay hitondra ny fahotan'izao tontolo izao" (Joa. 1.29-40), dia nanaraka an'i Jesosy izy ka tsy nisaraka tamin'io intsony. Izy no mpianatra voalohany notaomin'i Jesosy hanaraka azy.