Jôba: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Tipelina
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Tsipelina
Andalana faha-1:
[[Sary:Bonnat02.jpg|vignette|302x302px|''I Joba,'' nataon'i Léon Bonnat, taona 1880]]
''<nowiki/><nowiki/>''
I '''Joba''' dia olona resahina ao amin'ny [[Baiboly]] ao amin'ilay boky mitondra ny anarany ([[Bokin'i Joba]]). Ao amin'ny [[Tanakh]] izy dia atao hoe אִיּוֹב / ''ʾIyyôv''. Ny boky masin'ny Silamo ([[Korana|KorànaKor'any]]) koa dia miresaka an'i Joba izay ataony amin'ny teny arabo hoe أيّوب  / ''<nowiki/>'Ayyûb'' <ref><small>Ny Torka dia manao hoe ''Eyüop''.</small></ref>). I Joba no maneho ny finoan'olo-marina navela ho sedrain'i [[Satana]], araka ny fanomezan-dalan'Andriamanitra (Job. 1.9-12).
 
''<nowiki/>''
 
Andalana faha-9:
Na dia olo-marina aza i Joba (Job. 1.1), ny anarany dia avy amin'ny fizahan-toetra nataon'i Satana azy mba hijerena na hatoky an'Andriamanitra hatrany izy na tsia (Job. 1.1). Niaritra ny faharavan'ireo fananany (Job. 1.14) sy ny faharinganan'ireo zanany (Job. 1.18-19) ary ny fijaliany noho ny vay nahazo azy (Job. 2.7). Nanana zanakalahy fito sy zanakavavy telo i Joba (Job. 1.2) izay maty daholo tao amin'ny firodanan'ny tranon'ny lahimatoany tamin'ny fiandohan'ny fitsapana (Job. 1.18-19). Niaritra ihany koa ny fanomezan-tsiny nataon'ireo sakaizany telolahy azy izy nefa tsy niala tamin'ny fitokisany amin'Andriamanitra. Hohazavain'Andriamanitra aminy fa tsy tokony ho refesin'ny fijerin'olombelona ny fitsarany, ary haverina roa heny amin'i Joba indray ny fananany. Hahazo zazalahy fito sy zazavavy telo indray i Joba rehefa vita ny fisedrana azy. Ireo zananivavy telo farany dia atao hoe Jemima sy Ketsia ary Kerena-Hapoka (Job. 42.14).
 
=== Tantaran'i Joba araka ny KorànaKor'any ===
''<nowiki/>''
Ny Koràna[[Kor'any]] dia miresaka an'i Aioba (arabo: ''<nowiki/>'Ayyoûb'') ho mpaminany ambony toetra sy malala-tanana. Tia azy fatratra Andriamanitra tsatria iray amin'ireo mpanompo be fanetren-tena sy manompo amim-pahatsoratra izy. Nanampy ny kamboty izy, ary nanome sakafo ny mahantra. Hitan'i Satana ny fanoloran-tenan'i Aioba amin'Andriamanitra, ka nanapa-kevitra i Satana hitarika azy amin'ny tsy izy nefa tsy nahomby izany. Nataony torak'izany koa ny vadiny atao hoe Rahma nefa tsy nahomby koa izany. Nianjadian'ny fahoriana mafy i Aioba ka nijaly tamim-paharetana.
 
''<nowiki/><nowiki/>''
 
Izao no voasoratra ao amin'ny KorànaKor'any:
 
"Tsarovy koa i Aioba mpanompontsika, tamin'ny nanaovany izao teny izao tamin'ny Tompony: Nataon'i Satana reraky ny aretina maro sy ny fampijaliana aho. Nisy feo niteny mafy taminy hoe: Kapohy amin'ny tongotrao ny tany. Dia nataony izany, ka nisy loharano nifantsitsitra. Hataonao hidiovana io rano io; mangatsiatsiaka io, ary hisotro aminy ianao. Naverintsika aminy ny ankohonany, sady nampiantsika mitovy amin'izay nisy teo. Porofon'ny famindram-pontsika izany sady fampitandremana ho an’ny olona manan-tsaina (''Ny KorànaKor'any'', « Sad », 38.40-44).
 
== Fanamarihana: ==