Epistily ho an' ny Galatiana: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Famintinana sy fizaràna
Andalana faha-3:
== Ny anaran'ny boky ==
''Επιστολή προς Γαλάτες / Epistolê pros Galates'' no anarany amin'ny teny grika ary ''Epistula ad Galatas'' kosa amin'ny teny latina.
 
== Famintinana ==
Vao eny am-piandohanan'ny taratasy i Paoly dia manambara ny tenany ho apostoly marina ary ny fampianarany dia fampianarana marina (Gal. 1.1-10). Nisy mantsy ireo izay nilaza fa apostoly sandoka manao fampianarana tsy izy i Paoly. Ny asa famitana iraka ataon'i Paoly dia avy amin'i Kristy sady nahazo fankatoavana avy amin'ireo Apostoly ao Jerosalema izy (Gal. 1.18 - 12.10). Nanitsy an'i Petera i Paoly raha nitsahatra tamin'ny fiaraha-moisakafo tamin'ny Kristiana jentilisa izay tsy nanaraka ny Lalàn'i Mosesy (Gal. 2.1-18). Ny finoana irery ihany, hoy i Paoly, no mahavonjy, hatramin'ny andron'i Abrahama izany tamin'ny nahazoany fampanantenana avy amin'Andriamanitra. Mijiro vavolombelona i Paoly fa velon'ny finoany an'i Kristy (Gal. 2.19-20).
 
== Fizaràn'ny boky: ==
Azo zaraina telo ny epistily:
 
* Arovan'i Paoly ny fahefana maha apostoly azy (1.1 - 2.)
 
* Tsy ny Lalàna fa ny Finoana no mahavonjy (3.1 - 4.)
 
* Tokony hiaina araka ny Fanahin'Andriamanitra (5.1 - 6.)
 
== Jereo koa ==